Ho fampahafantarana sy fanehoana amin’ny mpandraharaha ara-toekarena rehetra fa manana ny maha-izy azy ara-ekonomika sy sosialy i Toamasina, sy ho fanamafisana fa tena renivohitra ekonomikan’i Madagasikara tokoa ny tanànany ; dia mifanolo-tanana hanatanteraka sy hamokatra foara hampisalorana ny anarana « MIHARY » ny Antenimieran’ny Varotra sy Indostria eto an-toerana, sy ny Jeune Chambre Internationale Toamasina (JCI) mandritra ny telo andro : 17,18,19 desambra 2015. Anisan’ny tanjona amin’izany foara ekonomika izany ny ho fampiroboroboana sy ny fampandrosoana ny ho avy ara-ekonomika sy sosialy ny tananan’i Toamasina, ary ny mponina ao aminy., ka hiantsoana ireo orinasa samihafa ho amin’ny tsena eto an-toerana sy nasionaly, ary ho amin’ny iraisam-pirenena mihitsy aza. Ho hita amin’io foara ekonomika « Mihary » io avokoa ny varotra fampisehoana ny vokatra vita sy atao eto Toamasina, ny loabary andasy, ny atrikasa mifantoka amin’ny lohateny « Toamasina rahampitso », ny hetsika isan-karazany ara-kolontsaina ahitana ny dihy, tantara andampihazo , hira, sns… Etsy amin’ny araben’ny Fahaleovantena no toerana hanatontosana io foara « Mihary », andiany voalohany eto Toamasina io.
ROIMEMY