
Naneho fiaraha-miory amin’ireo mpiray tanindrazana nitondra takaitra vokatry ny fandalovan’ny rivodoza Chedza ireo olom-boafidy nahitana ireo depiote sy ben’ny Tanàna ao amin’ny faritra Alaotra Mangoro, Atsinanana ary Analanjirofo, ny faran’ny herinandro teo tao Toamasina.
Nialoha izany anefa, nosalorana samboady ireo depiote miisa 18 voafidy amin’ireo faritra telo ireo. Narahin’ireo ben’ny Tanàna miisa 23.
“Zava-dehibe ny andraikitra sy ny fisiany ary ny asa miandry izany solombavambahoaka sy ben’ny Tanàna izany ka mila finiavana sy fandavan-tena”, hoy ireo nifandimby nandaha-teny. Nitarika ny lanonana ny filohan’ny Antenimiera, Rakotomamonjy Jean-Max, notronin’ny minisitry ny Asa vaventy Ratsiraka Roland, ny minisitry ny Harena an-kibon’ny tany, Lalaharisaina Valérien, minisitry ny Rano, Ndahimananjara Johanita, ary ireo mpitondra any an-toerana.
Synèse R.
Cet article Takaitran’ny Chedza – Toamasina : naneho fiaraha-miory ny olom-boafidy est apparu en premier sur NewsMada.