Quantcast
Channel: Newsmada
Viewing all 70844 articles
Browse latest View live
↧

Mangarivotra Toamasina : notapahan’ny jiolahy ny tendan’ilay raim-pianakaviana

$
0
0
DIGITAL CAMERA

Nampihoron-koditra! Izay no azo ilazana ny zava-nanjo ny raim-pianakaviana iray niharan’ny fanafihan-jiolahy tao amin’ny fokontany Mangarivotra avaratra Toamasina, afakomaly alina. Notapahan’ireo jiolahy ny tendany rehefa avy nendahina izy. Voalazan’ny loharanom-baovao avy any an-toerana fa mpanamboatra zavamaneno sy fahitalavitra simba no asan’ity raim-pianakaviana ity. Hamonjy fodiana izy tamin’io fotoana io, kanjo niharan’ny fanafihan-jiolahy niharo vonoan’olona teo akaikin’ny fivarotan-tsolika iray.

Voalaza fa toy ireny mamono akoho ireny no nanaovan’ireo olon-dratsy azy. Lasan’ireo jiolahy ny vola tao anaty poketrany. Misy volan’olona hividianana kojakoja hanamboarana fahitalavitra amin’ireo vola nalain’ny jiolahy ireo. Lasa nitsoaka avy hatrany ireo nahavanon-doza rehefa nahazo izay nilainy tany amin’ilay niharam-boina.

Tsy mandry fahalemana intsony ny tanànan’i Toamasina tato ho ato na eo aza ny ezaka ataon’ny mpitandro filaminana amin’ny fampandriana fahalemana ny tanàna. Fotoan’ny fialan-tsasatra rahateo izao, hany ka mirongatra izaitsizy ny tsy fandriampahalemana. Manginy fotsiny ny fampihorohoroana amin’ny vely “bois rond” izay efa mahazo vahana ao Toamasina. Manahy, araka izany, ny mpandraharaha momba ny fizahantany fa hisy fiantraikany eo amin’ny lafiny fizahantany ity resaka tsy fandriampahalemana miselolany ao Toamasina ity. Fotoana izao, tokony handraisan’ny tompon’andraikitra sy hametrahana paikady maharitra momba ity tsy fandriampahalemana ity.

J.C sy Sajo

↧

Tselatra

$
0
0

Kamiao iray tapaka « freins » teny Besarety omaly, mialoha kely ny lalana mivily makany Betongolo iny, omaly hariva. Soa ihany fa tsy nisy fitohanana fiara teny ary nalalaka ny lalana. Nitsambikina avy eny ambony fiara ny mpanampy ny mpamily nanisy “kaly” hazo ilay fiara ka tafajanona ihany izy io. Raha nisy kely namantana tany an-tranon’olona ilay kamiaobe.

Tao anaty Cyber indray ity tovolahy iray no nangalatra ordinatera tany Toliara, omaly. Niditra toy ny mpanjifa ireny ny tovolahy ary nipetraka nanao zavatra. Rehefa variana ny rehetra, nobatainy ny ordinatera fentin-tanana ary lasa izy nivoaka moramora. Raha vao tafavoaka, nitsoaka avy hatrany. Nenjehin’ny olona saingy tafiditra anaty elakela-trano ka tsy tratra intsony. Mateti-pitranga koa ny halatra anaty Cyber. Ny tany Toamasina, ny kojakoja anaty ordinatera fampiasa anaty Cyber mihitsy no misy maka.

↧
↧

Ambatondrazaka : hifanatona ny HVM sy Tim na HVM sy ny Mapar

$
0
0

« HVM sy Tim sa HVM sy Mapar no hifanatona? Eo amin’ny politika tsy fahita ny fady. Mety hisy, araka izany, ny fifanatonan’ny antoko roa mpifandolo hatramin’izay: satria iombonana, angamba, ny antoko mila hatrehina? Rehefa henoina ireo voka-pifidianana vonjimaika, tsy mifanalavitra amin’izay miseho taty amin’ny distrikan’Ambatondrazaka, ireo voka-pidianana« , hoy ny mpanara-baovao iray, mpikambana tao amin’ny Arema.

 Ao amin’io distrika io, kaominina iraika ambin’ny folo no be vato indrindra ny HVM, valo ny  an’ny Tim ary iray ny an’ny Mapar. Misy zava-misy tsy taratra ao anatin’ireo vokatra ireo. Mila jerena akaiky kokoa ny tena zava-misy. Iray no lany ny kandidà mpomba an-dRajoelina, saingy kaominina 13 amin’ny 22 ato amin’ny distrikan’Ambatondrazaka, nahitana lisitra Mapar avokoa. Ny Tim moa dia nanana mpirotsa-kofidina tany amin’ny kaominina 19 izy ireo, ary nahafeno ny kaominina rehetra ny HVM.

Araka ny fahitan’ity ray aman-dreny tia politika ity,  saika mitovitovy amin’io endri-javatra ao amin’ny distrikan’Ambatondrazaka io ny fifandanjan-kery asehon’ny voka-pifidianana ankapobeny manerana ny Nosy sy ny  tsy azo anaovana tsinontsinona ireo antoko lehibe any amin’ny kaominina any.

Noho izany, araka ny fijeriny, na tsy lany aza ny kandidà te ho ben’ny Tanàna tao amin’ny lisitra iray, hisy ho tafiditra ao amin’ny Filankevitra kaominaly ireo tsy nahatafiditra ben’ny Tanàna: tsy afa-kanao ampihimamba, eo amin’ny fitantanana ny kaominina ny antoko nahatafiditra  mpanatanteraka.

Mety hitranga ny fifanatonana: ny HVM, zaza navelan-dRajoelina. Hita alaim-panahy hitondra ny raharaha irery ny HVM: samy tsy hanaiky izany na ny Mapar na ny Tim, ka angamba manan-danja, eo amin’ny fitondrana ireo fifidianana mbola hotontosaina, mila ireo olom-boafidin’ny kaominina ireto, araka ny fanazavany.

