Quantcast
Channel: Newsmada
Viewing all articles
Browse latest Browse all 70753

Halatra omby : misy tambajotra goavana ao Mahajanga

$
0
0
TAMBAJOTRA

 Mari-pototra ny fisian’ ny tambajotrana mpangalatra omby ao Mahajanga. Io no voalazan’ny kolonely Rabearison Charles, komandin’ny vondron-tobim-paritanin’ny zandarimariam-pirenena any Mahajanga

 Nanao tatitra tamin’ny vahoaka tamin’ny haino aman-jery ny ny tenany omaly mikasika ny fisian’ny tambajotrana mpangalatra omby ao Mahajanga.

Nanazava izy fa efa efa maro ireo mpikambana ao anatin’io tambajotra io no tratra. Eo am-pitadiavana ny atidoha mikotrika azy ity ny zandary eto an-toerana. Efa misy ny vaovao azo momba io raharaha io hoy izy ary efa eo am-piketrehana ny velam-pandrika ry zareo ankehitriny. Ny alarobia lasa teo dia mpangalatra omby roalahy indray no tratra.

Miisa telo ireo omby nangalariny ary teny amin’ny fokontanin’Ambondrona, kaomina Mahajanga tampon-tanàna no nahavery azy ireto. Mialoha izay dia efa nisy ny fitarainana tao amin’

ny Tobim-paritry ny zandarimarian’i Mahajanga  nataon’ny tompon’omby. Rehefa natao ny fanarahan-dia dia nifarana tao Belobaka, distrikan’i Mahajanga II izany, ka teo no niainga ny fanadihadiana hoy hatrany ny kolonely Rabearison Charles.

Olona tsara sitra-po iray no nahafantarana fa misy olona mivarotra omby ao Marovato, ao Belobaka ihany ka natao ny fakana ny vaovao rehetra momba ireto mpivarotr’omby ireto.  Rehefa voaporofo fa omby halatra tokoa no kasain’

izy ireo hamidy dia natao ny vela-pandrika.  Ireo tompon’ny omby very ihany no nasaina nifampiraharaha mivantana tamin’

ireo mpanera ka dia noraisim-potsiny izy ireo sy ireo jiolahy nangalatra ny omby tany Ambondrona.

Porofo izao fa dia mihinana omby halatra isika mpanjifa hena omby eto Mahajanga satria dia saika alefan’ireo mpangalatra eny amin’ny toeram-pamonoana omby avokoa ireo omby halatra rehetra ireo”, hoy ny kolonely Rabearison Charles. Notsipihiny fa tsy ny mpivaro-kena rehetra anefa akory no miara-miasa amin’ity tambajotran’ny mpangalatra omby ao Mahajanga ity.

Nohamafisiny fa filamatr’izy ireo hoe « miaro ny vahoaka sy ny fananany » ka miezaka hatrany ny zandarimaria miady amin’ny ratsy hoy izy ka ato ho ato dia hiroso amin’ny fisamborana ireo mpikambana ao anatin’ity tambajotra ity izy ireo.  “Izahay sy ny vahoaka dia efa vita mariazy ka tsy maintsy amin’ny alàlan’ny fiaraha-miasa amin’izy ireo no hanatanterahana izany”, hoy izy.

Hatolotra ny fitsarana ny faran’ity herinandro ity ireo mpangalatra omby  roalahy aorian’ny fanadihadiana azy ireo.

 Sehatra mahomby amin’ny fanaovana fampiharana  

Fa tamin’io fotoana io ihany koa no nampahafantaran’ny kolonely Rabearison Charles ny fahatongavan’ireo  zandary andiany faha-39 avy amin’ny Corps d’application des officiers (CAO), izay manamboninahitra vao nahavita fianarana ka tonga hanao fampiharana mandritra ny roa  herinandro ao an-drenivohitr’i Boeny. Ampahatsiahivina fa any Moramanga izy ireto no mianatra sy miofana ho zandary ary izao tonga ao Mahajanga izao manohy ny fianarany taorian’ny fiofanana tany an-toerana. Sivy mianadahy izy ireo,  telo vehivavy ary enina lehilahy.

Tiavina


Viewing all articles
Browse latest Browse all 70753

Trending Articles