
Efa folo taona mahery izay no nisian’ny hetsika “4H Honda” eo amin’ny motocross eto amintsika. Hiditra amin’ny andiany manaraka ireo mpikarakara. Hisy mpanamory reonioney 12 hifaninana amin’ny Malagasy amin’ity indray mitoraka ity.
Hiova filamatra. Somary nasiam-panovàna ny “circuit” hifaninanana eo amin’ny hazakazaka motocross “4H Honda 2015”, amin’ity indray mitoraka ity. Hetsika karakarain’ny orinasa Madagascar Automobile (Madauto), ny 22 febroary izao eny Ambohimanga Rova.
Raha ny fanazavan’ireo mpikarakara nandritra ny fihaonana tamin’ny mpanao gazety, omaly teny amin’ny foiben-toeran’ny Madauto Andraharo, fifaninanana fitsapana ny tanjaka sy teknika ary fahaiza-manao, toy ny “Enduro”, ihany ny “4H Honda”. Araka izany, hisy mpanamory avy atsy La Réunion manodidina ny 12 eo ho eo hifampitady amin’ireo mpanamory malagasy. Ho tazana amin’izany ireo kalaza, tanora sy tompondakan’i La Réunion. Tsy diso anjara amin’izany koa anefa i Madagasikara izay manana mpanamory kalaza toa an-dry Ted Boyaval (Honda CRF 250R), sy ry Clauddio Tida (Kawasaki KXF 250), sns. Hifampitady tanteraka amintsika izany ireo mpanamory vahiny amin’ity indray mitoraka ity.
Fampandrosoana
Ankoatra izay, “circuit” vaovao, mirefy 8,5 km ny fihodinana iray (boucle), no hifaninanana amin’ity andiany ity. Nojerena manokana ihany koa ny mikasika ny teknika eo amin’ny lalana hifaninanana, izay manampahaizana manokana avy atsy La Réunion, Jean Sauger, no misahana izany.
Etsy andaniny, tsy anisan’ireo dingana mandrafitra ny fiadiana ny tompondakan’i Madagasikara eo amin’ny motocross kosa ity hetsika ity, saingy manokatra hatrany ny taom-pilalaovana.
Anisan’ny hetsika iray hitondran’ny orinasa Madauto fanampiana sy fampivoarana an’Ambohimanga kosa ny “4H Honda”. Efa nanamboatra ireo tetezana telo tamin’iny faritra iny izy ireo ary amin’ity indray mitoraka ity kosa, harotsaka any amin’ny kaominina Ambohimanga ny fanampiana ara-bola.
Miary Narindra
Cet article Motocross – 4H Honda 2015 : hifampitady ny mpanamory malagasy sy reonioney est apparu en premier sur NewsMada.