Quantcast
Channel: Newsmada
Viewing all articles
Browse latest Browse all 70309

Cisco Antananarivo Renivohitra : nahazo “tablette” ny liseam-panjakana

$
0
0
TABLETTES

Mitohy hatrany ny ezaky ny minisiteran’ny Fanabeazam-pirenena izay miara-miasa amin’ny minisiteran’ny Fifandraisan-davitra sy ny Teknolojia vaovao amin’ny fizarana fitaovana hanampiana ny mpianatra amin’ny fianarana izay ataony.

 Araka ny lamina efa napetraka, nahazo “tablette numérique” ahafahana mifandray amin’ny tranokalam-pifandraisana ihany koa ireo mpianatry ny liseam-panjakana rehetra eto anivon’ny fari-pididiam-pampianarana (Cisco) Antananarivo Renivohitra.

 Omaly no nitety ireo lisea eto Antananarivo ny minisitry ny Fanabeazam-pirenena, Rabary Paul sy Rakotomamonjy Neypatreky, ministry ny Paositra sy ny fifiandraisan-davitra. Tablette miisa 150 no natolotra ny lisea eny Nanisana sy Andohalo ary Faravohitra. Anio kosa no hanolorana ny anjaran’ny lisea Anamamahitsy sy Ambohimanarina.

 Marihina fa tablette 50 isa, mitondra ny marika “Samsung Galaxy Tab III”, isaky ny toeram-pianarana no nozaraina izay fiaraha-miasa tamin’ny Firenena Koreana. 2.000 ny isan’ireo fitaovana ireo ary efa saika nahazo ny anjarany avokoa ny toeram-pianarana manerana ny Nosy rehetra ka ny taona 2014 lasa teo dia 1.000 tamin’ireo fitaovana ireo no efa voazara ary mandritra ny volana janoary sy ity febroary ity kosa no hizarana ireo toeram-pianarana hafa.

 Tanjon’ny minisiteran’ny Paositra sy ny minisiteran’ny Fanabeazam-pirenena kosa ny hametrahana fahita lavitra isaky ny CEG eny anivon’ny kaominina amin’izao fotoana izao.

Tiavina


Viewing all articles
Browse latest Browse all 70309

Trending Articles