Rarivo

↧

Raharaham-pifidianana : ahina hivadika korontana faobe ny hosoka sy hala-bato

$
0
0

Ratsy karakara ny fifidianana, indrindra ny lisitry ny mpifidy. Na tsara omana mialoha ny hosoka sy hala-bato, mampikaikaika ny maro: kandidà, mpifidy. Sarotra inoana, ohatra, hoe fahadisoana tsy nahy ny anarana latsaka, raha mahahenika an’i Madagasikara izany. Tsy trangan-javatra amina toerana iray sy mitokana koa ny hosoka sy hala-bato, fa amin’ny fari-pifidianana maro.

Miakatra ny voka-pifidianana. Miakatra koa ny porofo ny amin’ny fisian’ny hosoka sy hala-bato, indrindra ny fitarainana, hatezerana
 Ahina hivadika korontana faobe ny raharaha. Hanao hetsika, ohatra, ny Mapar sy ny Tambatra any Fianarantsoa, rahampitso. Milaza ho manana porofo amin’ny fisian’ny hala-bato ny Mapar.

Hidina an-dalambe ny mpanohana ny kandidà Saina Michel, rehefa tsy izy no ben’ny Tanàna ao Fenoarivo Atsinanana, faritra Analanjirofo. Nahatrarana fitaomana mpianatry ny oniversiten’i Toamasina hifidy kandidà iray tany an-toerana tany. Nahitana biletà efa voamarika mialoha ny vata fandatsaham-bato tany Mahajanga II.

Hanao hetsika an-dalambe ny mpifidy, na mangina


 Maro ireo fari-pifidianana nitrangan’ny hosoka sy hala-bato: Bongolava, Itasy, Sakaraha, Ilakaka, Arivonimamo
 Samy mampiaka-peo amin’izany na ny mpifidy na ny kandidà, ao ny milaza fa manana porofo mazava. Efa misy ny nametraka fitoriana na mbola hanao izany eny amin’ny Fitsarana ny ady amin’ny fanjakana.

Eo koa ny manentana sy mitaona ny olona hidina an-dalambe toy ny any Fianarantsoa, Fenoarivo Atsinanana
 Ao ny mangina, marisarisa hiara-miasa amin’ny ben’ny Tanàna sy mpanolotsain’ny Tanàna voafidy tamin’ny hosoka sy hala-bato. Manginy fotsiny ny taham-pahavitrihan’ny mpifidy ambany.

Ahina hivadika ho korontana faobe izay hetsika an-dalambe sy tsy fifampitokisana izay. Hatraiza ny fahatokisana fitsarana, na hanao fitoriana na tsia? Raha misy fari-pifidianana iray mahavita manao hetsika an-dalambe, mety hanaraka ho azy ny hafa
 Ho zava-doza, raha tsy voafehin’ny mpitondra
 efa tsy atokisana.

Ho hita amin’izany raha tena to teny sy atokisan’ny maro anisa tokoa ny mpitondra sy ny antokony hoe matanjaka indrindra?

R.Nd

↧

Olan’ny fifidianana : ny 10 aogositra ny farafandraisana fitoriana  

$
0
0

Folo andro aorian’ny fifidianana ny farafandraisana ny fametrahana famakiana ady na fitoriana eny anivon’ny Fitsarana ny ady amin’ny fanjakana momba ny raharaham-pifidianana.

Telo andro aorian’ny fampahafantarana ny didy fampiakarana ny raharaha ny fe-potoana hametrahana ny fangatahana fandravana didy amin’ny mpifaninana nalana an-daharana. Mivoaka fito andro aorian’ny fametrahana ny fangatahana fandravana didy ny didin’ny Filankevi-panjakana amin’izany.

Telo volana aorian’ny fanambarana ny voka-pifidianana ofisialy ny fe-potoana hamoahana ny didy momba ny famakiana ady rehetra eo amin’ny sehatry ny fifidianana.

    Anisan’ny antony ahazoana manala an-daharana mpifaninana iray, ohatra, ny fampiasany ny fahefam-panjakana eo an-tanany. Amin’izany, izy mirotsa-kofidina ihany no mampiasa ny fahefam-panjakana hampandaniana azy vao mitombina ny fangatahana fanalana an-daharana azy. Raha mampiasa ny fahefam-panjakana hampandaniana azy ny olon-kafa, azo angatahina amin’izany ny fanafoanana voka-pifidianana.

Atao dika mitovy ny fangatahana fanalana an-daharana amin’izany, samy soniavina. Ampiarahina amin’ny taratasy fangatahana ny taratasy fijoroana vavolombelona soniavina olona telo nanatri-maso, ny dikana kara-pifidianana voamarina, ny anaran’ilay mpifaninana tamin’ny fandikan-dalàna.

Ilaina ny manao fitarainana, ho an’ireo afa-manao sy tokony hanao izany.  Anisan’izany ny mpifidy voasoratra anarana ara-dalàna ary nandatsa-bato, ny mpifaninana, ny mpanara-maso.

Nangonin’i R. Nd.  

↧
↧

Fanaratsiana tompona gazety : familiviliana ny saim-bahoaka amin’ny ratsy ataon’ny fitondrana

$
0
0
Bekasy 4

Mahazo vahana any anaty tranonkalam-pifandraisana ny fanaratsiana sy fanenjehana ny mpandraharaha eo amin’ny tontolon’ny asa fanaovan-gazety. Nipoitra ihany anefa ny marina !

Natao hanarontsaronana sy hanafenana ny raharaha maloto sady maizina ataon’ireo mpanao trafikan’andramena ary koa ny hosoka sy hala-bato sy ny tsy fahatomomban’ny fifidianana ireo fanenjehana mpandraharaha sy tompona gazety, any amin’ny tambajotran-tserasera any.

Mipoitra sy mazava ihany anefa ny resaka satria navotsotry ny fitsarana misahana ny ady amin’ny kolikoly ilay atidoha sady trondro lehibe amin’ny fanondranana an-tsokosoko ny andramena any avaratry ny Nosy any, i Bekasy.

Tena nanao ny asany ny Bianco, saingy niditra an-tsehatra ny fitondrana sy ny fitsarana aty Antananarivo, nanelanelana rehefa teny amin’ny fitsarana ka izao nafahana izao ity olobe, mpamatsy vola ny antoko HVM, ity.

