Quantcast
Channel: Newsmada
Viewing all articles
Browse latest Browse all 70548

Fanaraha-maso ny fivezivezen’ny mponina eto an-drenivohitra : misy ny sazy ary andrasana ny fampiharana azy sy ny vokany

$
0
0

Efa tamin’ny faraparan’ny volana aogositra lasa teo no naelin’ny teo anivon’ny prefektioran’ny polisy niaraka tamina sefo fokontany maromaro fa ho arahi-maso akaiky amin’izay ny fivezivezen’ny mponina eto Antananarivo renivohitra sy ny fampiatranoana vahiny eny anivon’ireo fokontany rehetra. Isan’ny voaresaka tamin’izay fotoana izay fa ho averina hampiharina ny lalàna mikasika ny bokim-bahiny. Tao anatin’ireo fokontany voatonona ho nandray anjara tamin’izany, ohatra ny teny amin’ny 67 hektara, Ambohimanarina, Antaniavo, Ankazomanga ary Andavamamba. Araka ny fanadihadiana natao tamin’izany dia mahafantatra ny adidy sy andraikiny ihany mikasika ny fampiatranoana vahiny amin’ny ankapobeny ny tokantrano tsirairay avy saingy matetika manadinodino kosa ny sazy sy lalàna mifanandrify amin’izany. Misy ireo fokontany izay efa mametraka izany sazy sy lalàna izany anaty karinem-pokontany.

Fitsipika amin’ny fampiantranoana vahiny

Ho an’ny fokontany Andavamamba Ambilanibe manokana, ohatra, dia eo amin’ny fitsipika laharana faharoa sy fahatelo no ahitana ny resaka fampiatranoana vahiny sy ny sazy mihatra avy hatrany raha toa tsy mandalo any amin’ny fokontany. Voalaza eo amin’ny laharana faharoa fa mandoa honitra 2.000 ariary ny manao izay fampiantranoana tsy milaza amin’ny tompon’andraikitra izay. Fitoriana ataon’ny fokontany sy onitra 10.000 ariary kosa no voalaza eo amin’ny laharana fahatelo fa omena ireo miray tsikombakomba sy mampiatrano jiolahy. Nomena andraikitra hoy ny tompon’andraikitra avy eo anivon’ny prefektioran’ny polisy ireo sefo fokontany mba “hifampifehy amin’ny olona samy olona ao aminy” ary nomena andraikitra ihany koa ny mponina hanao izay fanaraha-maso tandrify azy ireo. Antony nahatonga ny vaky trano sy ny firongatry ny asa ratsy raha ny fanazavana voaray ny fisian’ny olona tsy fantam-pihaviana eny amin’ny fokontany. Mbola andrasana araka izany ny vokatra sy ny fampiharana ity hetsika ity. Na izany na tsy izany dia misy koa anefa mponina amina fokontany izay milaza fa mbola tsy mahafantatra mihitsy ny mikasika ity resaka ity. Isan’izany ohatra ny eny amin’ny boriboritany fahatelo toy ny fokontanin’Ampandrana antsinana sy Ambohitrakely izay tsy ahitana ny fitsipika mikasika izany ao anaty karinem-pokontany. Eny amin’ny boriborintany faharoa, toa an’Ambanidia sy Ambatoroka dia tsy mahafantatra ny sazy mazava mikasika io resaka bokim-bahiny io ihany koa ny ankamaroan’ireo mponina saingy mahafantatra kosa fa tsy ahazoana taratasy any amin’ny fokontany ny resaka tsy ara-dalàna mikasika ny fifindra-monina sy ny bokim-bahiny.

Mirija


Viewing all articles
Browse latest Browse all 70548

Trending Articles