Quantcast
Channel: Newsmada
Viewing all articles
Browse latest Browse all 70304

Ny Akon’ny Fahazavana : namoaka rakikira

$
0
0

Tany amin’ny taona 2002 no niforona ny tarika Ny Akon’ny Fahazavana. Ny hampahery sy hampita hafatra ho an’ny olona tsirairay tsy ankanavaka no atom-pisiany. Tsy mionona amin’ireo gadona efa misy ny tarika fa miezaka ny mikaroka. Ampahany amin’izany ny fanakambanana ny basesa sy ny sega, rap sy ny gadona avy atsy afrika atsimo. Nahamasaka nahandro ny tarika ka namoaka ny rakikirany voalohany nampitondraina ny lohateny : « Any an-danitra ». Amin’ity taona ity ihany koa no fantatra fa hamoahan-dry zareo ny rakitsary. Ampahany amin’ireo hira mandrafitra ny « Any an-danitra » ny : « Izaho sy Ianao », « Namana », « Mifona », « Mahereza », « Ambino », « Veloma »…

Anisan’ny tombon-dahiny ho an’ny tarika ny fananany feo lafika matanjaka miampy ilay feo miventy eny antsefantsefan’ny hira.  Ireo traikefa matanjaka sy haizatra matevina efa ananan’ireo mpikambana tsirairay, araka izany, no nentin’izy ireo nanajary ny kapila mangirana « Any an-danitra » izay marihina fa mirakitra hira 10.

Nanangona : HaRy Razafindrakoto


Viewing all articles
Browse latest Browse all 70304

Trending Articles