Quantcast
Channel: Newsmada
Viewing all articles
Browse latest Browse all 70610

Pétanque : hahazo moto Yamaha izay mpandresy

$
0
0
Honorus

Feno 40 taona katroka, amin’ity taona ity, ny nilalaovan-dRazafindratsimba Honorus (Manga) tsipy kanetibe. Tsy avelany handalo fotsiny izany fotoana izany fa hankalazainy sy homarihiny amin’ny alalan’ny fifaninanana “open” ho an’olon-droa miaraka, (pointeur) sy (tireur) sy ny an’ny “veteran, junior” ary vehivavy. Hotontosaina etsy amin’ny kianja CBT sy Paddock Mahamasina izany fihaonana izany, ny 26 sy 27 septambra ho avy izao. Ho goavana ny loka satria hahazo  moto Yamaha 2 sy amboara 2, miampy sakafo ao amin’ny hotely Manga, izay tompondaka eo amin’ny “open doublette”. Fahitalavitra miloko sy amboara ary sakafo manokana ny an’ny faharoa. Rice cooker sy sakafo ny an’ny fahatelo sy fahefatra. Mbola hahazo loka ihany koa ny fahadimy sy fahenina.

Fahitalavitra miloko kosa ny loka ho an’ny voalohany eo amin’ny fifaninanana “veteran” sy “juniors” ary ny an’ny vehivavy. Rice cooker ny an’ny faharoa ary Robot ny an’ny fahatelo sy fahefatra, izay arahina sakafo manokana. 100.000 Ar ny saram-pandraisana anjara, ho an’ny “open doublette” raha 40.000 Ar ny an’ny “veteran” ary 30.000 Ar ny an’ny “junior” sy vehivavy. Afaka misoratra anarana mialoha izay manam-paniriana handray anjara amin’izany. Ankoatra izay, hisy koa ny fandraisana izay mbola vonona, ny asabotsy 26 septambra eny amin’ny kianja CBT Mahamasina.

 Tompondaka

Ireo zava-bitan’i Honorus

-1983 ; 1985 ; 1992 ; 2004 : Tompondakan’i Madagasikara olon-telo miaraka

-1982 ;  1988 : Tompondakan’i Madagasikara olon-tokana

-1979 ; 1997 :  Tompondakan’i Madagasikara olon-droa miaraka

-Impito nahazo ny amboaran’i Madagasikara

-Inenina niatrika ny tompondaka eran-tany. Toniza (1983), Pays-Bas (1986), Frantsa (1987), Espaina (1989), Italia (1992), Grenoble Frantsa (2004).

-Mpanazatra nasionaly sady mpitsara nasionaly (3 ème degré)


Viewing all articles
Browse latest Browse all 70610