Hitohy anio ny dinika eo amin’ny FFKM sy ireo delegasion’ny filoha dimy. Anisan’ny hodinihina amin’ity fihaonana etsy amin’ny lapan’ny Kolontsaina sy ny fanatanjahantena Mahamasina ity ny daty, ny toerana, ireo handray aanjara ary ny tetibola ho amin’ny fampihavanana atao any amin’ny faritra.
Hanomboka ny volana marsa ny fidinana ifotony ary hofaranana amin’ny fihaonana an-tampony handraisan’ny rehetra anjara eto Antananarivo.
Hanangana ny Federasion’ireo gadra politika ny Kly Coutiti, araka ny nambarany omaly. Nampahafantatra izany teo anivon’ny Filankevitry ny fampihavanana (FFM) tetsy Ampefiloha izy ireo ary naneho fahavononana ny hiara-kiasa amin’ity rafitry ny fampihavanana ity.
Anisan’ny tanjon’izy ireo ny hirosoana amin’ny fampihavanana.
Hanamarika ny fanombohan’ny fivoriana tsy ara-potoana anio etsy Tsimbazaza ny fandraisana ny depiote Randrianarisoa Vaonalaroy.
Tsiahivina fa minisitra nametra-pialana noho ny fandravana ny governemanta Kolo Roger ny tenany ary nangataka tamin’ny HCC ny hiverenany amin’ny maha olom-boafidy azy avy any amin’ny distrikan’i Brickaville.
Lasa nihazo ny any Frantsa ny faran’ny herinandro teo ny amiraly Ratsiraka. Voalaza fa hijery ny toe-pahasalamany toy ny mahazatra ny anton-diany any.
Nialoha izany, nihaona tamin’ireo sinoa eo anivon’ny fikambanana Sinoa-malagasy tetsy Soarano ny tenany ny herinandro teo.
Tsiahivina fa efa any Frantsa tamin’ny herinandro koa Rajoelina.
Cet article Fantina sy fintina est apparu en premier sur NewsMada.