Quantcast
Channel: Newsmada
Viewing all 70405 articles
Browse latest View live

Nanolan-jaza 4 taona : Tovolahy 17 taona notanana am-ponja

$
0
0

Notanana vonjimaika, afa­komaly, any am-ponja ny tovolahy 17 taona nanolan-jaza vao efa taona monja, tao Soanierana-Ivongo. Ankizivavy nandeha namonjy toeram-pivoahana, niharan’ny fanararaotana na­taon’ny tovolahy mpiandry omby, tao amin’ny kaominina Manompana, ny talata 22 avrily teo, tamin’ny 11 ora ma­raina. Nosaritin’io tovolahy io niditra ny kirihitr’ala ilay zazavavy. Tsy afa-nanohitra ity farany na dia niezaka nanala ny tanan’ilay mpanolana aza. Nanamparan’io olon-dratsy io ny filan-dratsiny izy. Nikiakiaka sy nitomany hany sisa nataon’ny zaza voaolana. Nikaroka ny zanany ny ray aman-drenin’ny zaza. Niosin-drà tanteraka ny fivavian’ny zanak’izy ireo tamin’ny fotoana nahitana azy. Taitra, nampandre ny fokonolona sy ny tomponandraikitry ny fokontany avy hatrany ny fianakavian’ilay niharan’ny fanolanana. Nokarohina ny nahavanon-doza ka voasambotra. Nen­tina natao fizahana teo anivon’ny CSBII Manompana io zaza io. Simba tanteraka izy ka voatery nentina nihazo ny hopitaly ao Fenoarivo Atsina­nana. Natao famotorana ilay tovolahy tsy ampy taona ary notanana vonjimaika.

Sajo


Rakotomalala Jefferson : Malagasy mpianatra nisitraka vatsim-pianarana maro

$
0
0

Malagasy mpianatra any amin’ny oniversiten’i Etazonia Rakotomalala Jefferson. Ani­san’ny mamiratra izy satria nisitraka vatsim-pianarana maro hahafahany manohy ny fianarany.
Mianatra ao amin’ny Hope College University ao Holland, Michigan ny tenany amin’izao fotoana. Mizara ny traikefany amin’ny tanora malagasy toa azy i Jefferson. Anisan’ny manokatra lalana maro ny fikirizana sy ny fiezahana mafy ka tsy tokony hijanona fa mila mitombo hatrany hanatrarana ny tanjona.
Ho an’ireo Malagasy mpianatra maniry ny hahita vatsim-pianarana hianarana any Etazonia, nilaza i Jefferson fa mila aseho ny maha izy azy ny tena sy ny fomba handraisana anjara mavitrika eo amin’ny fiarahamonina mba hahatonga anao hiavaka amin’ny rehetra.
Tsy tokony mitsahatra mandefa fangatahana vatsim-pianarana araka izay azo hatao satria tena zava-dehibe ny fikirizana.
Anisan’ny fitaratra ho an’ ny tanora malagasy Rakotomalala Jefferson, indrindra amin’ny finiavany sy ny ezaka mafy ataony amin’ny fitadiavana vatsim-pianarana hilofosana hatrany amin’ny fianarana.

Tatiana A

Task force: Mampanahy ny fiakaran’ny tahan’ireo olona mitondra VIH/Sida

$
0
0

Mampanahy fatratra ireo Task Force ny hoavin’ny tanora amin’izao fotoana izao noho ny fiakaran’ny tahan’ny olona mitondra ny tsimokaretina VIH/Sida. Nifam­pi­zara ny vokatra azony nandritra ny fanadihadiana na­taony ireo mpisehatra amin’ny ady amin’ny fiparitahan’ ny tsimokaretina VIH/Sida.

Nanantanteraka atrikasa tetsy amin’ny efitrano fivoriana Streamliner Tanamakoa ny fiandohan’ny volana avrily teo ny Task force rezionaly. Nandray anjara tamin’izany ny ONG miisa efatra : Ainga/ Aides, Reseau Mad/ Aides, ny SycaVi ary ny LGBT+. Mpandray anjara amin’ny ady amin’ny fiparitahan’ny valanaretina VIH/Sida, sy ireo aretina mifindra amin’ ny aretim-pananahana izy ireo.
Nambaran’izy ireo fa mahamay ity vanim-potoana ity ka antony nahatonga azy ireo namoaka fanairana maha­kasika io aretina io. “Miisa enina karazana be izao ny fisorohana io fiakaran’ny tahan’ny fiparitahan’ny tsimokaretina VIH/ Sida io”, hoy izy ireo. Betsaka ny zavatra tsy ampy ary tsy nitohy efa natao tamin’ny ady teo aloha.

Zava-dehibe ny fanaovana fanairana indrindra manoloana ny tsy fandriampahalemana izay mahazo vahana eto amin’ny firenena. Toy ny fifohana sy fanindronana zava-mahadomelina. Amin’ny ankapobeny, miafina ireo tanora ireo manao izany ka mety ho antony hifindran’ny aretina. Eo koa ny tsy fahafahan’ ireo vahoaka misitraka fiarovana amin’ny fiparitahan’ny aretina. Toy ny fahatapatahan’ny fi­zarana fimailo, indrindra ireo fanafody entina mitsabo sy misoroka ny tsimokaretina. Fahatelo, ny tsy fitohizan’ny depistazy sy fitiliana. Ankoatra izay, ny tsy fahampian’ny fotoana enti-mandrefy ny fi­sorohana sy fiandrasana ny valin’ny fitiliana. Anisan’ny fanairana lehibe ny fanilikili­hana sy fanavakavahana ireo olona mitondra ny tsimokare­tina. Marefo ny eto amintsika amin’ny fanohanana sy fanajana ny zo ho an’ ireo mitondra tsimokaretina ka tsy misitraka ara-dalalana sy araka ny tokony ho izy ny fanaraham-pahasalamany izy ireo.

