Tenin’olon-dehibe ny nataon’ny Filoham-pirenena raha nilaza izy fa tandrin’ny any ambony any ny lavaka manerana ny arabe. Tsy misy hametraka fisalasalana amin’ny fahamarinan’izany fanambarana nataon’ny raiamandreny iombonana izany. Angamba manakoako hatrany aza ny figodon’ny kodiarana mitety ireo lavaka tsy tambo isaina. Tsy dia henon’ireo tompon’andraikitra sasantsasany kosa ny fikiakiakan’ny mponina noho ny fahasahiranana mianjady aminy, na minia manampi-tsofina izy ireo, ka mahatonga azy manana fahasahisahiana handray fepetra izay tsy hita ny maharariny azy nefa manampy totraka fahasahiranana ho an’ny fianakaviana efa an-jatony. Tsy mivaona amin’izany ny fampiatona ny fahazoan-dalana hamono omby ao amin’ireo orinasa mpanondrana hena.
Fidedadehana sa tetika maramara no nitarika ny fametrahana an’izany fepetra izany? Tsy fahampiana fandinihana sa tsy firaharahana ny vesatra izany miantraika any amin’ny mpiasa madinika? Tsy nisy fahabingona mivandravandra, ary na nisy aza izany, dia tsy ny bingo no nahitsy na ny lavaka hita no notsentsenana maika. Raha tsy inona izy ity ka ny zava-mandeha anto-piainan’ny olona maro indray no ampiantoana mba ahafahana mandinika ny fanitsiana ilaina.
May volon-tratra nefa tsy afaka hibaboka fa kitikitihin’ny rariny ka sao mipoitra eo ny nafenina, hany hery, aleo manipy andraikitra any an-kafa. Ny hafetsifetsena tsy tsara dinika anefa mazana mifototra ka vao mainka mandentika any amin’ny tsy fahamendrehana. Tsy mety hisy izany famporisihana ny mpiasa hanao fitokonana izany, ka grevy no resahina. Tsy olona mitokona tsy hiasa ireo manao fihetsiketsehana, fa mpikarama natosika any ivelan’ny toeram-piasany, naaton’ny fanapahan-kevitra izay nosoniavin’Ingahy Minisitra ny fahafahany hanohy ny asany. Tsy fitokonana fa fangatahana ny hamelana azy hiasa no nidinan’izy ireo an-kalamanjana.
Maivan-danja ny ahiahy mikasika fihoaran’isa ny omby vonoina. Mora ny fomba fanadihadiana ny fahamarinana na tsian’izany siosion-dresaka izany. Omby folo na roapolo isan-kerinandro ve dia hifandanja amin’ny antom-piainan’olona an-jatony isan’andro. Raha ahiahy no entina anapahana tenda, tsy vitsy angamba ny tomponandrikitra efa niboridana teny am-panidinana. Ity resaka ity anie tsy mipetraka amin’ny ahiahy intsony fa zava- nitranga no ifandirana e.
Léo Raz