Mpanao trafikan’andramena sady mpanolotsain’ny tanàna

Tsy azo hadinoina rahateo fa anisan’ny kandidàn’ny antokon’ny fitondrana, any Sambava, ity Bekasy mpanao trafikan’andramena ity ary anisan’ireo voafidy ho mpanolotsain’ny Tanàna. Fianakavian’ilay depiote sady mpandraharaha malaza any an-toerana, akaiky ny fitondrana koa.

Tsy vitan’izany fa mifandray tendro amin’ireo mpitondra ambony na olon-dRajaonarimampianina izy ireo eo amin’ny resaka fanondranana an-tsokosoko ny andramena.

Araka izany, mifanohitra amin’ny ambaran’ny mpitondra ny ataony. Hamaky ady amin’ny kolikoly nefa anisan’ny lohalaharana amin’izany izy ireo.

Randria

↧

JIRAMA : la mise en concession privée de Mandroseza, décriée

$
0
0
DSC_0045

La situation n’est pas prĂšs d’ĂȘtre aplanie au sein de la Jirama. La discorde persiste entre l’administration et l’intersyndicale de cette sociĂ©tĂ© d’Etat. Au cƓur du dĂ©bat, la mise en concession privĂ©e de la gestion de la centrale thermique de Mandroseza et de la centrale hydroĂ©lectrique de Volobe. La mise en concession privĂ©e de ces deux centrales fait l’objet de discorde entre les deux parties prenantes depuis le mois de mai dernier. Alors que le ministĂšre de l’Energie et des hydrocarbures a lancĂ© un appel Ă  manifestation d’intĂ©rĂȘt (AMI) portant sur le transfert de gestion privĂ©e des centrales de Mandroseza et de Volobe Toamasina au mois d’avril dernier, les employĂ©s de la Jirama ont dĂ©noncĂ© cette dĂ©cision, la mĂ©sentente entre les deux parties a abouti Ă  une menace de grĂšve des employĂ©s. Seulement, le ministĂšre de l’Energie et des hydrocarbures a annoncĂ© qu’une autre alternative a Ă©tĂ© trouvĂ©e pour le redressement de ces infrastructures, Ă  savoir la rĂ©vision des quatre groupes de la centrale de Mandroseza Ă  travers l’achat de piĂšces de maintenance auprĂšs du constructeur Wartsila, et la sĂ©curisation de la maintenance des centrales Ă  travers la formation du personnel. Gatien Horace, ministre de l’Energie et des hydrocarbures a annoncĂ© une promesse de financement Ă  hauteur de 11 millions d’euros au mois de mai dernier pour la rĂ©paration des groupes de Mandroseza, afin  que cette centrale thermique soit rĂ©tablie avant la pĂ©riode d’étiage pour prĂ©venir les dĂ©lestages. Seulement la mise en concession privĂ©e semble ĂȘtre la seule dĂ©cision prise par l’Etat pour le redressement de ces infrastructures.

Une grĂšve en vue
Le 29 juillet dernier, l’Etat a signĂ© un contrat avec l’entreprise amĂ©ricaine Symbion Power pour la mise en concession de la centrale de Mandroseza pour une durĂ©e de vingt ans. Les syndicats de la Jirama se sont dĂ©jĂ  opposĂ© Ă  cette dĂ©cision quelques jours avant la signature de contrat, seulement l’Etat a campĂ© sur sa position. La tension monte de ce fait d’un cran au niveau de la Jirama. Les employĂ©s de la sociĂ©tĂ© d’Etat sur tout le territoire national ont procĂ©dĂ© Ă  un arrĂȘt de travail, le 3 aoĂ»t dernier. Les employĂ©s de la sociĂ©tĂ© Ă  Antananarivo ont manifestĂ© en organisant un sit-in Ă  la Jirama de Sonierana pour contrer la signature du contrat de concession avec l’entreprise amĂ©ricaine Symbion Power. Ces derniers attendent actuellement la rĂ©action de l’Etat. Une grĂšve gĂ©nĂ©rale des
employĂ©s de la Jirama est Ă  craindre dans la mesure oĂč aucune rĂ©action n’est enregistrĂ©e de la part des hauts responsables de cette sociĂ©tĂ©, ont indiquĂ© les employĂ©s, lundi dernier Ă  Sonierana.

DSC_0010Retour en force du délestage
A Antananarivo, un retour en force du dĂ©lestage est constatĂ© par les habitants. Tous les quartiers de la ville sont touchĂ©s par les coupures intempestives d’électricitĂ© ces trois derniĂšres semaines. La coupure de courant Ă  Antananarivo peut durer de quelques minutes minutes Ă  plus de 20 heures, dĂ©plorent les Tananariviens. Dans les zones les plus reculĂ©es et les autres rĂ©gions du pays, le dĂ©lestage fait dĂ©jĂ  partie du lot quotidien des abonnĂ©s de la Jirama, ils ont dĂ©jĂ  organisĂ© leurs activitĂ©s en fonction de la situation. En effet, le niveau de  capacitĂ© de production de la centrale de Mandroseza n’a pas Ă©tĂ© atteint, au mois de juillet, comme il a Ă©tĂ© prĂ©vu auprĂšs du ministĂšre de l’Energie et des hydrocarbures. La pĂ©riode d’étiage commence au mois de juillet oĂč le niveau de l’eau descend considĂ©rablement. « Jusqu’ici, la centrale d’Andekaleka n’est pas encore touchĂ©e par cette insuffisance d’eau, de mĂȘme que la centrale de Mandraka, alors que la centrale hydroĂ©lectrique de Sahanivotry ne produit plus que le tiers de sa capacitĂ© actuellement. Si cette centrale produit normalement 15 MW, cette production est descendu Ă  4.5 Mw actuellement », a expliquĂ© Hery Bruno Nomenjanahary, directeur gĂ©nĂ©ral adjoint en charge de l’électricitĂ© auprĂšs de la sociĂ©tĂ© Jirama. La production d’électricitĂ© au niveau de la centrale thermique de Mandroseza  devrait combler cette dĂ©faillance, seulement cette centrale ne produit que 5 Mw d’électricitĂ© actuellement, vu que les travaux de rĂ©paration des groupes n’ont pas Ă©tĂ© effectuĂ©s Ă  temps. En effet, la capacitĂ© de production de  la centrale de Mandroseza devrait atteindre 40 Mw si tous les groupes Ă©taient rĂ©parĂ©s.

