
Raha anaty efitrano hatrany no nanaovana antsa tononkalo hatramin’izay, hiova izany satria ho eny ankalamanjana. Ny 15 aogositra izao, eny amin’ny Relax Garden Imerinkasinina, hanatanteraka izany ny fikambanana Tsanta (Tiako sy andrianiko ny teniko sy taniko). Hanana endrika fitsangantsanganana izy io fa anisan’ny tanjona tratrarina ny hivelaran’ny tontolon’ny kolontsaina malagasy satria « haheno sy hahita avokoa izay rehetra mandalo eo amin’io toerana io fa tsy ho voafetran’ny rindrina efatra tahaka ny fahita hatramin’izay », hoy i Aina Nirina, filohan’ny Tsanta. Ankoatra ny tononkalo, hisy fialamboly hafa toy ny hira, karaoke miampy lalao samihafa eny an-toerana. Ny 23 septambra izao, etsy amin’ny Cemdlac Analakely indray no hanatanteraka antsa lehibe ny Tsanta. Hifarimbona hanatanteraka izany ny poeta folo.
Marihina fa nitsangana tamin’ity taona 2015 ity ny fikambanana Tsanta. 30 eo ho eo ny mpikambana ao aminy. Tsy ny mpanoratra tononkalo ihany fa mpikambana ao aminy ihany koa ny mpikabary, mpihira, sns, ka vonona ny hanaja sy hanandratra ny teny malagasy. Raisina izay te hiditra satria « mifampianatra sy mifanakalo izahay ao anatiny », hoy hatrany ny filohany.
HaRy Razafindrakoto