Quantcast
Channel: Newsmada
Viewing all articles
Browse latest Browse all 70297

Tselatra

$
0
0

Namono tena ity tovolahy iray rehefa avy nifamaly tamin’ny vadiny, teny Ampandrana ny 10 septambra hariva teo. Nisotro toaka Ingahirainy ary narahiny fihinanana poizina izany. Nitsipatsipaka teo izy no hitan’ny olona tao an-trano ary nifamonjena avy hatrany. Nentina teny amin’ny hopitaly ary avotra soa aman-tsara ihany. Tovovavy iray monina eny Ampefiloha ihany koa no namono tena nihinana poizina tamin’ny tavoahangy maromaro. Hitan’ny olona tao an-trano izy io ary nentina haingana teny amin’ny hopitaly ihany koa. Voalaza fa mbola tsy nahatsiaro tena izy io hatramin’ny omaly.

Notafihina andian-dahalo tao amin’ny tanàna iray any Ambato-Boeny, ny 9 septambra lasa teo. Omby 80 no voalaza fa lasan’ireo malaso tamin’izany. Nandritra ny fanarahan-dia nataon’ny fokonolona sy ny zandary, nahatratra 50 ny omby maty teny an-dalana. Tsy fantatra na inona no antony namonoan’ireo dahalo ireo omby ireo. Tamin’ny fotoana niverenan’ireo mpanara-dia no sendra dahalo roa lahy nandroaka omby 10 izy ireo. Raikitra ny fifandonana, ka dahalo iray no maty voatifitra ; ny iray, azo sambo-belona.

Taksiborosy iray mampitohy an’i Mahajanga sy Ambato-Boeny no niharan-doza, ny 9 septambra teo. Olona efatra no naratra tamin’izany, ka ankizikely vao roa taona monja ny iray. Voalaza fa sendra omby marobe nanapa-dalana ilay fiara teo amin’ny fiakarana iray mialoha ny hahatongavana an’Ambato- Boeny. Tsy tafajanona izy io ka nihemotra sy nidona tamin’ny vato tamin’ny sisin-dalana ary nivadika. Tamin’izany no namparatra ireo olona ireo. Taksiborosy iray ihany koa no nivadika tany Ihosy, afakomaly, ka namparatra olona valo. Nandeha mafy ilay fiara kanjo nivadika tampoka. Olona iray no tena voa mafy ary atahorana ny ainy.

Nangonin’i Yves S.


Viewing all articles
Browse latest Browse all 70297

Trending Articles