Tsy ampy ny fanentanana ho fisorohana

Ny fanadihadiana hatrany no nahalalana fa tsy mifanindran-dalana ny ady amin’ny zava-mahadomelina sy fiparitahan’ny tsimokaretina VIH/ Sida. Voalohany amin’izany, ny fampiasana tsindrona izay hanaovan’ ireo zatovo lahy sy vavy tsindrona zava-maha­domelina mahery vaika. Ma­tetika andian-jatovo efa marefo amin’ny zavatra rehetra izy ireny ka lasa mpitsindrona sy mpifoka miafina. Miampitapita amin’ny samy namana maro samihafa ny tsindrona. Noho izany, mora handairan’ny tsimokaretina VIH/ Sida ny olona mandray zava-mahadomelina. Etsy ankilany, lazain’ny fanadihadiana hatrany fa tsy misy intsony ny rafitra hiadiana sy hisorohana ary handraisana an-tanana ny olona mitondra ny tsimokaretina VIH/Sida. Tsy ampy koa ny fanentanana isam-pokotany ary lasa vidina lafo ny fimailo, raha maimaimpoana izany teo aloha.

Tsy manaraka vanim-potoana

«Efa tsy mifanaraka amin’ny vanim-potoana ankehitriny intsony ny fandrisika na vola entina manao ny asa fanentanana momba ny fahasalamana», hoy ny AC (Agent Communautaire) iray miasa eo anivon’ny CSB2 iray nanaovana fanadihadiana. Tao anatin’ny taona maro, 500 Ar isaky ny iray kilometatra ny saran-dalana omena ireo olona manao ny asa eny ifotony ireo, raha ny fanazavana voaray hatrany. Amin’izao fotoana izao, efa 1 500 Ar ny saran-dalana amin’ ny posy sy Bajaj. Nohamafisin’ ity nijoro vavolombelona ity, fa mahatonga ny firongatry ny fiakaran’ny tahan’ny olona mitondra tsimokaretina VIH/Sida any Toamasina ny fitsoahan’ ireo olona mitondra tsimokaretina any anivon’ny rafi-piaraha-monina. Mitsoaka izy ireo ary lasa manaparitaka izany amin’ ny olon-kafa any amin’ny fiarahamonina hafa.
Nisy raim-pianakaviana iray voan’ny tiberikilaozy iray tany an-toerana. Rehefa noentina natao fitilina tao amin’ny hopitaly izy dia hita fa mitondra tsimokaretina VIH/Sida. Nampaha­fantarina azy am-panajana ny nahazo azy. Rehefa naheno sy nahafantatra izany anefa izy dia lasa nitsoaka ny toeram-pitsabona avy hatrany. Nakany anivon’ny fiarahamonina any izy avy eo ary miaina miaraka amin’ny olona tsy fantany sy tsy mahafantatra ny aretina mahazo azy.

Nanatontosa : Sajo

FCEM: Hampivelatra ny fandra­harahan’ny vehivavy

$
0
0

Hitondra tombontsoa maro ho an’ny vehivavy mpandraharaha malagasy ny fikaonandohan’ny vehivavy mpandraharaha maneran-tany (Comité Mondial des Femmes Chefs d’Entreprises). «Ahafahan’izy ireo miditra anatina tambazotrana vehivavy mpandraharaha eto an-toerana sy any ivelany. Hampitombo ihany koa ny traikefa sy ny fahalalany ary ny hampivelatra ny eo amin’ny sehatrasany eto an-toerana sy any ivelany izany», hoy ny filohan’ny vondron’ny vehivavy mpandraharaha eto Madagasikara (GFEM) sady mpikarakara ny hetsika, Razakaboana Fanja, omaly. Fotoana iray hifandraisan’ ireo vehivavy mpitantanana orinasa avy amina firenena 20 ny hetsika. Araka izany, hifanakalo hevitra sy hitondra ireo fanamby amin’ny fampivoarana ny fandraharahana sy ny toekarena ireo mpandraharaha. Hampiroborobo ny talentan’ny vehivavy sy hanamafisana ny toerana azy ireny eo amin’ny toekarena maneran-tany ny hetsika FCEM. Tsiahivina fa hiompana amin’ny fihariana matanjaka sy iraisana : vehivavy mpandraharaha mampifandray ny avaratra sy atsimo » ny lohahevitry ny hetsika atao ny 28 ka hatramin’ny 30 avrily.

