Quantcast
Channel: Newsmada
Viewing all articles
Browse latest Browse all 70318

Minisiteran’ny Mponina : aoka hiasa alohan’ny fanaovana resa-be

$
0
0

 Lany andro amin’ny fanaovana resa-be. Asa tonga dia vavany no andrasana amin’ny minisitry ny Mponina sy ny fiahiana ny vehivavy, Realy Onitiana fa tsy resaka. Amin’izao fandraisany ny asany izao, toa nohadinoiny ny fijerena ifotony ny sosialin’ny mponina noho ny tondra-drano sy ny traboina etsy sy eroa. Andro maro izay no lasa, niantsorohany ny asa maha minisitra azy fa tsy mbola nahitana bainga voavadika, raha ireo lafiny ireo monja.

Ankoatra izany, mifangaro be ihany izay nambarany tao amin’ny fahitalavitra tamin’ny herinandro teo sy ny ataon’ny governemanta. Tsy nifandinika sy nifampiresaka tamin’ny praiminisitra lehibeny fa tonga dia nanapa-kevitra samirery? Nilaza ny hampanao tolo-tanana amin’ny alalan’ny finday (mobile banking) Rtoa Minisitra ary novoizina fatratra izany. Namoaka fanambarana hafa indray anefa ny filan-kevitry ny governemanta, afak’omaly, fa hetsika tolo-tanana hafa ho an’ny voin-kava-mahatratra no hataon’ny rehetra ka niantsoana ny mpiasam-panjakana rehetra eny amin’ny Tranombokim-pirenena Ampefiloha ny asabotsy 7 febroary ho avy izao.

Mbola mijabaka amin’ny tsy tokony ho andraikiny koa Rtoa Minisitra. Inona no hidiran’ny minisitry ny Mponina amin’ny andraikitry ny minisiteran’ny Fahasalamana? Tsy misy idirany mihitsy ny fijerena na fanaraha-maso ireny sampan-draharaha misahana ny fitsaboana ny mpiasa. Efa ela tsy niditra tamin’ireny rahateo angamba ny tenany ka diso fandray ny andraikiny? Manginy fotsiny ny fidirany amin’ny andraikitry ny minisiteran’ny Asa sy ny depiote. Hisolo toerana azy ireo angaha ny nanendrena azy ho ao amin’ny ministeran’ny Mponina?

Raha izao fizotry ny fanombohany ny asany izao, ahiana hiroso amin’ny fanatonana orinasa Rtoa Minisitra amin’ny « fitarainany » noho ny tsy fisiam-bolan’ny minisiterany izay anisan’ireo fanalahin’ny governemanta hatramin’izay. Raha fehezina, tokony hipetraka amin’ny toerany sy ny andraikiny ny tsirairay fa tsy hisalovana ny an’ny hafa, indrindra tsy tokony handray ny asa tsy voafehy.

 CM


Viewing all articles
Browse latest Browse all 70318

Trending Articles