Miandry ny didim-pitsarana! Eny amin’ny fitsarana ny “Raharaha Jirama” ankehitriny. Nitory ny mpitantana ity orinasam-panjakana ity ny mpiasa amin’ny alalan’ny farimbon-tsendikà. Niakatra fitsarana omaly ny raharaha ary hitohy amin’ny herinandro ambony indray. Anisan’ny votoatin’ny fitoriana ny fitakin’ny mpiasa ny fitantanana ny toby famokarana herinaratra eny Ambohimanambola, hafindran’ny fanjakana sy ny mpitantana ny Jirama amin’ny orinasa tsy miankina. Eo koa ny fitakian’ny Jirama handoavan’ny fanjakana ny trosany, mahatonga ny fatiantoky ny orinasa.
Nambaran’ny farimbon-tsendikà fa tsy mitsahatra ny fitokonana raha tsy mivaly ny fitsarana. Eken’izy ireo kosa izay didim-pitsarana mivoaka eo. Raharaha hafa koa hanaovana fanadihadiana eny amin’ny mpitandro filaminana ny mpiasan’ny Jirama roa, voarohirohy amin’ilay resaka baomba teny amin’ny birao Ambohijatovo.
Randria