Quantcast
Channel: Newsmada
Viewing all 70524 articles
Browse latest View live

Fikaonandoha hikaroham-bahaolana: manahy savovoron’ny fifidianana ny CFM

$
0
0
   Tsy te hanan-dratsy ? Miatrika fivoriana fahatelo ny mpikambana  eo anivon’ny CFM, nanomboka omaly etsy Ampefiloha. Handinika lohahevitra maro sy haka fanapahan-kevitra izy ireo amin’izany, indrindra ny mialoha ny fifidianana.  « Horesahina ny fametrahana paikady isorohana ny mety ho disadisa hitranga amin’ny firenentsika. Efa manakaiky ny fotoam-pifidianana, indrindra ny filoham-pirenena amin’ny taona 2023. Mbola ho ela […]

Fanavaozana lalàna: hojerena ny sosialin’ny mpiasa

$
0
0
   Ampifanarahana ny vanim-potoana fa efa lany andro. Dinihina mandritra ny efatra andro etsy Ankorondrano ny fanavaozana ny lalàna mifehy ny asa, mialoha ny handaniana izany eny amin’ireo Antenimiera roa tonta. Miara-mikaondoha amin’izany ireo teknisianina, ahitana ny solontenan’ny mpiasa, ny mpampiasa ary ny fanjakana. Anisan’ny niatrika izao fihaonana izao ny ministry ny Asa, Ranampy Giséle. […]

Fampianarana ambony: ho « digitalisation » ny fanofanana tanora

$
0
0
  Hamelabelatra ny momba ny fanofanana ny tanora  amin’ny alalan’ny “Digitalisation” ny talen’ny ES-DES, i Hanitriniaina Eléa Chilo, rahampitso etsy amin’ny Plaza Ampefiloha. “Tanjonay ny hanofanana azy ireo amin’ny teknolojia avo lenta ary ahazoana ny “certificat” iraisam-pirenena izany”, hoy izy. Anisan’ny tafiditra ao anatin’izany ny fanofanana ireo tanora hiatrika fampandrosoana sy ny hananganany tetikasa manokana […]

Rugby vehivavy: hanokatra ny fifandonana ny SCB sy ny FTVL

$
0
0
  Hisantatra ny fiadiana ny tompondakan’i Madagasikara eo amin’ny sokajy vehivavy divisiona voalohany ny lalao hifandonan’ny SCB sy ny FTVL, ny asabotsy 25 septambra izao. Lalao voalohany anatin’ny fifaninanana, samy haneho ny maha ekipa sangany azy ao anatin’io sehatra io ny roa tonta. Ankoatra io lalao io, hifampitana amin’ny klioban’ny 3FB koa ny FTFA Antohomadinika […]

Fanohanana ny tanora: nahazo fitaovana ireo ekipan’ny fokontany any Mahareza

$
0
0
   Notoloran’ny kaominina Mahereza, Ambohidratrimo « maillots » miisa 150 sy «baolina» miisa 13 ireo tanora manerana ny fokontany fito any an-toerana, ny alahady teo. «Tanjona ny hampiroboroboana ny fanatanjahantena sy ny kitra eto amin’ny fokontany. Ny hanomezana  fialamboly ny tanora ary famaliana ny hetahetan’izy ireo izao fanohanana ara-pitaovana izao”, hoy ny ben’ny Tanàna, Rabenandrasana Mamy. Nanteriny […]

Judo: nodimandry  Andrianaivo Louis

$
0
0
  Very olomanga indray ny fianakaviamben’ny taranja judo malagasy. Nodimandry, ny alatsinainy teo, ny Maitre Andrianaivo Louis, rehefa tojo tsy fahasalamana, araka ny fampitam-baovao avy amin’ny fianakaviany. Namiratra tokoa Andrianaivo Louis na teto an-tanindrazana na tany ivelany. Izy ny Malagasy nahazo ny tompondakan’i Afrika, teo amin’ity taranja ity. Ankoatra izay, namoy ny ainy ihany koa […]