Une situation qui peut encore durer
Avec la mise en concession privĂ©e de cette centrale, les employĂ©s de la Jirama estiment que la remise Ă  marche de Mandroseza attendra encore entre six Ă  neuf mois, les problĂšmes de dĂ©lestage dans la capitale ne seront donc pas rĂ©solus d’ici peu. Selon les explications de Nest Flavien Andrianekena, un membre de l’intersyndicale de la Jirama, « seul le constructeur de groupe WartsilĂ€ peut fournir les piĂšces pour la remise en marche de la centrale thermique de Mandroseza. Or, la sociĂ©tĂ© qui a repris la centrale n’a pas encore signĂ© un contrat d’achat avec ce constructeur de groupes ». Les employĂ©s de la Jirama rĂ©clament une nouvelle fois la rĂ©paration de tous les groupes dĂ©faillants dans toute l’üle pour rĂ©gler les problĂšmes techniques de la Jirama. Ils sont au nombre de 196 actuellement. Les syndicats de la Jirama rĂ©clament Ă©galement la rĂ©vision de tous les contrats signĂ©s avec les entreprises privĂ©es avant d’entamer un nouvel accord. L’intersyndicale de cette sociĂ©tĂ© d’Etat estime actuellement que la Jirama est dĂ©jĂ  privatisĂ©e Ă  80%.

↧

Haody : teny malagasy, tsy hain’ny Malagasy !

$
0
0

Fa angaha moa ry zareo Frantsay ihany koa mahafehy ny teny frantsay ? Tsy izany no tokony hijerena io tranga io. Mila ahitsy ny fomba fampitahana mahazatra antsika tahaka izany. Mandritra ny 12 taona, mianatra ny fitsipi-pitenenana sy fanoratana any an-tsekoly ny teny malagasy ny zaza malagasy, ka nahoana no mbola tsy mahay izany ihany rehefa tonga eny amin’ny oniversite ?

Tsara raha mitady vahaolana isika fa tsy lany andro hanao fampitahana amin’ny an’ny hafa foana. Avy mampitaha dia maka tahaka
 Toy izany hatrany. Toe-tsaina tsy ahafahana mandroso. Tsy mahatsiaro ho tompony fa mpindrana lalandava !

HaRy Razafindrakoto

↧

Kanto Sombiniaina : «  Olana ny teny malagasy ! »

$
0
0
KANTO

Raoliarimalala Audonie Manantenasoa, fantatra amin’ny anarana Kanto Sombiniaina eo amin’ny tontolon’ny soratra. Tanora sy ny asa soratra, « maro ny manana talenta fa ny fampiasana ny teny malagasy mihitsy no olana », hoy i Kanto Sombiniaina. Atahorana ho voarakitra ireny fahadisoana ireny, raha ny fanazavany. « Mila manatona olona mahay, nianatra ary nandalina ny teny malagasy ny mpanoratra ankehitriny vao tokony hamoaka ny asa sorany. Tokony handalo fanitsiana ny asa soratra iray», hoy izy.

Ho an’i Kanto Sombiniaina, olana faharoa mianjady amin’ny asa soratra ankehitriny ny fandaharam-pianarana. Tsy ampy ny fampirisihana amin’ny famakiana boky sy fanajana ny teny malagasy any an-tsekoly. Be loatra ihany koa ireo karazana serasera manimba ny fitsipika sy ny fiteny malagasy. Anisan’ireny ny dokambarotra, ny soratra maro sosona (sms), sns. « Tsy midika akory izany fa tsy tokony hampiasa ireny isika. Azo atao tsara ny mampiasa ny « fandrosoana » fa tsy hoenti-manimba ny maha isika antsika izany », hoy i Kanto Sombiniaina.

Tanora a!

Mifampitaona ho aiza ry mpiakamakama a!

Ento mora ihany ho’aho ny fahatanorana e!
Ny nofo anie malemy e! Ny tany koa malama
Sao lahy avo loatra ny taham-pilibana e!

Nahazo laka loatra koa ny fanatontoloana
Nanova ny fisainana, fitafy sy fiteny
Dia teo Rasoatoavina f’ezahina vonoina
Fa hono tsy mivoatra raha tsy maharaka an’ireny e!

Ty Madagasikara ity k’ianao anie no hoaviny e!
Raha ianao hiova lasy, aiza no hiafarany?
Raha toa ianao tsy hanoritra ny lalan-tsoa hodiaviny
Ho avo telo heny noho izao ny fahantrany.

Kanto Sombiniaina

↧
↧

Andriamasimaherison Michel (Neneh) : nahaforona hira maherin’ny 20.000 tao anatin’ny 45 taona

$
0
0
NENEH

Na tsy tazana loatra aza, goavana ny asa vitany. Ivangongoana talenta maro. Manana traikefa matanjaka eo amin’ny tontolon’ny hira sy mozika. Nampianatra sy nanabe olona maro tamin’ny zavakanto. Andriamasimaherison Michel fantatra amin’ny solonanarana Neneh. Hanamarika ny faha-45 taona namoronana hira. Dinika nifanaovana taminy


Gazety Taratra (*) : Inona avy ireo talenta anananao eo amin’ny tontolon’ny zavakanto ?

Andriamasimaherison Michel (Neneh) (-) : Mamoron-kira (tsotra, ara-pilazantsara). Mahatratra 14 ny zavamaneno haiko tendrena. Anisan’izany ny vata maroafitsoka, gitara, amponga maroanaka, lokanga, saksofona, valiha sy marovany, gîdra
 Ny gitara ihany no zavamaneno nianarako tamin’ireo satria io no nokitihako voalohany. Ny ankoatra izay, vao raisin’ny tanako, haiko avy hatrany. Manao hosodoko amin’ny rindrina, tabilao
 Ankoatra ireo, mamorona tantara toy ny teatra sady mpilalao no mpandrindra an-tsehatra ihany koa.

* Raha ny tontolon’ny hira, firy ny efa noforoninao ? Tao anatin’ny firy taona no nanaovana izany ?

