Quantcast
Channel: Newsmada
Viewing all articles
Browse latest Browse all 70292

Kandida tokana : eo am-pandinihana ny Mapar

$
0
0
KANDIDA TOKANA-050215

 Mbola tsy tapa-kevitra hanao kandidà tokana ny Mapar. Mbola miandry fifampidinihana io tolo-kevitra io.

Tsy nisy resaka tapaka aloha”. Io ny nambaran’ny mpitondra tenin’ny vondrona Mapar, Pierre Houlder, mikasika indrindra ilay resaka fanolorana lisitra tokana.

Mbola ifampidinihana eo anivon’ny fivoriana iarahan’ireo antoko ao amin’ny vondrona Ambodivona io lisitra tokana io. Fa ekena tokoa fa tokony ho izay no lalàna hodiavina”, hoy ny fanazavany. “Raha ny lojika, tokony ho tokana ny lisitra avy amin’ity vondrona ity, saingy mbola tsy tafapetraka mazava tsara ireo fepetra entina manatanteraka izany”, hoy hatrany Pierre Houlder.

Heverina fa paikady mahomby tsy hisian’ny fiparitahan’ny vato ny fanaovana lisitra tokana. Ankoatra ity vondrona Ambodivona ity, efa mamolavola izay fomba hahatanterahan’io lisitra tokana io ihany koa ny avy amin’ ny ankolafy Ravalomanana.

Tsapa ho nahitana lesoka mantsy ny tamin’ny fifidianana depiote farany teo satria maro ireo kandidà avy amina vondrona samy mitovy firehan-kevitra, hany ka nampizara ny vato ka nahatonga ny kandidà sasany na tsy mamim-bahoaka aza, latsaka ihany.

Nadia


Viewing all articles
Browse latest Browse all 70292

Trending Articles