Kitra: nakotroka ny fitsenana ny ekipan’ny CFFA

$
0
0
  Tamin’ny fifaliana sy horakoraka no nitsenana ny ekipan’ny CFFA Andoharanofotsy. Tonga maro teny Ivato hatreny an-tanànan’izy ireo  ny mpankafy kitra, indrindra fa ireo avy eny Atsimondrano, omaly. Tomefy olona ny lalana nandalovan’ny ekipan’ny CFFA Andoharanofotsy, nandritra ny fahatongavan’izy ireo teto an-tanindrazana, omaly. “Misaotra CFFA” io no teny nentin’ireo mpankafy sy mpanohana ny klioba tamin’ny […]

Volley-Mada Seniors: hifampitana ny GNVB sy ny Mama

$
0
0
  Hiditra sahady, amin’ny lalao ampahefa-dalana, rahampitso, ny fiadiana ny tompondaka nasionaly, sokajy Seniors, taranja volley ball. Hafana ny fifandonana na ho an’ny sokajy lehilahy izany, na ny sokajy vehivavy. Hifanandrina voalohany, araka ny fandaharan-dalao, ny GNVB 1 sy ny Mama, ekipa samy kalaza ary manana vintana handrombaka ny amboara avokoa. Etsy ankilany, andrasan’ny maro […]

Ady amin’ny zava-mahadomelina: namoaka clip “Voageja” ny  tarika THT

$
0
0
   Tsy rava fa teo foana ny tarika THT naneho ny mozikany, nilona tanaty Rap, nandritra ny taona maro. Vazo misy hafatra, fanabeazana mitety vanim-potoana.   Namoaka ny vokatra vaovao indray ry THT, rindrantsary « clip » nampitondraina ny lohateny hoe “Voageja”, izay mitantara ny voka-dratsin’ny zava-mahadomelina eo amin’ny toe-pahasalamana  sy ny fiantraikany eo anivon’ny  fiarahamonina.  « Miavaka kely […]

Olombelo Ricky: hizara ny “Mozika tsisy farany”

$
0
0
Tsy nisy ny “Manal’Azy” tamin’ity… Niaraha-niaina ny antony, saingy niezaka ny hanentsina izany ry Olombelo Ricky. Taorian’ireo “cabarets” sy ny fivoahana tany amin’ny faritra, hizara ny “Mozika tsisy farany” izy, ny asabotsy 25 septambra ho avy izao, manomboka amin’ny 4 ora hariva, etsy amin’ny Canal Olympia Andohatapenaka. Hiavaka amin’ny mahazatra ny seho, satria misy tolotra […]

BNI sy tolotra Kred: vonona hanohana ny vehivavy mpandraharaha

$
0
0
  Manohana ireo vehivavy mpandraharaha ny BNI Madagascar sy tolotra Kred ao aminy. Varavarana misokatra anio ao amin’ny ESTI (Ecole supérieure de l’informatique) Antanimena, karakarain’ny Vondron’ny vehivavy mpandraharaha, ny Fédération of Women in Business, sy ny Antenimieran’ny varotra sy ny indostria eto Antananarivo, hihaonana amin’izay vehivavy manana tetikasa, maniry hahita famatsiam-bola. Mampahafantatra ny tolotra rehetra […]

Aurore Eudonchia Pelienne: vehivavy niofana ny mekanika tany Kenya

$
0
0
  Anisan’ireo 24 mianadahy nalefan’ny orinasa Base Toliara, niofana arakasa, nandritra ny roa taona tany amin’ny Titanium Kenya, Rtoakely Aurore Eudonchia Pelienne, 27 taona. Monina any Ankilimalinike, distrika Toliara II, faritra Atsimo Andrefana, ary nianatra sampam-pianarana fitantanana (Gestion) taona fahadimy. Dinidinika.  Gazety Taratra (-) : Nanao ahoana ny fiofanana nataonao ? Aurore Eudonchia Pelienne (*) : Sampana telo […]

Vitogaz miaro ny tontolo iainana: manao ny fomba rehetra hahafahan’ny maro mampiasa gazy

$
0
0
  Raha tsy misy fepetra raisina haingana, ho ripaka ny ala eto Madagasikara afaka 10 taona mahery kely. Manoloana ny fahasimban’ny tontolo iainana , miditra an-tsehatra ny orinasa Vitogaz Madagascar manao izay hampiasan’olona gazy hialana amin’ny fampiasana harina fandrehitra. Loza efa mihatra eto Madagasikara, ankehitriny ny faharavan’ny tontolo iainana, miteraka fiovaovan’ny toetr’andro. Voaporofo izany amin’ny […]