– Maherin’ny 20.000 ny hira noforoniko tao anatin’ny 45 taona. Efa voadikako solfezy sy solfa izy ireo. Tsy mifidy gadona aho fa na izany aza, bagasy no tena manavanana ahy. Mahafinaritra sy mahafa-po ahy ny fitantanan’Andriamanitra satria 10 minitra, mahavita hira iray aho raha efa misy ny tonony. Tsy mila zavamaneno ny fanaovako izany.

Raha misy hira tokony hivoaka ao an-tsaiko ka tsy tafavoaka izany, marary ny lohako. Tafavoaka iny, afaka ny aretin’andoha. Anisan’ny hira noforoniko tany amin’ny taona 1968 ny « Afaka ny gadrako ». Taty aoriana, « Ndeha mba hiaraka aminay », sns.

* Talenta goavana be eo amin’ny tontolon’ny hira ireo, nahoana ianao no tsy namorona tarika ?

– Tsy nieritreritra hanangana tarika aho fa namolavola sy afaka mamolavola olona te hamorona tarika. Manohana azy ireny amin’ny famoronana hira, fampianarana mihira, fandrindrana, sns, aho. Maro ireo antoko mpihira efa nanaovako izany. Tsy teto an-drenivohitra ihany  fa tany ivelan’Antananarivo ihany koa.

Nahitako zavatra mampalahelo ihany io fiaraha-miasa io satria misy maka hira any amiko. Havoakany anaty rakikira izany, saingy ovany amin’ny anarany ilay hira na tsy soratany any amin’ny Omda ny anarako. Ao aza ireo sahy manova ny hira amin’izay itiavany azy. Ohatra, ny hiran’olon-tokana ovainy ho rodobe. Mampalahelo !

* Na marobe tahaka izany aza ny talentanao, somary takona eo anivon’ny hira sy ny fiarahamonina ihany ianao, noho ny antony inona ?

– Marina mihitsy io fanamarihanao io. Nampisy olana teo amin’ny tokantranoko mihitsy aza io tranga io. Hatrany am-boalohany, tsy nieritreritra ny hivelona amin’io talenta io aho, hany ka izay omen’ny olona dia noraisiko. Toa niasa maina aho. « Eritreretin’ny olona fa maivana sy tsisy dikany ny zavatra ataonao », hoy ny vadiko.

Anisan’ny antony  hafa nahatonga izay fahatakonana izay ny tsy fananako zavamaneno eo am-pelatanana. Eo koa ny fandaniana. Vao miditra « studio », mila vola.

STUDIO* Inona ny dingana hirosoanao manaraka manoloana ireo fivangongoana talenta eo aminao ireo manomboka izao ?

– Ny olona mihitsy no nampirisika ahy ny amin’ny tokony hisian’ny vokatry ny talentako mba hiverina aty amiko. Heveriko fa rariny izany. Raha ny sehatry ny hira ara-pilazantsara no nironako bebe kokoa tato ho ato, hovelariko amin’ny hira rehetra izany. Anisan’izany ny kalon’ny fahiny, famoronana feon-kira fotsiny, sns. Velariko tahaka izay araka izay azo atao ihany koa ny fiaraha-miasa amin’ny olon-drehetra (fikambanana, tarika, sekoly, fiangonana, mpihira mandeha tokana, orinasa, sns).

Mino aho fa hanampy betsaka ahy amin’ny fahatongavana amin’ny tanjona tsy maintsy tratrariko ireo dingana ireo. Mila manangana « studio » fandraisam-peo aho.

* Raha io traikefa lavabe anananao io, inona no azo lazaina momba ny hira malagasy ankehitriny ?

– Amin’ny ankapobeny, tsy misy ventin-kevitra ny hira malagasy sasany ankehitriny. Malagasy tsy mahay teny malagasy fa mifangaroharo be ihany. Rehefa mihetsiketsika fotsiny, dia izay. Tonon-kira, tefitefena na atao tefy maika. Na izany aza, misy ireo miezaka ny hanatsara ny efa nataony hatramin’izay.

Nanangona : HaRy Razafindrakoto

↧

Ao anatin’ny « Lalaon’ny Nosy » : hihazo an’i La RĂ©union ry StĂ©phanie

$
0
0
STEPHANIE

« Mampalahelo ny zavatra natao ny sainam-pirenentsika nandritra ny « Lalaon’ny Nosy ». Tsy hataontsika hahakivy izany fa isika tsy maintsy miezaka foana. Aza matahotra ianareo fa ho avy any izahay tarika StĂ©phanie hanandratra ny maha Malagasy ». Io no nambaran’i StĂ©phanie, ao amin’ny pejiny « Facebook », manoloana indrindra ilay zava-nitranga mahoraka be tany amin’ny  « Lalaon’ ny Nosy » any La RĂ©union. Fantatra koa anefa fa efa ao anaty fandaharam-potoan’ny tarika ny ho avy hanao fampisehoana sy hiara-hifety amin’ireo Malagasy monina na mandalo any La RĂ©union mandritra ny lalao.

Hisy, araka izany, ny seho an-tsehatra izay hotontosain’i StĂ©phanie rahampitso 8 aogositra, any Saint AndrĂ©. « Ny tarika iray manontolo no niara-nanainga anio », hoy ny vaovao nampitain’ny mpikarakara ny tarika. Fety natao ho an’ireo mpiray tanindrazana any an-toerana aloha, kanefa tsy manakana velively ireo tompon-tany na ireo vahiny izay mandalo any La RĂ©union amin’izao fotoana izao izany, raha ny fampitam-baovao ihany. Vahiny hiaka-tsehatra amin’io koa ry Maryah sy Ashnel Riaz, mpanakanto any an-toerana.
« Vantany vao tafaverina izahay dia hizara ny hira vaovao. Handeha amin’ny onjam-peo sy ny fahitalavitra io, satria havoaka rakitsary ihany koa », hoy hatrany ny fanazavana nomen’ny mpikarakara ny tarika. Efa manome fotoana sahady ireo mpankafy eto Antananarivo i StĂ©phanie. Hanafana ny alin’ny 21 aogositra ny tarika iray manontolo, ao amin’ny Le Glacier Analakely, ho fanamarihana ny vita bacc.

