![???????????????????????????????]()
Miovaova eo ny vaovao momba ny “Raharaha kidnapping” any Toamasina. Tsy mbola hita i Arnaud. Tsy niziriziry tamin’ilay 1.5 tapitrisa euros, ho tambin’ny famotsorana ilay zaza kosa ireo jiolahy, fa nidina ambany kokoa. Tsy mety handoa vola intsony anefa ny rain’ireo ankizy nalaina an-keriny.
Fantatra, omaly, fa nidina ho 300 tapitrisa Ar ny vola takin’ireo jiolahy ho takalon’i Arnaud, raha 1,5 tapitrisa euros izany teo aloha teo. Midika aloha izany fa tsy mbola novonoin’ireo jiolahy, araka izany, ilay tovolahy, na dia nisy aza ny fandrahonana nalefan’izy ireo ny faran’ny herinandro teo. Tsy mbola fantatra kosa anefa ny misy azy, satria tsy mbola nahazoam-baovao marim-pototra ireo olona nosamborina sy nohadihadiana, izay heverina fa tafiditra anatin’ity raharaha ity.
Raha ny omaly, nanaovana fanadihadiana lalina teny amin’ny zandary i Marcellin, ilay mpandraharaha avy any Antalaha, azo sambo-belona taorian’ny namohana ilay didy fampisamboarana azy sy ny namany efa-dahy. Hatramin’ny ora nanoratanay, tsy nisy nipika ny famotorana natao azy .
Efa tafakatra 17 ny isan’ny olona naiditra am-ponja amin’ity “Raharaha kidnapping” any Toamasina ity. Misy amin’ireo ny polisy miisa roa, mpandraharaha ny fonja, mpiraki-draharaha amin’ny fitsarana. Mpandraharaha sy olon-tsotra miisa 12, mpiasan’ny fadin-tseranana. Nisy ihany koa ny mpitsara nosamborina tany Madiotsifafana Ambatondrazaka saingy efa navosotra.
Fantatra ihany koa izao fa misy dokotera hosamborina, izay fantatra fa nitsabo azy mianadahy nandritra ny fitazonana azy. Misy ihany koa ny sefom-pokontany maromaro izay hanaovana fanadihadiana.
Ny alahady lasa teo ny nisy fisamborana farany, raha ny vaovao avy any an-toerana. Toy izany koa ny famoahana ny lisitr’ireo “wanted”, izay namoahana anarana sy sary naparitaka ihany koa. Efa miparitaka isaky ny biraon’ny mpitandro filaminana, tamin’ny alalan’ny haino aman-jery hatrany anatin’ny tambajotra ara-tsosialy, ny sarin’ireo heverina fa jiolahy raindahiny amin’ity fakana an-keriny ity. Misy amin’ireo karohina ireo no voalaza fa gadra mandra-pahafaty eny Tsiafahy. Misy amin’ireo ihany koa ny monina ao Toamasina ihany, ary efa malaza ho olon-dratsy fa izao vao voakitika ny momba azy.
Mihorohoro ny mpandraharaha
Andanin’izany anefa, fantatra izao fa mihorohoro ny mpandraharaha sasany ao Toamasina ao, raha ny vaovao avy any an-toerana, noho ny fisian’ny tompon’andraikitra mitady vola amin’izy ireo. “Mitaky vola 4 tapitrisa Ar ka hatramin’ny 10 tapitrisa Ar ireo olona ireo, raha tsy izany, ampidiriny ao anatin’ny lisitra hosamborina izahay”, hoy ny fitarainan’ireo mpandraharaha. Voalaza fa mahatratra 60 ny lisitr’ireo mpandraharaha ao Toamasina misy mihevitra ny haka vola.
Tsy nanamarina io vaovao io ny eo anivon’ny mpanao famotorana. Izay heverina fa tafiditra amin’ny raharaha fakana an-keriny ihany no samborina na hanaovana fanadihadiana fa tsy ny mpandraharaha rehetra akory. “Tsaho iniana aely na fampihorohoroana fotsiny ihany izany”, raha ny fanazavana.
Toy izany koa ny filazana fa tsy mitovy fomba fijery ny mpitandro filaminana manao ny famotorana momba ity fakana an-keriny ao Toamasina ity. Marihina anefa fa efa nakamban’ny lehiben’ny mpampanoa lalàna anaty “cellule d’enquête” ireo mpitandro filaminana manao ny fanadihadiana rehetra momba azy ity. “Tsy mitombina koa izany filazana izany satria sampana iray no manao ny fanadihadiana ary mibaiko azy ny lehiben’ny mpampanoa lalàna”, hoy ny fanamafisana.
Efa raharaham-pirenena, ary tambajotra goavana ity mpanao kidnapping ity, mahatafiditra olona maro. Lisitra finday sy anaran’olona maro, tratra mifampiresaka momba azy ity. Anisan’izany ny fisian’ny mpanolotsaina olona ambony ao aminy fitondrana. Andrasana ny fivoaran’ny toe-draharaha. Milaza ny tsy handoa vola amin’ireo jiolahy ny rain’i Annie sy Arnaud. Ny zanany vavy rahateo, efa novonoin’ireo jiolahy. Manambara ny tsy hamela izao raharaha izao ho vitavita foana izy.
Yves S.
Cet article Raharaha kidnapping Toamasina : nidina 300 tapitrisa Ar ny vola takin’ireo jiolahy est apparu en premier sur NewsMada.