Henintsoa

Orange digital Center: Dingana ho an’ny fampiroboroboana ny nomerika

$
0
0

Notokanana tamin’ny fomba ofisialy ny alarobia ireo ny trano vaovaon’ny Orange Digital Center, etsy amin’ny gara Soarano. Dingana lehibe amin’ny fampidirana sy fanavaozana nomerika eto Ma­dagasikara ny ataon’ny Oran­ge Madagascar. Nanohana talenta malagasy an’arivony teo amin’ny sehatry ny nomerika ny Orange Digital Center Madagascar nanomboka ny taona 2022, teny amin’ny foibeny teny amin’ny La Tour Ankorondrano. Miisa 4 500 ireo nisitraka izany isan-taona. Vehivavy avokoa ny 51% ary tanora eo anelanelan’ny 18 ka hatramin’ny 24 taona ny 85%. Anisan’ireo nahazo izany i Sayna, ilay tovovavy mpandraharaha namiratra taorian’ny tohana nomen’ny Orange Ventures azy. «Dingana lehibe amin’ny fampiroboroboana ny nomerika eto Madaga­sikara ny fanokafana ny Orange Digital Center eto amin’ny gara Soarano. Tetezana ahafahan’ny Malagasy misitraka ny fitaovana nomerika sy manatanteraka ny nofinofiny ity toerana ity», hoy ny tale jeneralin’ny Orange Madagas­car, Frédéric Debord.

Ho an’ny tanora
Miisa 16 ny Orange Digital Centers aty Afrika sy «moyen-orient», fito kosa ao Eoropa. Eto Madagasikara, miitatra any amin’ny faritrany ny finiavana ataon’ny orinasa amin’
alalan’ny Orange Digital Cen­ter Clubs izay manampy ny tanora hisitra ny nomerika. Tanora miisa 400 ihany koa no nahita asa taorian’ny hetsika «ZahaGeek» sy ny fifaninana «Poesam» izay nahafahana nampisongadina ny ta­lentany teo amin’ny sehatra iraisam-pirenena.

Henintsoa

VAOVAO TAMBATRA

$
0
0

Manodidina ny 33 500 ha ny velaran-tany harenina ao anatin’ny tetikasa PLAE VI. Manodidina ny 20 000 ireo tokantrano hisitraka asa mivantana, mahatratra 22 300 ha kosa ny velaran-tany voajary tamin’ny fanaovana voly hazon’olon-tsotra, voly hazo ho ala kaominaly. Ao anatin’izany ireo ala fiarovana, ala vadimboly ary ny toeram-piraofana nohatsaraina. Nampahafantarana ny 14-25 avrily ireo faritra hiasan’ny fandaharanasa.

Hisokatra manomboka amin’ny 6 ora sy sasany maraina ny caisse iray isaky ny agence-n’ny orinasa Jirama taorian’ny fisian’ny andro maro tsy fiasana tato anatin’ny volana avrily. Vahaolana noraisina hanamaivanana ny filaharana lavareny eny an-toerana. Entanina, araka izany, ny mpanjifa handefa ny faktiora ara-potoana hisorohana ny fahatapahana. Tsy mitsahatra mitondra vahaolana ho an’ny rehetra ny orinasa.

Nanamafy ny fahavononany hitondra ny fanovana teknolojika sy ny fampiroborobona ny haitao ara-kajy mirindra amin’ny alalan’ny fanavaozana nomerika ny MNDPT. Fanoitra lehibe ho an’ny fampandrosoana rahateo ny filamatra entiny izay mifanaraka amin’ny vina apetraky ny fanjakana. Fanamby tanterahina ao anatin’ny dimy taona ny fampakarana ny tahan’ny fisitrahana internet sy ny fandraisan’anjaran’ny TIC ho 1,7% ao anatin’ny harinkarena faobe.

Sarinady iraisam-pirenena – Tulipe 2025: Hanamafisana ny fiarovana aty amin’ny ranomasimbe Indianina

$
0
0

Nifarana ny fanazarantena iraisam-pirenena notanterahina tao Mahajanga « Tulipe 2025 » nandraisan’ny firenena dimy anjara : Madagasikara, Seychelles, Maurice, La Réunion izay naharitra dimy andro izany.

Famintinana ny fandraisana anjara ho an’ireo solontena isaky ny sehatra no nisantarana ny andro famaranana omaly, notarihin’ny lehiben’ny etamazaoron’ireo Tafika, ny Jly Derama­sinjaka Manantsoa Rako­toarivelo sy ny kaomandy ambonin’ny FAZSOI, ny Jly Jean Marc Giraud. Teo koa ireo tomponandraikitra ambony eo anivon’ny tafika Seychelloises sy Maorisianina ary Kaomorianina. Nisonga­dina tao anatin’ireo lahateny nifandimbiasana fa nizotra araka ny tokony ho izy ity sarinady iraisam-pirenena. Na­hafahana nampitovy fijery hanamafisana ny fiarovana aty amin’ny Ranomasimbe Indianina ihany koa ny fanazarantena toy izao. Anisan’ny nahomby indrindra ny fikarakarana ity sarinady ity izay nataon’ireo miaramila miisa 1 500. Nankasitraka ny fandraisana sy ny rindran-damina rehetra nataon’ny Malagasy sy vahiny ny Jly COMSUP FAZSOI, ny Jly Jean Marc Giraud. Nisy koa ny fihaonana tamin’ny mpanao gazety izay nilazan’izy ireo fa nizotra tsara ny fiaraha-miasa sy fampitana ny vaovao nandritra ny hetsika rehetra. Nandritra ny lanonam-pamaranana no nitondra ny tenin’ny minisitry ny Fo­loalindahy (MFA), ny Jly Sahivelo Lala Monja Delphin, ny Jly lehiben’ny etamazao­ron’ireo Tafika niarahaba ny mpandray anjara rehetra nahatontosa ny fanazaran-tena miaraka. Nankasitraka tamin’ny fahavononana hiara-hanamafy ny paikady amin’ny fiarovana aty amin’ny ranomasimbe Indianina sady nirary soa ho an’i La Réunion handray ny andiany manaraka ny MFA.

