Quantcast
Channel: Newsmada
Viewing all articles
Browse latest Browse all 70299

Andry Rajoelina tany Betroka : “Tsy hitsoak’ady amin’ny dahalo !”

$
0
0

Tena hamongotra ny asan-dahalo tokoa ve no fototry ny lahateny izay nataon’ny filohan’ny tetezamita tany Betroka omaly maraina? Mahagaga tokoa mantsy fa dia efa 90 andro taty aorian’ny nisehoan’ny asan-dahalo mahery vaika tany Atsimo izay vao tonga tany ny filohan’ny tetezamita niatrika ireo vahoaka niharam-pahoriana. Mahatonga ny ahiahin’ny maro tokoa mantsy ny tsy nisian’ny asa-pitsikilovana mikasika ity resaka asan-dahalo ity, kanefa dia maro an’isa ireo manao izany asa-pitsikilovana any amin’ny mpanao politika mpanohitra fitondrana sy ireo namana mpanao gazety mianadahy (Lalatiana R. sy Fidèle R.).

Mandeha ny feo amin’izao fa isan’ny tompon’antoka amin’izao tranga izao ny fanondranana omby velona any ivelany; asa fanondranana omby izay ahian’ny sasany fa efa tamin’ny andron’ny ministry ny Fiompiana teo aloha no mety efa nanomboka na nomanina. Ny zava-misy aloha dia nanambara ny mpitondra ambony ao Kaomoro fa omby ara-dalàna avy any Tanzania ao Afrika Atsinanana no hafarany sy tonga ao amin’izy ireo. Ny fanontaniana dia mipetraka ihany amin’ny karazan’omby misy ao Tanzania sy ny eto amintsika.

Tsy resaka politika araka ny fitenenana intsony izao misy izao fa resaka “Mafia” amin’ny endrina hafa mihitsy. Mbola baraingo aloha hatreto ny firenena izay mandray ireo omby izay aondrana an-tsambo antsokosoko ireo, eo ihany koa ny mpividy azy, sns. Matoa anefa misy ny fanondranana omby, dia mazava ho azy fa misy ireo mpanondrana, ary misy ireo mpanangona ny entana sy ny mpandray azy any ivelany. Fanontaniana mbola mipetraka arak’izany dia hoe “Iza no ao ambadik’io fanondranana omby io ?”. Hatreto tokoa mantsy, na dia efa omby aman’aliny maro aza no naondrana an-tsokosoko dia tsy mbola hita soritra mihitsy ny firenena izay mandray azy. Mampametram-panontaniana tahak’izany ihany koa anefa ny nahafahan’ireo omby nivoaka sy ny nitaterana azy nankeny amin’ny seranan-tsambo, kanefa dia tsy hita mihitsy ny soritry ny dian’izy ireo. Izany rehetra izany dia mampitombona ny ahiahin’ny vahoaka fa misy amin’ireo mpitondra fanjakana mihitsy no miray tsikombakomba amin’ireo mpangalatra sy mpanondrana omby.

Maro amin’ireo mpanao politika sy mpitondra fanjakana toa ny Praiminisitra arak’izany no tsy mankasitraka velively ny hisian’ny fifanandrinana eo amin’ny mpitandro filaminana sy ny vahoaka, satria dia sarotra ny manavaka ireo dahalo ao anatin’ny vahoaka maro-be. Araky ny efa niaraha-nahalala tamin’ny dian’ny Praiminisitra ny 15 Jona 2012 lasa teo arak’izany dia nandroso-soso-kevitra amin’ny tokony hisian’ny fifampiresahana mivantana sy akaiky amin’ireo mponina any an-toerana ny tenany, mba hafahana mahafantatra ny marina. Ny CST Alain Ramaroson izay filohan’ny vaomieran’ny fandriam-pahalemana eo anivon’ny filankevitra ambonin’ny tetezamita ihany koa arak’izany dia nilaza fa tsy mankasitraka ny kabary izay miendrika fiantsiana intsony, izay mety hamoizana ain’olona maro.

Force spéciale” any amin’ny faritra Atsimo !

Araky ny vaovao fantatra dia haharitra 30 andro na mety mihoatra kely ireto vondron-kery manokana na “force spéciale” ireto amin’izao asa izay ataony any amin’ny faritra atsimon’ny nosy izao. Fitaovam-piadina  maro no hampiasain’izy ireo any. Ity vondron-kery izay tarihin’ny Kly Lylison Réné de Roland ity arak’izany no napetraky ny filohan’ny tetezamita any amin’ireo faritra izay tena mafana, ao anatin’izany ny faritra Anosy, Androy, Atsimo-Atsinanana ary Ihorombe, ka raha ny fantatra dia miaramila miisa 200 eo ho eo no ho eo ambany fiahian’ny Kly Lylison mandritra ity asa famongorana ny asan-dahalo ity.

Misy ireo milaza fa “hanao hery famoretana sy fandrahonana amin’ny vahoaka sa tena hamongotra ny asan-dahalo ny handefasana ity “force spéciale” ity any Atsimo ?”. Misy ihany ny manahy sy manontany tena ihany fa sao dia tafiditra ao anatin’ny paik’adin’ny mpitondra fanjakana amin’ny hahazoana famatsiam-bola avy amin’ny fianakaviam-be iraisam-pirenena ny fandefasana ny vondron-kery ity any amin’ny faritra atsimo ?

Fitadiavana fitaovana manara-penitra any Erôpa sy Etazonia !

Araka ny fanambarana izay nataon’ny filohan’ny tetezamita tany Betroka omaly dia hihazo an’i Erôpa sy Etazonia ny tenany ato ho ato hitady fitaovana hanampiana ny miaramila hafahana manaraka ireo omby izay lasan’ny dahalo; eo ihany koa ny hitadiavana helikoptera mahazaka miaramila maromaro. Mbola ezaka lavitr’ezaka anefa izany, satria dia fanontaniana mipetraka ny hoe: handray sy hanampy ny filohan’ny tetezamita ve ireo firenen-dehibe ireo ? Isan’ny ezaka akaiky izay tokony ataon’ny fanjakana anefa ny fametrahana ireo olona afaka manao asa-pitsikilovana na io teratany Malagasy na ihany koa teratany vahiny, kanefa kosa olona tena azo antoka. Amin’ny alalan’ny asa sy ny tatitra izay ataon’ireo olona manao asa-pitsikilovana io arak’izany no mety hafantarana ireo ao ambadik’ity tambazotra mpanondrana omby ity.

Liva R.


Viewing all articles
Browse latest Browse all 70299

Trending Articles