
Nampitaraina ny vondrona Mapar ny fizotran’ny fifidianana ben’ny tanàna teo sy ny vokatra azony tamin’izany. « Feno hosoka sy hala-bato tsisy toa azy iny fifidianana iny nefa tsy mbola handray fepetra izahay fa hiandry ny voka-pifidianana ofisialy”, hoy ny depiote Razanamahasoa Christine, kandidà tao Fianarantsoa-Renivohitra. Noraisiny ohatra tamin’ny fanambarany ny fahavoazan’ny kandidà Mapar tany Ambatomanga, Fianarantsoa, Antananarivo-Renivohitra sy ny sisa.
Hisy fiantraikany eo amin’ny firenena anefa izao fanao politika maloto izao, hoy ny mpitondra tenin’ny Mapar satria isan’ireo vondrona politika lehibe eto amin’ny firenena ity ampiharana ny tsy rariny ity. Manaporofo ny herin’ny Mapar, hoy izy ireo, ny nahazoany ny toeran’ny ben’ny tanàna tamin’ireo renivohi-paritany lehibe, fototry ny fampandrosoana eto Madagasikara. Latsaka lavitry ny isan’ny toerana azon’ny tsy miankina sy ny antoko sasany anefa ny Mapar, tamin’ny vokatra vonjimaika nivoaka hatramin’izao.
Niantso ny tompon’andraikitra isan-tokony ny vondrona Mapar, noho izany, hisorohana ny korontana sy ny faharavan’ny fiarahamonina hateraky ny familiviliana ny safidim-bahoaka. Nanaitra ny fitsarana misahana ,ny ady amin’ny fanjakana (TAF) amin’ny andraikiny koa ny Mapar, ho sahy hitsara araka ny hitsiny sy ny lalàna mba tsy ho tompon’antoka amin’izay tohin’izao fifidianana feno tsy fahamarinana izao. Fitondrana ny feon’ny vahoaka mpifidy ihany anefa ny an’ny Mapar, araka ny fanambarana nataon’ny mpitondra teniny Raholimasy Pierre Houlder, fa tsy fanerena ny fitsarana. Efa nametraka fitoriana maro ho fiarovana ny safidim-bahoaka rahateo ny vondrona Mapar tamin’iny fifidianana iny, hoy izy, ka apetraka amin’ny fahendren’ny mpanapaka ny fanomezana hasina ny fahamarinana eto amin’ny firenena.
Heverin’ny mpikambana maro ao amin’ny vondrona Mapar ho faminganana ny tanjony amin’ny famerenana ny filoha mpanorina, Andry rajoelina, amin’ny fitondrana amin’ny fifidianana manaraka izao fisakanana ny mpomba azy tsy hisahana fitantanam-pirenena izao.
Manou