Jean Claude

Fifindra-monina : Noraisin’ny MSP ny talen’ny OIM

$
0
0

Noraisin’ny minisitry ny Filaminam-bahoaka (MSP), ny Inspecteur général de police, Rakotoarimanana Herilala, omaly, ny talen’ny OIM (rantsan’ny firenena mikambana misahana ny fifindra-monina), Frantz Celestin. Marihina fa misahana ny faritra atsimo sy atsinanan’i Afrika ity rantsan’ny firenena mikambana ity. Nandray anjara tamin’ny fivoriana an-tampon’ny COI natao teto Madagasikara ihany koa ny OIM tamin’ny alalan’ny taleam-paritr’ity fikambanana iraisam-pirenena ity ho an’ny faritra Atsimo sy Atsinanan’i Afrika. Nandritra ny fivahinianany teto Madagasikara no noraisin’ny MSP izy. Voaresaka tao anatin’ny fihaonana ny fanamafisana ny fiaraha-miasa eo amin’ny OIM sy ny MSP eo amin’ny sehatry ny fitantanana ny politikan’ny fifindra-monina.

Jean Claude


RAOELIARIJAO MPANABE

Filoha Rajoelina Andry: Niatrika ny fandevenana ny Ray Masina François

$
0
0

Voalevina tamin’ny sabotsy ny Papa François, lehiben’ny fiangonana Katolika Romana. Nanatrika izany, nisolotena ny Malagasy ny filohan’ny Repoblika, Rajoelina Andry mivady

Nanainga avy hatrany nihazo ny tany Vatican ny delegasionina, taorian’ny fahavitan’ny fihaonana an-tampon’ny COI, natao teny Ivato. Navoitran’ny fanambarana teo anivon’ny fiadidiana ny Repoblika fa maneho ny fiombonam-po sy ny fiaraha-miory amin’ny fiangonana katolika amin’ny anaran’ny vahoaka sy ny firenena malagasy ny filoha Rajoelina Andry mivady. “Tsaroana hatrany ny resaka sy dinika nifanaovana taminy sy ny fitsidihana apostolika nataony teto Madagasikara ny 6 hatramin’ny 9 septambra 2019”, hoy ny fanambarana.
Etsy andaniny, maherin’ny 200 000 ireo nanotrona ny fandevenana ny Papa François. Miisa 160 ny delegasionin’ireo filoham-panjakana, naneho fiaraha-miory tonga tany Vatican. Anisan’ izany ny avy any Amerika latinina, kaontinanta nihavian’ny papa François, indrindra ny filohan’i Arzantinina, Javier Milei sy ny filoha Brezilianina, Lula Da Silva.

Tsy azo natrehina
Maro ny manampahefana ambony avy amin’ny firenena lehibe toy ny filoha Ameri­kanina, Donald Trump. Tonga nanome voninahitra farany ihany koa ny filoha Frantsay, Emmanuel Macron. Torak’ izany ny sekretera jeneralin’ny Firenena Mikambana, Antonio Gueterres sy ny Chancellier an-dry zareo Alemà, Olaf Scholz, ary ny praiminisitra Britanika, Keir Starmer sy ny filohan’i Ukraine, Zelenski. Manginy fotsiny ny andriamanjaka avy amin’ny firenena maro. Anisan’izany ny mpanjakan’i Belzika, Espana, Lesotho, Monaco, Jordanie sy ireo avy amin’ny finoana hafa.
Nanomboka tamin’ny 10 ora ny fotoam-bavaka, notarihan’ny kardinaly, Giovanni Battista Re, afakomaly. Na­sitrika ao amin’ny bazilikan’ny Sainte-Marie-Majeure avy eo ny nofo mangatsiakan’ny Ray Masina François. Tsy azo natrehan’olona maro ny fanitrihana ny razana. Ho fanatanterahana ny hafany fony fahavelony ny fandevenana tamin’ny fomba tsotra indrindra.

Synèse R.

Milamina… mandroso

$
0
0

 

Anisan’ny vaindohan-draharaham-panjakana amin’izao ny amin’ny tsy fandriampahalemana? Misesy ary mitohy ny fidinana ifotony. Tsy misy fampandrosoana raha tsy mitoetra sy maharitra ary azo antoka ny fandriampahalemana. Izay no ahazoana miasa sy mamokatra amim-pitoniana, iarovana sy anohizana ny ezaka vita… Nefa tsy misy koa izay fandriampahalemana marina sy maharitra, raha tsy misy fampandrosoana: lalana vita sy tsara, fahazavan’ny tanàna tsy isiana sy anjakan’ny olon-dratsy, mpitandro filaminana ampy isa sy fitaovana… Miara-dalana amin’izay fampandrosoana mampisy sy miantoka ny fandriampahalemana izay koa ny famoronana asa, asa mahavelona, velona milamina sy manana ny hoavy…
Tsy ny tsy fisian’ny asan-jiolahy ihany no hoe filaminana sy fandriampahalemana, fa eo indrindra koa ny asa tsy misy fitaintainan-dava sao voaroaka ny tena na mikatona ny orinasa, ny fananana fahafaha-mividy mahasehaka ny vidim-piainana, ny fisian’ny angovo toy ny herinaratra enti-miasa sy ny rano enti-mivelona sy miasa, ny fahazoana mitsabo tena raha marary, ny fampianarana ny ankizy… Fampandrosoana takina sy mifameno amin’ny hoe fandriampahalemana avokoa izany. Mby aiza?
Miara-dalana mandrakariva ny fandriampahalemana sy ny fampandrosoana. Matoa manjaka, ohatra, ny tsy fandriampahalemana, tsy mbola tafapaka any ifotony ny fampandrosoana? Na ny mifamadika amin’izay: matoa tsy tafapaka any ifotony ny fampandrosoana, misy ny tsy fandriampahalemana… Ny any ifotony no mitondra na iorenan’ny vatan-trano? Mila vina sy fijery vaovao. Ny fiainana milamina no mampandroso, fa ny fampandrosoana koa no mampilamina ny fiainana sy ny fihariana. Aiza ho aiza? Na mba efa misy mipaka eny ifotony ahay izay atao amin’izao…

