Tapaka na simba avokoa ny ankamaroan’ny lalana an-tanàn-dehibe sy ambanivohitra na amin’ireo lazaina lalam-pirenena. Fatiantoka tsy tambo isaina no vokatr’izany. Tsy vao izao akory fa isan-taona, indrindra amin’ny fotoam-pahavaratra toy izao. Tsy manam-bola amin’ny fanamboaran-dalana ny fanjakana malagasy. Tsy maintsy miandry fanampiana avy any ivelany. Misy ny fanomezana fa misy koa ny trosaina.
Na amin’ny maintany aza, maro ny lalan-dratsy manerana ny Nosy. Efa tsy vaovao intsony izany any amin’ny faritra maro, fototry ny fahantrana sy ny tsy fandriampahalemana. Efa nampita ny traikefany ry zareo Indianina amin’izay tokony ho teknika fanamboaran-dalana mba haharitra. Tokony hampiharina eto amintsika ny teknika toy izany, mihena ny fandaniana raha ampitahana amin’ny mahazatra hatramin’izay nefa tsy mateza.
Tsy amin’izao fotoam-pahavaratra izao ihany ny fotoana fijerena ny lalana rehetra. Ny hita mantsy, rehefa lasa ny orana, hadino indray ny lalana. Mitaky tetikasa lavitra ezaka ny fanamboaran-dalana fa tsy hanaovana fampielezan-kevitra politika fotsiny.
M.C
Cet article An-kitsim-po : mitaky tetikasa lavitra ezaka est apparu en premier sur NewsMada.