Quantcast
Channel: Newsmada
Viewing all articles
Browse latest Browse all 70359

Fandaharanasa Prosperer sy ny CCI Sofia : hasongadina amin’ny  » Tsena Ankolagny III  » ny famonosan’entana

$
0
0
fandaharanasa.jpg

Hotontosaina any Antsohihy, renivohitry ny faritra Sofia indray ny “Tsena Ankolagny andiany fahatelo” amin’ny 20, 21 ary 22 aogositra ho avy izao. Tompon’andraikitry ny fikarakarana ny Antenimieran’ny varotra sy ny indostria (CCI) Sofia, tohanan’ny fandaharanasa Fanoitra fanohanana iraisan’ny tantsaha eny ambanivohitra (Prosperer). Lohahevitra asongadina amin’ity hetsika ity ny “famonosan’entana mirona any amin’ny matihanina”. Nambaran’ny mpandrindram-paritry ny Propserer Sofia, Rafaralahy Redeck, fa nosafidiana io lohahevitra io satria anisan’ny tombana hita tamin’ny andiany faharoa tany Port-Bergé ny lafiny kalitao, ka ao anatin’izany ny famonosana entana. Toy ny mena-boanjo sy ny tantely natao tanaty tavoahangy plastika efa niasa, ny voankazo nahodina natao tanaty boaty efa niasa, ohatra.

Anisan’ny andraikitry ny Prosperer ny fanohanana ny fihariana eny ambanivohitra ho tena lasa orinasa. Ao anatin’izany ny fampiofanana amin’ny lafiny fifehezana ny teknikam-pamokarana, ny fitaovam-piasana, ny fanaraham-penitra, sns. Tafiditra ao anatin’ny paikady hanatrarana ny tanjona ny fikarakarana tsena toy ny Ankolagny, hihaonan’ny mpisehatra samihafa mihaona mivantana. Toy ny mpamokatra, amin’ny alalan’ny Rafitry ny tantsaha mifandray mivantana amin’ny Rafitry ny tsena, mitady lalam-barotra ho azy ireo, mba isorohana ny mpanelanelana sy ny mpanera.

Manan-karena i Sofia

Raha ny faritra Sofia, miavaka ny fananany velaran-tany midadasika ahafahana mamokatra, indrindra ny voamaina. Tohanan’ny Prosperer ny distrika efatra (Antsohihy, Port –Berger, Mandritsara, Befandriana Avaratra) ao anatin’ny fito. Anisan’ny tena vokatra any an-toerana ny tongolobe, ny lojy, ny katsaka, tsaramaso. Mampiavaka an’iny faritra iny koa ny tantely, izay tsy mbola tsy ahitana ny aretina varoazy. Eo koa ny asa tanana, indrindra ny vita amin’ny kofehin-javamaniry, toy ny rofia, ny satrana, ny taretra, sns. Manampy ireo ny voanjo ahodina ho menaka, ny voankazo ahodina anaty fitoerany. Efa misy ny mpandraharaha manangona ireo vokatra ireo, ary hoezahina hampitomboina amin’ity Ankolagny III hatao any Antsohihy bity.

Nilaza ny tale mpanatanteraky ny CCI Sofia, Beariniaina Harrivel, fa efa manomboka mahazo vahana ny lavanila any Befandriana Avaratra sy Mandritsara, satria mamaritra ny faritra Sofia amin’ny any Sava, ka mety tsara amin’ny lavanila ny toe-tany sy ny toetrandro. Efa an-dalana ny fandaminana hitantanan’ny faritra Sofia ity sehatra ity, satria mbola fehezin’ny any Sava hatramin’izao.

Njaka Andriantefiarinesy


Viewing all articles
Browse latest Browse all 70359

Trending Articles