Zo ny Aina

↧

Taratry ny kanto

$
0
0
VAHOMBEY

Vahömbey, etsy amin’ny Trass Tsiadana
Vao tsy ela akory no niaka-tsehatra tetsy amin’ny Trass Tsiadana ry Vahömbey. Tsy ampy azy ireo sy ny mpankafy anefa izany, ka hisy indray ny famerenana ny fiarahana, anio, manomboka amin’ny 9 ora alina. « RevĂŽlisiona Vazimba » an-tsehatra, araka ny iantsoany azy ny hetsika, iarahany amin-dry Sesely & Co sy i SĂŽrameva. Hira 30 no indray halahatra mandritra izany.
VAHOMBEY

Mika sy Davis, ao amin’ny Piment CafĂ©
Elaela tsy tazana an-tsehatra teto Antananarivo intsony ry Mika sy Davis. Hiverina etsy amin’ny Piment CafĂ© Behoririka kosa indray izy mirahalahy sy ny mpitendriny, anio alina. Mazava loatra fa hibahana amin’ny fiarahana ny famerenana ireo hira nankafizin’ny maro ity fampiaraham-peo sy talentan’i Mika sy Davis ity. Na izany aza, fotoana fizarana ny hira vaovao ihany koa izao, indrindra raha misy ny fandaharam-potoana lehibe kokoa, aoriana key ao.
MIKA
« Malaso », etsy amin’ny CCEsca
Mitohy hatrany ny fandefasana ilay sarimihetsika « Malaso », ho an’ny besinimaro. Mbola haverina halefa etsy amin’ny CCEsca Antanimena indray izany ny asabotsy sy ny alahady izao. Tsiahivina fa anisan’ireo sarimihetsika lava nandaniana volabe, sy manana kalitao tsara, kanefa tena miresaka ny zava-mitranga eto Madagasikara izy ity. Mbola hisesy ny fandefasana azy anaty efitrano, mialoha ny hamoahana ny DVD.

MALASO

Nangonin’i Zo ny Aina

↧

Hetsika vaovao : «Tana Culture Fest », hanandratana ny kanto

$
0
0
TANA

Maro karazana ny « Festivals » misy, saingy tsy mbola ampy hampiroboroboana ny sehatry ny zavakanto. Antony iray nahatonga ireo olona maromaro milomano ao anatin’ny tontolon’ny zavakanto sy ny kolontsaina hiketrika ny « Tana Culture Fest » izany. Hetsika iray, hanandratra ny kanto sy ny kolontsaina malagasy, handrisika ireo tanora hiditra amin’ny sehatry ny fandraharahana hafa ihany koa, izy ity.
Hahitana tanora mpianatra, mpanakanto amin’ny sehatra isan-karazany, mpandraharaha eo amin’ny sehatry ny kolontsaina, sns, ireo mpiara-miketrika ny hetsika, izay tarihin’i Hanitra Rasoanaivo, mpanakanto sy lehiben’ny tarika BĂ©.
Fantatra fa hotontosaina ny 11 sy 12 septambra ho avy izao ny hetsika voalohany, ao amin’ny Antshow Madagascar. Hivelatra amin’ny seha-kanto maro ny fandaharam-potoana, na dia tsy mbola voafaritra mazava aza. Hahitana dihy, angano, tononkalo, kabary, fanorona, kanto, fampirantiana kanto isan-karazany ary mozika, mazava ho azy amin’io. Hiara-dalana amin’ny hetsika ihany koa ny fanatanjahantena, satria hisy fanehoana karazana haiady mandritra izany. Entanina sahady ireo liana sy te handray anjara hanatona ny Antshow Madagascar.

Zo ny Aina

↧
↧

Vehivavy 40 voan’ny mamany lava voadidy

$
0
0

Nanomboka ny volana avrily ka hatramin’ny 7 mey teo, nahazo fandidiana ny vehivavy tratran’ny aretina mamany lava 40. Notanterahina tao amin’ny CHR Sambava ny fandraisana an-tanana azy ireo. Mbola nofanina ny ekipan’ny mpitsabo enina handidy izay notronin’ny manam-pahaizana iraisam-pirenena nandritra ny fitsaboana natao. Aretina vokatry ny lavaka miforona amin’ny taovam-pamaniana sy ny taovam-pananahan’ny vehivavy ny mamany lava ka mampikoriana tsy ankiato ny maloto rehetra.

Tanjon’ny minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka  sy ny mpitsabon’ny Mercy Ships ary ny Tahirin’ny Firenena mikambana misahana ny mponina (UNFPA) ny handidy vehivavy voan’ny aretina mamany lava 450 avy amin’ny faritra 22. Efa tontosa ny volana marsa teo ny fandidiana ny andiany voalohany nahitana vehivavy 80. Hitohy ny volana aogositra 2016 ny asa.

Eto amintsika, hopitaly efatra no misahana ny fandidiana ny aretina mamany lava : CHRR Sambava, CHRD Ifanadiana, CHRD Mananjary ary ny HJRA Antananarivo. Manampy ireo ny hopitaly miankina amin’ny fiangonana Ejeda, Vangaindrano, Manambaro ary ny fondation mĂ©dicale Ampasimanjeva (FMA). Rehefa voadidy, raisina an-tanana ao anaty tetikasa ireo vehivavy mba hiverina miaraka amin’ny fianakaviana sy ny fiarahamonina. Matetika iharan’ny fanilihana izy ireny ka mila fanohanana ara-tsaina sy ara-bola.

Vahaolana iray hisorohana ny aretina mamany lava ny fanapariahana ny toeram-pitsaboana manatona ny vahoaka. Tokony hampiana koa ny tanora hampiasa ny fanafody fandrindram-piterahana isorohana ny vohoka aloha loatra satria antony iray mitarika ny aretina mamany lava. Amin’ny ankapobeny, vokatry ny fihetsehan-jaza maharitra tsy misy fitsaboana sahaza sy ara-potoana ny aretina mamany lava. Vehivavy malagasy 50 000 voan’ny aretina mamany lava ary miandry fandidiana.

