
Raha ny fanazavan’i Franco, ahenoina antsa ny kilalaky… Nitondrany loko vaovao izany ka nataony ho hira feno misy andininy sy fiverenana. Nampiany fandrindrana vaovao toy ny fizarana mazava ny feo. Tahaka io ilay « endrika » nomen’i Franco, mpanakanto zanak’i Menabe ny kilalaky ataony. « An-taona maro no nanaovako fikarohana ho amin’ny fanatsarana ny kilalaky nentim-paharazana », hoy izy. Tanjon’ity mpanakanto ity rahateo ny hametraka mozika mahasedra vanim-potoana raha ny fanazavany.
Eo am-pikarakarana ny famoahana kapila mangirana ankehitriny i Franco. Raha ny fandaharam-potoana efa nomaniny, hivoaka amin’ny faran’ny taona izao io vokatra vaovao io. Havanana amin’ny famoronan-kira izy ka maro ireo mpanakanto efa notolorany ny sanganasany. Mametraka ho zava-dehibe ny fiaraha-miasa amin’ireo rehetra vonona amin’izany rahateo i Franco. Fantatra fa ilay mpanakanto malaza Francisco no anisan’ny nikolokolo ny talentany. Andran-tsira ho an’ny mpankafy ny kanto kosa ny efa namoahany ny rindranntsary « Kilala’Revinay ».
Nanangona : HaRy Razafindrakoto