
Mirongatra ny asan-jiolahy ao an-tampon-tanànan’i Sabotsy Namehana, ao amin’ny distrikan’Antananarivo-Avaradrano. Nitombo ny tahan’ny vaky trano sy ny fanafihana, araka ny fitarainan’ny mponina eny an-toerana. Nitatra hatrany amin’ny tsy fandriampahalemana an-dàlambe amin’ny andro antoandro anefa ireo asan-jiolahy ireo ankehitriny ka mety hiafara amin’ny fitsaram-bahoaka hataon’ireo niharany.
Lasan’ny mpangalatra an-tsokosoko teo an-tsena, omaly, ny ampahefan’ny entana novelarin’ny mpivarotra enta-madinika tao Sabotsy Namehana. Olona telo hafa koa no niharan’ny sinto-mahery teo am-pialana fiara mpitatitra teo amin’ny fiantsonana mifanandrify ny tsena, tamin’io fotoana io. Nomarihin’ireo mivelona amin’ny raharaham-barotra eo amin’ity tsena ity fa tsy miandry ny andron’ny tsena sabotsy toy ny taloha intsony ny tontakely eny Sabotsy Namehana, amin’izao fotoana izao. “Tsy misy iainana intsony ny mponina vokatry ny asan-jiolahy satria misy hatramin’ny harom-paosy sy ny sinto-mahery ny aty ankehitriny, indrindra hatramin’ny fotoam-pifidianana noho mankaty”, hoy ny mpivarotra maro.
Fanirian’ny vahoaka ao an-toerana ny hivelaran’ny asan’ny mpitandro filaminana bebe kokoa amin’ny fanarenana ny fandriampahalemana amin’izao fotoana izao fa tsy hianona fotsiny amin’ny fandrindrana fifamoivoizana tahaka ny fanao nahazatra hatramin’izay. Midadasika sady be mponina rahateo ity kaominina ity ka tokony hatevenina ny isan’ny mpitandro filaminana eny an-toerana, hoy izy ireo.
Manou