Araka ny valandresaka nataon-dRabarison Tiana izay filohan’ny fikambanana miaro ny zon’ny mpanjifa ary tsy iza fa ny ray niteraka an’i Nanah, ilay tovovavy maty notsatohin’ ny tovolahy iray ny antsy tetsy akaikin’ny Mausolée, dia mandeha ny feo fa misy ny fanelanelanana mba hamoahana avy eny Tsiafahy an’i Fetra, ilay tovolahy voalaza fa nanao ny famonoana.
Na dia nandà mantsy ity farany dia hita teny aminy avokoa, ankoatra ny môtôn’i Nanah ny kitapony izay nisy ny karapanondrony sy ny karatra maha-mpianatra azy. Manoloana izany ary dia nampiaka-peo ny rain’Itompokovavy fa tsy hanaiky mora ny zavatra toy izany satria dia maharary azy tokoa izany atao hoe very zanaka izany.
“Zaza teo am-pitadiavana ny ho aviny no nesorina aina. Nofandrihana ny zanakay satria tsy mba fanaony mihitsy izany hoe tsy mampilaza rehefa tsy hody toy ny hoe hatory any amin’ireo havanay”, hoy Rabarison Tiana nanohy ny fanazavany. Ambonin’izay, naneho ny alahelony ihany koa ity raim-pianakaviana ity ny amin’ny tsy mba nanaovan’ny havan’i Fetra na dia azafady taminy akory na mba nitsapa alahelo ny fianakaviana, eny fa na dia amin’ny maha-Malagasy fotsiny ihany aza.
Fa mbola mety tsy hijanona hatreo araka izany ity raharaha ity satria nilaza ny hanao hetsika hanairana ny fitondram-panjakana ny fianakavian’i Nanah. Ary farany dia nilaza ilay raim-pianakaviana izay nilaza ny alahelony fa mbola tokony hitohy ny famotorana satria mbola tsy hita ny findain’i Nanah ary mbola misy izany tovovavy iray izany voalaza fa nifandray tsy tapaka tamin’i Nanah tamin’ny sms na hafatra fohy amin’ny finday fotoana vitsy talohan’ny namonoana azy.
Tiavina