Quantcast
Channel: Newsmada
Viewing all articles
Browse latest Browse all 70611

Fanorenana fotodrafitrasa : hiova endrika Antananarivo

$
0
0
fanorenana.jpg

Manana vina lavitra ireo mpandraharaha eto an-toerana amin’ny lafiny fanorenan-trano sy tanàna. Ao anatin’izany ny fandraisan’anjaran’izy ireo amin’ny fanatsarana ny endrik’Antananarivo Renivohitra amin’ny fanamboaran-dalana hamahana ny olan’ny fifamoivoizana, ohatra. Tsy maintsy manangana fotodrafitrasa mifanandrify amin’ny fanorenan-trano izy ireny, toy ny fanarenana ny lalana, ny fananganana toby fiantsonan’ny fiara mpitatitra, ny fametrahana lalana fihodinana (rond point), ny toera-malalaka ahitana zava-maitso sy haingon-tanàna, sns.

Mamaha olana maro

Mifanojo amin’ny fotoana tena ilàna azy izao fahavononan’ny mpandraharaha amin’ny fanorenan-trano eto amintsika izao. Iaraha-mahita ny fitotongan’ny fifamoivoizana, ny loto, ny fanorenan-trano tsy mirindra, ny tsy fandriampahalemana, sns. Manampy sy mamaha amin’ny ampahany betsaka amin’ireny olana samihafa ireny ny fisian’ny drafitry ny tanàna mirindra sy tsara lamina, hamerenana indray ny hasin’ny Renivohitr’i Madagasikara. Eo koa indrindra indrindra, ny fampitomboana ny trano fonenana anisan’ny olana goavana iainan’ny mponina eto an-dRenivohitra.

Njaka A.


Viewing all articles
Browse latest Browse all 70611

Trending Articles