R. Nd.

Otrikafo Rabevahiny Elia: “Tsy ekena ny fiaraha-mitantana ireo Nosy”

$
0
0

“Tsy ekena ny fiaraha-mitantana ireo Nosy malagasy”, hoy ny fanehoan-kevitry ny filoha nasionalin’ny antoko Otrikafo, Rabevahiny Elia, teny Andravoahangy Ambony, ny faran’ny herinandro teo, ny amin’ny fanambaran’ny filoha Frantsay fa ny fiaraha-mitantana no hodinihina. Fanekena faharesena sahady manoloana ny adihevitra ny fiaraha-mitantana. An’ny Malagasy ireo Nosy ireo eo amin’ny lafiny jeografia, tantara, lalàna. Rehefa tafaverina ireo, ho hita eo indray izay mety ho endriky ny fiaraha-miasa azo atao. Ny ady dia ny hiverenan’ireo Nosy ireo amin’i Madaga­sikara. Mba hialana amin’ny fanagiazan’i Frantsa. Tsy ny Frantsy no hametraka amin’i Madagasikara hoe fiaraha-mitantana. Inona no ho azo amin’izay fiaraha-mitantana izay? Fitaka izany, ka mila mailo.
Tsy maintsy miaraka amin’ny hafa i Madagasikara amin’ny fitakiana. Misy olana izao amin’i Mayotte sy Kaomoro amin’ny fifandraisana amin’i Frantsa. Tokony hazava ny toeran’i Madagasikara amin’ izay. Raha manohana an’i Kaomoro i Madagasikara. Sarotra ny ieritreretana hoe ny Nosy Mayotte dia departemanta frantsay, na amin’ny lafiny jeografia aza. Afa-manohana an’i Madagasikara koa i Kaomoro amin’ny fitakiana ireo Nosy malagasy manodidina. Tsy mila hararaotina ny fahalemen’i Frantsa, mitsotsorika amin’izao. Na ny maro anisa eo anivon’ny parlemanta frantsay aza, tsy azon’ny filoha Emmanuel Macron. Sahirana izy aty Afrika, efa manomboka very remby. Miala aminy i Mali, i Burkina Faso. I Sénégal nanala ny miaramila frantsay ao aminy. Manomboka very tombontsoa aty Afrika i Frantsa, mitady hamahatra mafy aty amin’ny faritry ny Ranomasimbe In­dianina.

 

R. Nd.

FANTINA sy FINTINA

$
0
0

Naneho fiaraha-miory amin’ny Ekar ny filoha teo aloha, Ravalomanana Marc. Anisan’ireo tonga nitsapa alahelo teny amin’ny Nonce Apostolika sy nanoratra tao aminy boky volamena ny tenany noho ny fahalasanan’ny papa François. Notanterahina teny Ivandry, ny alakamisy teo, izany fanehoana ny fiombonam-po amin’ny mpino katolika izany.

Naneho fiombonam-po sy fankaherezana ny Nonciature koa ny avy amin’ny HVM, tamin’ny alalan’ny filoha nasionalin’ny antoko, Rakotovao Rivo. Nambarany fa nitandro ny firaisam-pirenena ny papa Fransoa. “Niady ho an’ny madinika ary feno fanetren-tena ka mendrika ny hisaorana tamin’ireo ezaka vitany”, hoy izy.

Nanentana ireo ben’ny Tanànan’ny faritanin’ Antsiranana ny filohan’ny Antenimierandoholona, ny Jly Ravalomanana Richard mba hijery ny tombontsoan’ny kaominina. “Ilaina ny fifandraisana akaiky sy ny fiaraha-miasa amin’ny fanjakana foibe”, hoy izy tamin’ny fiofanan’ireo mpitantana eny ifotony ireo ny herinandro teo, tetsy Anosikely.

Sambany naneho hevitra indray ny Raobelina Andry, anisan’ireo kandidà filoham-pirenena, niara-dia amin’ny “Hetsika fotsy”. Nambarany fa tsy azo antenaina hanavotra ny firenena ny mpitondra amin’izao fotoana izao. “Ireny niaraha-nahita ireny ny fahitan’izy ireo ny fiainan’ny vahoaka maro anisa, sy ny famaritany ny hoe Malagasy sambatra”, hoy izy.

