
Ratsy ho an’ny antokon’ny fitondrana ny voka-pifidianana vonjimaika eny Avaradrano sy Atsimondrano, raha ny navoakan’ny Sadir, omaly tetsy Alarobia. Kaominina efatra amin’ireo 16 no azon’izy ireo eny Avaradrano raha 11 amin’ny 26 kosa eny Atsimondrano.
Na izany aza, nahazo toerana maro izy ireo any amin’ny distrika hafa, toy ny any amin’ny faritra Vakinankaratra. Lasan’izy ireo ny toerana maro teo an-tanan’ny Tim teo aloha. Anisan’izany ny any Ambatolampy.
Lasan’ny tsy miankina Antsirabe
Samy tsy azon’ny Tim sy ny HVM koa anefa ny ao Antsirabe. Norombahin’ny tsy miankina izany. Votsotra teo an-tanan’ny Tim io renivohitry ny faritra Vakinankaratra io. Lasan’ny HVM, tahaka izany, koa ny toeran’ny ben’ny Tanàna any amin’ny distrikan’Andramasina.
Na eo aza anefa izany fahazoan’ny HVM sy ny Tim toerana maro izany, manaraka akaiky azy ireo ny avy amin’ny tsy miankina sy ny mahaleo tena.
Azo itarafana ny fifidianana filoham-pirenena
Raha miainga amin’ny vokatra tsy ofisialy, mbola manana ny toerany koa ny Mapar any amin’ny faritra rehetra any. Izany hoe, ireo antoko lehibe ireo no anisan’ny handrafitra ny Antenimierandoholona. Hanana ny tanjany bebe kokoa anefa ny hiantsampazan’ireo avy amin’ny tsy miankina ireo amin’izany fotoana izany.
Mety azo itarafana ny fifidianana filoham-pirenena amin’ny 2018 koa ireo rehetra ireo ?
Tsiahivina fa kaominina 113 ho an’ny faritanin’Antananarivo teo aloha izao namoahana ny voka-pifidianana vonjimaika izao.
Synèse R.