Quantcast
Channel: Newsmada
Viewing all articles
Browse latest Browse all 70299

Pétanque – Analamanga : tompondaka i Jim sy Tina ary Ratah

$
0
0
Pétanque

 Tontosa, ny faran’ny herinandro teo teny amin’ny boulodrome Ankatso, ny fiadiana ny tompondakan’Analamanga eo amin’ny tsipy kanetibe.

Voahosotra ho tompodaka tamin’izany teo amin’ny olon-telo miaraka lehilahy ry Jim sy Tina ary Ratah, avy amin’ny klioba CBT. Resin’ireto farany tamin’ny isa tery, 13 noho 11, ry Audet sy Tovo ary Solofo, avy amin’ny CIA, teo amin’ny famaranana. Niady tanteraka ary tao anatin’ny adim-pamantaranandro maromaro vao nifarana ny fihaonan’ny roa tonta tamin’izany.

Raha hiverenana, adin’ny samy CBT ny manasa-dalana. Nailiky ry Jim sy ny namany tamin’ny isa 13 noho 10, teo amin’ny lalao manasa-dalana ry Carlos sy Moïse ary David. Toraka izay koa anefa ny teo amin’ny manasa-dalana ankilany. Adin’ny samy CIA, izay lavon-dry Audet sy ny namany tamin’ny isa 13 noho 11 indray ry Lalaina sy Vony ary Jerôme.

Teo amin’ny sokajy vehivavy indray, lasan-dry Nathalie sy Judicaëlle ary Miarana avy amin’ny 3FB ny anaram-boninahitra rehefa nandresy an-dry Hary sy Fanja ary Mihary avy amin’ny CAP, tamin’ny isa 13 noho 5, izy ireo.

Ankoatra izay, hiroso amin’ny fiadiana ny “Coupe de Madagascar” kosa ny federasiona (FMP), ny faran’ny herinandro izao.

 Tompondaka

Cet article Pétanque – Analamanga : tompondaka i Jim sy Tina ary Ratah est apparu en premier sur NewsMada.


Viewing all articles
Browse latest Browse all 70299

Trending Articles