Quantcast
Channel: Newsmada
Viewing all articles
Browse latest Browse all 70808

Ampefiloha : jiolahy noraisim-potsiny tao amin’ny trano fisotroan-toaka

$
0
0
Jiolahy30.9.15

 Tsy afa-nihetsika ! Tratran’ny polisy tao anaty trano iray fisotroan-toaka eny Ampefiloha, afakomaly ny jiolahy raindahiny amin’ny sinto-mahery sy fanendahana eny Isotry mihazo ny lalana eny Ampantsakana…

 

Nidoboka am-ponja, omaly ny jiolahy raindahiny amin’ny sinto-mahery miharo fanendahana eny amin’ny faritra Isotry mihazo ny lalana mankeny Ampantsakana. Araka ny fampitam-baovao avy amin’ny polisy, toerana iray fanaovan’ny mpanao sinto-mahery ny asa ratsiny amin’iny faritra iny. Ny vehivavy no tena lasibatra ary intelo isan-kerinandro no miseho izany. Niharan’ny fanendahan’ny jiolahy ny renim-pianakaviana iray, ny asabotsy hariva teo teny amin’ity toerana malaza ratsy ity. Tonga nametraka fitoriana tao amin’ny Poste de police Ampefiloha, ny alahady ka niainga avy amin’izany no nahafahan’ny polisy nanao ny fanarahan-dia ity jiolahy ity. Tao anaty trano fisotroan-toaka iray eo Ampefiloha no hitan’ilay renim-pianakaviana ka niantso polisy avy hatrany izy taorian’izay. Noraisim-potsiny avy hatrany ilay jiolahy ary nentin’ny polisy anaovana famotorana. Niaiky ny heloka vitany ilay jiolahy ary mbola sahy nilaza tamin’ny polisy mihitsy aza fa saika hanendaka vehivavy hafa indray tamin’io fotoana io kanjo tratran’ny polisy tampoka.

Tsy vao izao fa tena voasokajy ho isan’ny faritra mena amin’ny  asan-jiolahy mihitsy iny toerana iny. Vao ny asabotsy teo no nisy ilay Karana maty voatifitry ny jiolahy teny Isotry. Na antoandro na alina, tsy azo antoka intsony fa manjaka tanteraka ny jiolahy.

J.C


Viewing all articles
Browse latest Browse all 70808

Latest Images

Trending Articles