Nahafa-po ny filoha Rajoelina ny fihaonana tamin’ireo mpandraharaha frantsay sy mampiasa teny frantsay, ny herinandro lasa teo, tany Paris. « Manamafy ny fisokafanay amin’ny fiaraha-miasa amin’i Madagasikara izahay. Ny Frankofonia dia sehatra iray hisian’ny fiaraha-miasa lehibe », hoy ny sekretera jeneralin’ny OIF (Organisation internationale de la Francophonie), i Louise Mushikiwabo, tamin’ny 26 aogositra hariva, niarahana nisakafo. Nambaran’ny […]