Fikambanana Ny Ampinga: nivoaka ireo mpikabary 135 tao amin’ny andia Volafotsy

$
0
0
  Notanterahina ny alahady 19 septambra lasa teo, teny amin’ny kianja maintso Analamahitsy ny fanandratana ireo mpianatra kabary teo anivon’ny fikambanana Ny Ampinga. 135 mianadahy mianaka ireo notolorana ny mari-pahaizana tamin’izany, taorian’ny fianarana 10 volana, ka 10 taona ny zandriny indrindra raha 66 taona kosa ny zokiny, tamin’izany. Andiany faha-13 ary misalotra ny anarana Volafotsy […]

Indray mijery

$
0
0
Ho avy eto Madagasikara, amin’ity herinandro ity, ny vaksiny « Sinopharm » miisa 300 000 ho fanohizana ny ady atao amin’ny valanaretina Covid-19. Vaksiny vaovao novokarin’ny laboratoara sinoa ity ankoatra ireo karazany roa efa ampiasaina amin’izao ity, hoy ny nambaran’ny minisitry ny Fahasalamam-bahoaka, Randriamanantany Zely. Ny AstraZeneca sy ny Janssen no efa ampiasaina eto Madagasikara ho […]

Fahasalamana sy fanafody: hiadian-kevitra ny vaksiny Covid-19

$
0
0
   Homarihina ny asabotsy 25 septambra izao etsy Andrainarivo ny Andro iraisam-pirenena ho an’ny farmasianina. Lohahevitra hovoizina amin’izany ny hoe « Ny farmasia: Fifampitokisana isan’andro, antoka ho an’ny fahasalamanao ». Hisongadina mandritra ny fanamarihana ny fampirantiana sy ny adihevitra hataon’ireo mpisehatra amin’ny tontolon’ny varotra fanafody eto Madagasikara. Anisan’ny hanaovana adihevitra amin’izany ny mikasika ny vaksiny fanefitry ny […]

Tetikasa Help Me See Madagascar: vita ny foibem-panofanana mandidy katarakta eny Ilafy

$
0
0
   Afaka mandray mpitsabo maso hiofana amin’ny fandidiana katarakta ny foibem-panofanana eny Ilafy. Manana milina manokana ahafahana mizatra mandidy ny foibe.     Notokanana omaly teny amin’ny Polyclinique Ilafy ny foibe fanofanana ny mpitsabo maso handidy katarakta amin’ny maso miaraka amin’ny fampiasana ny teknika MSICS. Manana fitaovana manokana hizarana amin’ny fandidiana ny foibe, izay hampiofana mpitsabo 120 […]

Madajeune: oniversite 50 mahery ho etsy amin’ny Digue

$
0
0
   Etsy amin’ny Akoor Digue no hanatanterahana ny hetsika « Salon des études supérieures », izay karakarain’ny Madajeune, manomboka anio sy rahampitso. Hetsika ho an’ireo vao afa-panadinana bakalorea farany teo mba hampahafantarana ireo karazana oniversite misy sy ny tolotra amin’ireo lalam-piofanana tiana hatao. Manodidina ny 50 ireo sekoly ambony miankina amin’ny fanjakana sy miahy tena handray anjara […]

Dihy – Fifampizarana: raikitra ny « D-Zara »

$
0
0
 Hotontosaina etsy amin’ny Kianjan’ny Kanto Imahamasina, ny 24 septambra izao, ny « D-Zara » na ilay atrikasa momba ny dihy, karakarain’ny fikambanana « Mpandihy eto Madagasikara (M.E.G). Afaka mandray anjara ny 10 taona no ho miakatra : olon-tsotra, ny mpandihy, ny mpampianatra dihy. Tsy manavaka sokajin-dihy. Fotoana ahafahana mihaona, mandihy, mianatra, mizara, mifanoro, mifandray, mifandinika. Ireo mpampianatra dihy, hizara […]

Les indésirables du 23 septembre 2021

$
0
0
Toute ressemblance avec des personnages ou des faits existants ou ayant existé ne peut être que fortuite et le fruit du hasard.
Viewing all 70524 articles
Browse latest View live