
Hihaona any Toamasina ny fianakaviamben’ny Faribolana Sandratra, manomboka rahampitso ka hatramin’ny alahady izao. Fotoana hamoahana voalohany ny boky “Siran’Ankaratra” sy “Pi-Maso”, anisan’ireo tsangambato faha-25 taon’ity fikambanana mpanoratra sy poeta ity.
“Siran’Ankaratra”, boky 64 pejy mirakitra tononkalo sy riankalo aingam-panahin- dRA-PHI, L.Niry Andriamora, RI.MA., Zo-Maminirina, Ranöe ary Toly. Tsy misy ny lohahevitra iombonana fa samy manana ny hevitra tiany hampitaina ny sanganasa tsirairay. Amin’ny anaran’ny Faribolana Sandratra Antsirabe ny amoahana ity boky ity, raha ny fanazavan’i Zo-Maminirina. Boky “Pi-maso”, ahitana ny sanganasana mpanoratra valo: Avelo-Nidor, Andriamanitry ny Ala, Mahatsinjo, Syary, Semanjaka, Mihoadia, Ranöe ary Ny Maso.
Ankoatra ny maha fihaonambe sy fifankahalalana, tafiditra ao anatin’ny fandaharam-potoan’ny Faribolana Sandratra, mandritra io telo andro io, ny fifampidinihana sy fifanakalozana traikefa. Ahitana ny sokajin-taona rehetra rahateo ny Sandratra. Hotontosain’izy ireo ny asabotsy alina ny “Alim-betso”, fotoana hiantsana tononkalo, hifampitafana, sns.
HaRy Razafindrakoto