Quantcast
Channel: Newsmada
Viewing all articles
Browse latest Browse all 70309

Fitaterana : manohana ny Mercy Ships ny Orange sy Telma

$
0
0
Orange 6 fev

 Manampy ny tomponandraikitry ny sambo Mercy Ships ny orinasam-pifandraisana Orange sy Telma amin’ny fandefasana sms fanentanana ho an’ny vahoaka handray anjara amin’ny fitaterana ny olona hodidina any Toamasina. Tanàna 12 eto Madagasikara no hitiliana ireo olona mila fandidiana mifandraika amin’ny fitsaboana omen’ny mpitsabo ao amin’ny Mercy Ship. Entina any Toamasina izy ireo hiatrika ny fandidiana ka mila fitaovam-pitanterana. Mbola iantohana koa ny famerenana ireo voadidy any amin’ny toeram-ponenany. Efa nandalovan’ny ekipan’ny Mercy Ships ny tany Toliara sy Mahajanga. Raha tokony hiala eto Madagasikara amin’ity taona ity ny mpitsabo sy ny ekipa rehetra mahatratra 450, vokatry ny fangatahan’ny fanjakana Malagasy, hijanona eto amintsika hatramin’ny volana jona 2015 izy ireo, hoy ny tale jeneralin’ny Africa Mercy, Roland Decorvet.

3 900 ny isan’ny fandidiana ho tanterahina iarahan’ny mpitsabo vahiny sy Malagasy ao Toamasina misalahy. 36.000 ny fikarakarana nify atao ary hovoaentana momba ny fikojana ny fahasalamana ny vahoaka anarivony. Iantefan’ny fandidiana ny fivontosana eo amin’ny tarehy, ny tongotra misy fahasamponana, ny vehivavy tratran’ny aretina mamany lava, aretina katarakta… Maimaimpoana ny fandidiana sy ny fandraisana an-tanana.

Mandray andraikitra amin’ny fampandrosoana ny mponina amin’ny lafiny rehetra ny orinasa Orange eto amintsika satria manana politika mifandraika amin’ny sosialy manokana, araka ny fanazavan’ny tale jeneraliny, Michel Barré, omaly teny Anosy.

10% amin’ny olona tonga manatona mandritra ny fizaham-pahasalamna ihany no afaka didiana noho ny antony samihafa.

Vonjy

Cet article Fitaterana : manohana ny Mercy Ships ny Orange sy Telma est apparu en premier sur NewsMada.


Viewing all articles
Browse latest Browse all 70309

Trending Articles