Vonjy

↧

Na eo aza ny fandrahonan’ny Seces : «Tsy maintsy atao ny Bacc», hoy ny minisitra

$
0
0

Manome toky ny minisiteran’ny Fampianarana ambony tamin’ny alalan’ny minisitra mpiahy, Rasoazananera Monique, omaly hariva, fa tokony tsy hanana ahiahy ny mpiadina amin’ny bakalorea sy ny ray aman-dreny fa tsy maintsy tontosaina araka ny efa napetraka ny 17 aogositra ka hatramin’ny 21 aogositra ny fanadinana. Tokony hanao ny famerenana ao anaty fitoniana ny mpianatra mandra-piandry ny fanadinana. Nanakiana ny mpampianatra mpikaroka ny minisitra satria ataon’izy ireo takalonaina fotsiny ny mpiadina ary milalao ny hoavin’izy ireo tanteraka.

Nisy ny fivoriana nataon’ny minisitry ny Fampianarana ambony sy ny minisitry ny Tetibola amin’ny fanatanterahana ny fitakian’ny Seces mikasika ny mari-karama vaovao, omaly hariva. Mangataka ny mpampianatra mba handoavana ny mari-karama vaovao hatramin’ny taona 2009 noho mankaty. Tsy zakan’ny fanjakana ny hanefa izany amin’izao fotoana izao fa ny mari-karama vaovao manomboka ny volana jolay 2015 ka hatramin’ny oktobra izao no haloa. Efa nanaiky io fanapahan-kekvitra io ny mpikambana ao amin’ny Seces, nandritra ny fivoriana, nefa rehefa nifandinika indray izy ireo samy mpikambana mpampianatra, niova tsy mankato ny tapaka.

Nanamafy ny minisitra fa tsy tapaka mihitsy ny fifampiresahana fa misy hatrany. Nisy ny sora-bola efa nekena fa haloan’ny fanjakana.

Etsy ankilany, tsy mihemotra amin’ny hetsika ny mpikambana amin’ny Seces ka hanao fitokonana eo amin’ny Esplanade Ankatso, anio. Mampahatsiahy izy ireo fa raha tsy tanteraka hatramin’ity volana ity ny fitakiana rehetra, ho taona fotsy ny eny amin’ny onivesite ary tsy handray anjara amin’ny fampandehanana ny fanadinana balalorea izy ireo. Nanambara ny mpampianatra fa tsy tompon’antoka amin’izay mety tsy ho fahalavorarian’ny fanadinana bakalorea.

Vonjy A.

↧

Varotra ivelany : takin’ny Agoa ny fanajana ny zon’ny mpiasa

$
0
0
S. Molina 7 aog

Nitondra fanazavana momba ny fiverenan’i Madagasikara amin’ny tsenan’ny Agoa ireo tompon’andraikitra amerikanina, omaly. Nasian’ny filoha  Barack Obama fanalefahana ity tsena ity, hahazoan’ny mpandraharaha sy mpampiasa vola tombony.

Misongadina indrindra ny fanitaran’ny filoha Barack Obama, mandritra ny 10 taona  ny Agoa ho tombontsoan’ny tany afrikanina maro, raha amin’ny 15 septambra ho avy izao no tapitra ny fifanarahana voalohany. Fepetra lehibe takina amin’ireo mpampiasa vola, indrindra amin’ny sehatry ny fanaovan-damba vokarin’ny GEFP eto amintsika, ny fanajana ny zon’olombelona sy ny zon’ny mpiasa ary misoroka izay rehetra mety ho sakana amin’ny fenitra takin’ny tsena amerikanina.

Momba io fanajana zon’ny mpiasa io indrindra, anjaran’ny fitondram-panjakana no manara-maso momba izany any anivon’GEFP sy ireo orinasa tsy miankina rehetra. Betsaka mantsy ny fitarainan’ny mpiasa malagasy, saingy manararaotra ny tsy fananan’ny maro asa ireo mpitantana orinasa sasany. Niarotena mafy ny filohan’ny GEFP, Charles Giblain, fa misy fanaraha-maso ataon’ny Amerikanina sy ny avy eto an-toerana azy ireo amin’ny fanajana ny maha olona sy ny lalàna momba ny asa, toy ny karama farany ambany. Voahajan’ny GEFP rehetra tokoa ve izany ? Maro mahalala ny valiny.

Ampahany be indrindra vitan’ireo orinasa afakaba

Ny taona 2008, talohan’ny krizy, nahatratra 300 tapitrisa dolara ny tetim-bidin’ireo entana naondrana any Etazonia, ao anatin’ny tsenan’ny Agoa. Ampahany be indrindra ny fitafiana vitan’ireo orinasa afakaba. Tsara ho fantatra anefa, fa tsy voatery averina manontolo eto an-toerana ny vola vahiny azon’ireo orinasa ireo. Amin’izao fanitaran’ny fanjakana amerikanina ny Agoa izao, somary nohalefahana ny fepetra maro. Tompon’antoka amin’ny fanaraha-maso ny fitondram-panjakana malagasy. Manome alalana orinasa iray mahazo manondrana entana, ny minisiteran’ny Varotra.

Ry zareo Amerikanina, mijery ny lafiny ankapobeny ihany, voalohany ny fisian’ny fanjakana marin-toerana. Olana goavana eto, raha ny fahitan-dry zareo Amerikanina azy, mampihemotra ireo mpandraharaha, ny tsy fahampian’ny herinaratra sy fotodrafitrasa maro, fahasarotan’ny fitaterana. “Tokony hanome asa ho an’ny tanora  700.000 isan-taona ity sehatra iray ity, azo hitarina lavitra noho amin’ny ao Nosy Maorisy. Manana anjara andraikitra lehibe amin’izany ny governemanta malagasy”, hoy i Salvadore Molina mpanolotsaina ara-toekarena sy politika ao amin’ny masoivoho amerikanina.

R.Mathieu

↧

Nitsahatra ny grevin’ny Fananan-tany : hisokatra avokoa ny birao amin’ny alatsinainy

$
0
0

Araka ny efa notaterina teto omaly, nilefitra ny fanjakana manoloana ny fitakian’ny sendikàn’ny mpiasan’ny fananan-tany naharitra roa volana. Nanapa-kevitra ny mpiasa, omaly fa hiverina hiasa avokoa ary hisokatra ny birao rehetra manerana ny Nosy manomboka amin’ny alatsinainy ho avy izao.