Jirama sy Filatex: Hamokatra angovo 68,5 MW fanampiny

$
0
0

Miara-miasa ny Jirama sy ny vondrona Filatex Energies, hanitarana ny angovo herinaratra eto amintsika. Voakasik’izany ny hananganana fotodrafitrasa famokarana angovo azo havaozina sady azo avy amin’ny herin’ny masoandro, mitotaly 68,5 MW, ka hapetraka amin’ity taona 2025 ity ny 25 MW ary amin’ny taona 2026 ny 43,5 MW. Hampifandraisina amin’ny tambajotran’ny Jirama ireo herinaratra ireo. Ao anatin’io fifanarahana io ny adidy ara-bolan’ny Jirama, tsy maintsy andoavany vola tsy tapaka sy manefa ny trosany tohanan’ny fanjakana malagasy.
Misolo tena ny vondrona Filatex Energies, ny orinasa Nova, ny Afripower ary ny Vestop. Tanjon’ity fiaraha-miasa ity ny hampihenana be ny fiankinandohan’ny Jirama amin’ny fampiasana ny solika ny fampihodinana ny milina mamokatra herinaratra.

Njaka A.

Fiaraha-miasa COI : Rano fisotro madio eny Fieferamanga

$
0
0

Misy ny fiaraha-miasa ao anatin’ny Vaomieran’ny ranomasimbe Indianina (COI), andraisan’ny orinasa frantsay Fonto de Vivo anjara. Nidina any Fieferamanga, distrika Arivonimamo, ny Sekreteram-panjakana miadidy ny fahavitan-tena ara-tsakafo (SESA), Razanamahefa Tahian’Ny Avo ny 21 avrily teo. Nojereny ny fivoaran’ny tetikasan’ny Filoham-pirenena « Ankoho­nana Miarina ». Nampaha­fantarina ny fiaraha-miasan’ny governemanta malagasy sy ny orinasa frantsay Fonto de Vivo, manana traikefa amin’ny fanadiovana ny rano ho fisotro.
Mampiasa ny teknolojia avo lenta amin’ny fanadiovana ny rano ity orinasa ity. Tsy mampiasa akora simika, hahatonga ny rano avy amin’ny lavadrano, renirano, ranon’orana ho azo sotroina. Mahavita mamokatra rano fisotro madio 200 000 litatra ao anatin’ny roa taona ny fitaovana fanadiovana tsirairay.
Tafiditra ao anatin’ny fampandrosoana maharitra sy fiatrehana ny zava-misy isan-toerana ny tetikasa. Nilaza ny tompon’andraikitry ny Fonto de Vivo eto amintsika, Anthony Cailleau, fa efa maro ny firenena nametrahan’ny orinasa fotodrafitrasa toy izao.
Notsipihin’ny Sekere­te­ram-­panjakana SESA, Raza­­na­mahefa Tahian’Ny Avo, fa hatao tetikasa filamatra ny any Fieferamanga, ary haparitaka manerana ny Nosy. Tsotra ny tanjona, fanapariahana vaha­olana tsotra sady haingana ary maharitra mifanaraka amin’ny zava-misy isan-toerana.

Njaka A.


VAOVAO TAMBATRA

$
0
0

Mipetraka ny tetikasa fanodinam-bokatra any amin’ny faritra Androy. Voakasik’izany ny vokatra mangahazo, ny apemba, ny varim-bazaha, ny vomanga, ny soja ary ny katsaka. Misahana azy ny tetikasa Purpa, fiaraha-miasa amin’ny Tahirimbola ho an’ny fambolena, famatsiam-bola avy amin’ny Banky afrikanina ho an’ny fampandrosoana (Bad). Tanjona ny hampihenana ny fanafarana avy any ivelany, sady hanohanana ny mpamboly any an-toerana.
Mandeha ny asa fanarenana ao an-tampon-tanànan’i Farafangana. Manohana ara-bola ny fanatanterahana azy ny Banky iraisam-pirenena ao anatin’ny tetikasa PIC 3. Efa vita amin’ny ankapobeny ny fanarenana ny tany sy ny fanamboarana ny lakandrano. Miditra amin’ny fanomanana ny fanondrahana godirao indray ny asa manaraka ataon’ny orinasa, ankehitriny. Tanjona, ny hanafainganana ny fanatsarana ny fifamoivoizana.
Miisa 8 ny mpanjono niofana tany Ambanja. Nomena azy ireo ny fahalalana mahakasika ny harambato anaty ranomasina (récifs coraliens) sy ahi-dranomasina ary indrindra ny fiarovana azy ireny tsy ho faty. Hanao fampiharana anaty rano izy ireo amin’ny jona ho avy izao. Nanatanteraka ny fiofanana ny ONG Blue Ventures, ka ekipa avy any Toliara no nampiofana azy 8 mirahalahy. Hisy fiofanana hafa indray amin’ny volana mey.

Kaominina Brieville : Mpaka an-keriny maty voatifitra

$
0
0

Lavon’ny balan’ny mpitandro filaminana tao amin’ny fokontany Malama­maina, kaominina Brieville ny dahalo mpaka an-keriny, ny zoma 25 avrily teo, tamin’ny 4 ora. Mpaka takalonaina tao amin’ny distrikan’i Tsarata­nàna, voasambotry ny mpitandro filaminana ny 23 avrily lasa teo, tao amin’ny fokontany Antsampandrano io olon-dratsy io. Noterena hilaza ny toerana hisitrihan’ireo mpiara-manao asa ratsy aminy izy. Nanaiky hitarika ny zandary amin’ny tanàna misy ireo dahalo ireo izy. Namolavola paikady hisamborana ireo mpiara-miasa amin’io dahalo io ny mpitandro filaminana. Nanararaotra nandositra tao anatin’ny haizina nandritra ny fitarihany ny dia anefa ilay mpaka an-keriny. Nampiasa fitaovam-piadiana ny zandary ka lavo tamin’izany io dahalo io. Mitohy ny fikarohana ireo namany. Marihina, tompon’antoka tamin’ny fakana an-keriny tao amin’ny fokontany Ambanitsena, kaominina Brie­ville, ny 5 janoary teo ity dahalo lavo ity. Nandray anjara tamin’ny fihazonana takalonaina tao amin’ny fokontany Belavabary sy Ambohitrarivo, ny 6 avrily teo, izy.

