
Lasa toy ny valalanamboa ny kolontsaintsika Malagasy ka ny tompony aza tsy tia azy. Ny vahiny indray no tena liana amin’ireo kilalao mampiavaka ny Malagasy ka miezaka mamelona azy ireny amin’ny alalan’ny fikarakarana hetsika maro isan-karazany. Anisan’izany, ohatra, ny ivontoerana ara-kolontsaina frantsay (Alliance française), manatanteraka fifaninanana, toy ny fanorona, katro, sns, mba tsy ho very ireo kilalao malagasy ireo. Ankavitsiana sisa ireo ankizy malagasy mahay milalao katro, fanorona, fangala-piery ankehitriny.
Ny firoboroboan’ny teknoljia sy ny fiparitahan’ny fomba vahiny eto Madagasikara no anisan’ny namotika ny kolontsaina malagasy ka nanjary atakalon’ireo tanora haino aman-jery, aterneto, ireo fialamboly sady fanabeazana taloha ireo.
Na izany aza, mbola misy ihany ny mpankafy ireo kilalao nentim-paharazana. Tahaka ireo ankizy monina any ambanivohitra. Mbola tazana any ny fanenjika, vitsilia sns.
Vicky (mpianatra asa)