Neken’ny fanjakana ny roa lehibe tamin’ny fitakian’ny sendikà. Nofoanana ny fampihantonana ny fangatahan’ny olon-tsotra tanim-panjakana. Nekena koa ny hamerenana handinihana sy hamolavolan’ny teknisiana ny Taratasy mirakitra ny politikan’ny fananan-tany (LPF). Saika naroso holanian’ny solombavambahoaka teny amin’ny Antenimieram-pirenena ity farany, saingy tsy tanteraka sady notsikerain’ny sendikàn’ny mpiasan’ny fananan-tany rahateo.

Fitokonana roa lehibe izany izao no nitsahatra. Naharitra iray volana ny grevin’ny mpiasan’ny Air Madagascar, nampikatso ny fitaterana an’habakabaka anatiny sy ivelany ary ity an’ny fananan-tany ity ny faharoa. Mihamafy ny an’ny mpampianatra Seces ary hanomboka koa ny an’ny Jirama manomboka amin’ny alatsinainy.

Njaka A.

↧
↧

GIZ manohana tetikasa any atsimo : hampitomboana ny tanantanamanga havadika ho menaka

$
0
0
KinĂ na 7 aog

Ampahafantarina amin’izao “Fier-mada” izao ny fisian’ny tetikasa efatra, tarihin’ny GIZ miaraka amin’ny minisiteran’ny Fambolena, any amin’ny farira Atsimo Atsinanana, Anosy ary Androy, ho fanampiana ny tantsaha. Ahitana mponina mijaly tsy ampy sakafo ireo faritra efatra ireo. Tohanan’ny GIZ amin’izany ny voly kinàna na tanantanamanga (ricin) sy tsaramaso ary ny fiompiana tantely sy osy. Ny kinàna, ohatra, karazam-boly mifandraika any atsimo, tsy matahotra tsy fahampian-drano. Tany amin’ny taona 1952, nahavokatra 12.000 t amin’io karazam-boly azo ahodina menaka io ny any atsimo, naondrana tany ivelany tamin’izany. Amin’izao fotoana izao, tsy misy afa-tsy 250 t sisa.

Mila manao ezaka maro, araka izany, ny any Tsihombe, Ambovombe, Amboasary, mamboly io kinàna io ahodina ho menaka, izay betsaka ny tinady eo amin’ny tsena iraisam-pirenena, saingy tsy ampy lavitra ny tolotra. Orinasa iray, Ikonda, any Ambovombe mividy ny vokatra, manodina izany ho menaka ary manondrana any ivelany. Nambaran’ny tompon’andraikitra ao amin’ity orinasa ity, fa mbola betsaka ny asa miandry hamerenana ny lazany tany aloha.

Ho fampitomboana ny vokatra, tantsaha 6.000 mandray anjara amin’ny fambolena azy any atsimo. Tanjona ny hamokarana azy amina velaran-tany 3.500 ha raha mbola 1.000 ha izany izao amin’ireo distrika telo ireo. Raha tratra ny 12.000 t isan-taona amin’ny kinàna, afa-pahasahiranana ny mponina any Androy sy Anosy, hoy ireo mpitarika any an-toerana.

R.Mathieu

↧

Saina voazimbazimba : tsy nahafa-po ny valin-tenin’ny COJI

$
0
0

Nandefa taratasy fialan-tsiny, tamin’ny minisitry ny Fanatanjahantena malagasy, omaly, Thierry Grimaud, filohan’ny komity mpikarakara ny Lalaon’ny Nosy (COJI). Mahakasika ny fanalam-baraka sy fanimbazimbana ny sainam-pirenena malagasy, nentin’i Marthe, niakatra ny lampihazo, tao amin’ny kianjan’ny St Paul, ny talata lasa teo izany.

Maivana ny votoatin’ny taratasy voaray ka tsy nahafa-po ireo Malagasy rehetra tany La RĂ©union sy ny teto an-tanindrazana. Tsy voavaly ny fangatahana nataon’ny minisitra satria fitakiana an’i Catherine Paoli, hanao fifonana sy fialan-tsiny amin’ny delegasiona malagasy no natao. Tsy nisy resaka mahakasika na sazy nomena io tomponandraikitra io, nefa tao anatin’ilay taratasy.

Vokatr’izay, hilahatra ary hitondra ny sainam-pirenena, manoloana ny masoivohon’i Frantsa etsy Ambatomena ny Malagasy, haneho ny alahelony sy ny hatezerany, rahampitso asabotsy.

Raha tsiahivina, tsy ny Malagasy ihany no tsy faly amin’ny tranga misy any amin’ity Lalaon’ny Nosy ity, fa teo koa ry zareo Kaomorianina, izay tsy nandray anjara mihitsy, ho an’ity andiany fahasivy ity.

 Tompondaka

↧

Teny mitan’ny lalao

$
0
0

*Nahazo medaly volamena roa, ny taranja atletisma, omaly. Samy nandrombaka izany, ny ekipa lahy sy vavy, teo amin’ny 400 m inefatra mifampitohy na ny (4 x 400 m). Nitombo 30 izany, izao ny volamena azon’i Dago.

*Laharana faharoa no nisy an’Andriamparany Hajanirina, teo amin’ny hazakazaka 5000 m. Medaly volafotsy no azony, tamin’izany. Tontosany tao anatin’ny 14 mn 33 s 91%, io halaviran-dalana io, omaly.

*Nahazo medaly volafotsy, teo amin’ny fibatana fonjamby, – 75 kg vehivavy, Ramananaharinirina Nathalie. Nahavita «total olympique» 146 kg izy. Medaly alimo kosa, no azon-dRandrianandrasana Sitraka, teo amin’ny – 69 kg.

*Tsy nitsanga-menatra, ny ekipam-pirenena malagasy, taranja judo. Nandrombaka medaly alimo mantsy ny isan-tarika lehilahy. Voalohany tamin’ity fifaninanana ity, ry zareo Renione, narahin’i Maorisy.

↧
Viewing all 70844 articles
Browse latest View live