Tsiferana R.

Fandehanana any Allemagne: « Mila finiavana sy faharetana», hoy i Noeline Erica

$
0
0

Maro dia maro to­koa ireo Malagasy tanora lasa manohy ny fianarany sy ny fiainany any ivelany. Anisan’ireo firenena matetika handehanan’ireo tanora ankehitriny, ny any Allemagne. Milaza ny fiainany any an-toerana any, i Noeline Erica.

Gazety Taratra (*): Afaka milaza ny momba anao ve, inona no naharisika anao ho any Allemagne?
Noeline Erica (-): Ra­soanantenaina Noeline Erica no anarako, 24 taona aho izao. Tamin’ny taona 2023 aho no tonga taty Allemagne voalohany. Manaraka izay, tamin’ny voalohany aloha tena hoe tsy nisy inona nahasarika ahy izany mihitsy ary tsy nahataitra ahy loatra akory aza ilay hoe andeha hivoaka an’i Madagasikara. Tsy nahalala akory aho tamin’izany ny fisian’ireo zavatra tsara marobe azo hatao aty ivelany aty. Ireo havana mipetraka aty ivelany sy ny namako no nampiditra an’izay hevitra izay tao an-tsaiko ary izy ireo hatrany no nanentana ahy andeha ho aty, dia izao tonga aty izao. Marihiko fa nanaraka tsara ireo hevitra sy dingana natoron-dry zareo fotsiny aho.

* Manao ahoana ny fiainana any Allemagne raha ampitahaina ny aty Ma­dagasikara?
– Ny fiainana angamba aloha amin’ny ankapobeany dia mitovy daholo ihany eto amin’ity tany ity. Raha ho an’i Allemagne sy i Madagasikara manokana no asiana fampitahana kely, tena misy tombony kokoa ny mipetraka aty ivelany. Aty somary lafo ny fiainana, ary ny asa tsy moramora saingy mifanaraka tsara amin’izay ny karama raisinao. Ny resaka fandriampahalemana ihany koa, azo lazaina mbola milamina tsara ny aty. Madio tanteraka ny tontolo iainana.

* Mifandray tsara ve ianareo Malagasy any Alle­magne any ?
– Eny tena mifandray tsara ny Malagasy aty Allemagne. Tena mahay miray hina na ankafaliana, na ankaratsiana, tena hoe mahafinaritra ny firaisankinan’ny samy Mala­gasy eto an-toerana. Ary azo lazaina hoe tena efa betsaka sy mitombo hatrany ny Malagasy monina aty.

* Inona avy ny dingana tokony hatao raha tiana ny ho any Allemagne ?
– Raha mikasa ny ho aty Allemagne, ilaina ny mianatra ny teny alema, voalohany indrindra. Ary mila mahafantatra ireo fandaharana : «Au pair, FSJ ( année de volontariat), ary ny Ausbildung (For­mation professionnelle en alternance)». Ireo zavatra telo ireo no nataoko taty sy ho mbola hataoko. Azonao atao koa nefa ny miala any Madagasikara sy ny miasa avy hatrany aty. Manana ny pejiko manokana anaty tambajotra serasera ny tenako, «Erica et ses aventures», izany, ary afaka mifampiresaka sy manoro hevitra ho anareo aho, ho an’izay maniry ny ho aty.

* Aminao manokana, sarotra sa mora ilay hoe mivoaka any ivelany ?
– Amiko, tsy mora ilay mivoaka aty ivelany aloha amin’ny akapobeany. Any Madagasikara dia efa mieritreritra tsara ny zavatra tianao hatao aty. Ilaina ihany koa anefa ny mahafeno ny fepetra amin’ilay zavatra tianao ho­tanterahina. Ankoatra izay, somary mandany vola ihany koa, ianao no miantoka ny tenanao raha tiana ny ho aty. Fehiny, tsy misy ny zavatra mora angamba, fa eo amin’ny fiainana rehefa manao zavatra ka te hanatratra ny tanjona iray, ilaina hatrany ny manana finiavana sy faharetana ary tsy ilaina ny toe-tsaina mora kivy. Somary sarotra koa ilay miaina lavitra fianakaviana, saingy ilaina ny manamafy saina.

* Marina ve ilay hoe tia misotro labera ny olona any Allemagne? Efa kolontsaina ve ilay izy ?
– Eny, tena tia misotro labiera ry zareo mponina aty Allemagne, ary manana karazana labiera maro mihitsy. Ho an’izay efa mahafantatra dia efa toy ny kolontsaina sy fombafomba an-dry zareo mihitsy izany. Fa tsy ny olona rehetra aty no misotro labiera na izany aza.

