
35 taona taorian’ny nitsanganany, hiatrika ny fiadiana ny ho tompondaka eran-tany ny kung-fu Wisa malagasy. Hisy koa ny fifaninanam-pirenena eo amin’ny “tao” sy ny “combat”.
Sambany eo amin’ny tantaran’ny kung-fu Wisa malagasy, ny nahazoany fanasana hanatrika ny fiadiana ny tompondaka eran-tany. Fihaonana hatao any Bengladesh, Inde, ny volana novambra ho avy izao. Ny kung-fu Wisa, izay efa mpikambana feno ao anatin’ny Internatioanal Kung-fu Federation.
Mandra-piandry izany, hankalaza ny faha-35 taona, nampidiran’ny grand maitre Pierre Mizael (Pierre Be) ny taranja kung-fu Wisa teto Madagasikara. Eo koa ny 30 taona nisian’ny famonoana ireo tanora mpanao kung-fu Wisa, voalaza fa mpanongam-panjakana, tamin’izany.
Ho fanamarihana ireo, hisy lanonana goavana, hatao ao amin’ny lapan’ny Fanatanjahantena, Mahamasina, ny asabotsy 8 sy ny alahady 9 aogositra ho avy izao. Hiara-dalana amin’io koa ny fiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara, eo amin’ny “tao” sy ny “combat”. Hisy fampirantiana ireo tahiry rehetra sy ny boky mirakitra ny tantaran’ny kung-fu Wisa, tao anatin’izay 35 taona izay ary amidy ka atao tsangambato fahatsiarovana.
Hisy zanaka “style”
Mpikatroka 5.000 no andrasana amin’ity. Eo ambany fiahian’ny minisitry ny Fanatanjahantena sy Rabetsaroana Sylvain, filoham-boninahitry ny kung-fu Wisa ny hetsika. Hisy fiovana goavana ny lafiny teknika satria hiforona, manomboka amin’ity taona ity, ireo zanaka “style” hafa noho ny traikefan’ireo maître tsirairay avy. Hotehirizina ao amin’ilay Temple de Pierre Mizael na oniversiten’ny kung-fu, haorina etsy Ambatomirahavavy, ny vakoka sy ny fototry ny kung-fu Wisa. Hiampy ireo fikarohan’ny mpampianatra manana “grade” ambony ny fampianarana, manomboka izao, izay tsy maintsy mandalo eo ambany fankatoavan’ny federasiona sy ny grand maître Ny Avoko.
Efa tafaverina eto an-tanindrazana ihany koa ny grand maitre Avoko, taorian’ny fivahiniany iray volana tany Frantsa. Nampianatra ireo fahalalana faratampony sy nanamafy ny fiaraha-miasa eo amin’ny federasiona malagasy kung-fu Wisa sy ny federasiona frantsay ny anton-diany tamin’izany.
Vicky (Mpianatra asa)