
Nitrangan’ny fanafihana mitam-piadiana teny amin’ny Village Famonjena, kaominina Bongatsara, omaly vao maraina. Efa maty paika tanteraka ny fanafihana. Mbola tao anatin’ny torimaso ny ankizy tao amin’ny trano iray no tonga ireo jiolahy izay tsy nisy nisaron-tava. Nopoiriny ny varavarana ka rehefa tafiditra izy ireo dia notereny hamoha ny ray aman-dreniny izay natory tany an-tsena ireo zaza mianadahy, 13 sy 15 taona.
Tsy afaka nanda izy mianadahy fa dia nanaraka am-bokony. Vao nisokatra ny varavaran’ny tsena dia nanao amboletra niditra ny sasany amin’ ireo olon-dratsy. Nanapoaka basy intelo ihany koa izy ireo. Tsy sahy nihetsika ny manodidina rehefa nahare ny poa-basy. Ny tafon-tranon’ireo olona manodidina ihany koa notoratorahany vato ka vao mainka nampitombo ny horohoron’ny mponina izany. Nosavain’izy ireo ny tsena. Tsy nitondra entana izy ireo fa ny vola ihany no nalainy dia lasa izy ireo. Fantatra fa 15 minitra no naharetan’ny fanafihana. Tonga teny an-toerana ny zandary ka nanao fisavana ny manodidina. Tsy nisy tratra ireo jiolahy fa ny taim-bala telo ihany no hitan’izy ireo.
Mparany