* Hafatrao farany ho an’ ireo tanora malagasy ?
– Hafatra ho antsika tanora Malagasy mba maniry ny hanana fiainana tsara kokoa rehefa any aoriana any, ka maniry ny ho aty ivelany na hoe hijanona ao Madaga­sikara ihany. Tena miha sarotra andro aman’alina ny fiainana na aiza na aiza, ka aza variana fa mandeha ihany koa ny fotoana, raiso an-tanana ny hoavinao dia aza variana manonofy na mitsiriritra ny hafa fotsiny fa fantaro ihany koa izay zavatra tianao hatao eo amin’ny fiainanao dia mametraha tanjona ary mitadiava hevitra hatrany, ataovy izay hanatrarana an’iny tanjona iny. Manana finiavana ny hikaroka, aza malaina man­dany vola sy fotoana amin’ny zavatra mety hahasoa anao. Aza hadinoina ny mametraka ny hoavinao eo anatrehan’ilay nahary. Tsara ny mampahafantatra fa firenena iray efa hitangoronan’ireo tanora ma­lagasy amin’izao i Allemagne.

Nanatontosa : Fitia Randria

Famonoana an’i Tricha: adiny dimy taty aoriana, hita tao an-trano ny razana

$
0
0

Mampihoron-koditra ny zava-nanjo an’i Tricha, ilay zanaka vavin’ny mpihira Fandrama. Efa ora dimy taorian’ny namonoana azy vao hitan’ny fianakaviana tao an-trano ihany ny razana.

Naolana, nofatorana tongotra aman-tanana, nokendaina sy nodarodarohana, santionany tamin’ny zava-doza niaretan-dRavao Marie Tricha, zanaky ny mpanakanto Fandrama, mialoha ny nahatapitra ny ainy. Ireo no tombana voalohany hitan’ny fianakaviana, nialoha ny fanaovana fitiliana ny razana teny amin’ny HJRA, omaly. Mbola mitazona ho tsiambaratelo ny valin’ny fizahana ny fianakaviana na dia efa vita aza izany.
Tsiahivina fa novonoina tamin’ny fomba feno habibiana, teny 67 Ha ity tovovavy vao 17 taona, zanaka vavimatoan’ny Fandrama no za­nak’ ankanabavin’i Pierrot Ma­ta­tana ity. Tsy mbola fantatra mazava ny zava-misy marina, niseho afakomaly. Mbola anatin’ny fanadihadiana tanteraka ny mpitandro filaminana.
Tsy nisy nanatri-maso no tsy misy manamarina ny tena zava-nisy ny fianakaviana, nanaovana fanadihadiana teny an-toerana. Ny filazan’izy ireo dia mbola nisy nahatsikaritra niaraka tamin’ny olona roa teo ivelan’ny tranony ity lasibatra ity, ny sabotsy tokony ho tamin’ny 2 ora tolakandro.

Tsy vaky ny varavarana
Raha ny zava-niseho dia tena nampivarahontsana. “Mety tafaraka niditra taminy tao an-trano ireo olon-dratsy mpanolana sy mpamono olona. Tsy nisy nipitsoka ny varavarana”, hoy ny fianakaviana nanazava tamin’ny mpanao gazety. “Nanolana, namono olona, nangalatra ny entana tao an-trano ireo olon-dratsy”, hoy hatrany izy ireo.
Marihina fa efa tamin’ny fito ora alina vao hitan’ny fianakaviana tao an-trano ihany ny vatana mangatsiakan’ilay tovovavy. Mifanandrify amin’ ilay ora voalaza fa nahitan’ny manodidina azy farany ny fotoana nahafatesany nambaran’ny dokotera. “Efa maty ho adiny dimy tany ho any izy io”, raha ny fanamarihana azon’ny fianakaviana tamin’ny mpitsabo.
Marihina, tokony nianatra nirava tamin’ny 12 ora izy ny sabotsy, mialoha ny namonoana azy. Vantany vao tsy azo antso izy dia efa nanao fikarohana azy ny fianakaviany, araka ny fanazavana ihany. Efa alina vao hita tao amin’ny efitrano iray izy, hoy izy ireo namarana ny fitantarana. Halevina rahampitso ny razana.

Mino

Nodomin’ny kamiao: Raim-pianakaviana namoy ny ainy

$
0
0

Nandositra ny kamiao nahafaty olona tao Antetokely, Marovohitra, kaominina Sambaina, distrikan’i Manjakandriana, ny alahady 27 avrily teo. Voafaokan’io fiarabe ny raim-pianakaviana 41 taona, ny harivan’io andro io, tamin’ny 6 ora sy sasany. Nipitika tamin’ny arabe, vaky ra ilay lasibatra. Nitsirara tamin’ny tany izy ka nitarika tamin’ny famohizany aina. Tsy afa-nialana nenina intsony io niharan-doza io. Nidina ifotony nanao ny fanadihadiana ny zandarimaria. Niezaka nanara-dia an’ilay fiara nahavanon-doza ny mpitandro filaminana tao an-toerana taorian’ny fotoana nitrangan’ny loza saingy tsy hita ilay fiara. Natao ny fizahana ny vatana mangatsiakan’ilay raim-pianakaviana. Natolotra ny fianakaviany izay avy ao amin’ny fokontany Antetokely izy. Marihina, voararan’ny lalàna ary iharan’ny sazy enjana ny tompon’atoka minia mandositra mandritra ny lozam-pifamoivoizana nandratra na nahafaty olona.

Tsiferana R.

Viewing all 70405 articles
Browse latest View live