Quantcast
Channel: Newsmada
Viewing all articles
Browse latest Browse all 70793

Kandidà ho ben’ny Tanàna : hamoaka lisitra vonjimaika ny Ovec anio

$
0
0

 Tapitra, omaly, ny telo andro nandinihana sy nanamarinan’ny Rantsana misahana ny fandraisana sy fanamarinana firotsahan-kofidina (Ovec) 114 manerana ny Nosy. Araka ny loharanom-baovaonay, omaly, afaka mamoaka lisitra vonjimaika amin’ireo voaray ho kandidç hifaninana ho ben’ny Tanàna izy ireo, anio.

Raha ny fanazavana azo, misy amin’ireo kandidà nanatitra antontan-taratasy firotsahana no tsy nahafeno akory ireo ilaina amin’izany. Anisan’ireny ny tsy fahafenoana ny isan’ny olona tokony ho ao anaty lisitra. Mety ho tsy fahampiana olona izany na fifandaminana anatiny eo amin’ny mpiray lisitra.

Misy koa ireo nandefa antontan-taratasy firotsahana fotsiny saingy tsy mbola voaloa tany amin’ny fiadidiana ny hetra, ohatra, ny anto-bola sy ny hetra na misy antontan-taratasy tsy ampy hafa. Rehefa vory avokoa ireo anton-taratasy ilaina rehetra vao azo raisina sy ankatoavin’ny Ovec ny firotsahan-kofidina.

Ho sahirana ireo any ambanivohitra

Voalaza afakomaly fa nisy valo ireo kaominina tsy nanana kandidà afa-tsy tokana tamin’ny firotsahana. Mety ho anisan’ny anton’izany ny tsy fisian’ny hoenti-manana ho an’ireo te hifaninana. Ahiana tsy hisy fifidianana ben’ny Tanàna amin’ireny kaominina ireny, izay samy ambanivohitra avokoa. Noho izany, na hikarakara fifidianana ampahany ny fanjakana sy ny Cenit, na hanendry PDS ny fitondrana.

Hita teto Antananarivo Renivohitra koa fa nisy roa tamin’ireo 10 nametraka firotsahan-kofidina no tsy nahafeno fepetra. Izany hoe, misy antontan-taratasy tsy ampy ka nahanton’ny Ovec ny firotsahany mandra-pahafeno ny fepetra. Midika izany fa na ny taty an-drenivohitra aza, nahitana fahasahiranana nikarakara antontan-taratasy, mainka fa ireo lavitra ny renivohitra? Tsy nihamora araka ny filaza azy ny raharaha.

Araka ny lalàm-pifidianana kaominaly, homen’ny Ovec taratasy fanamarinana ny fandavana na ny fandraisana ny firotsahana ireo kandidà. Havoakan’izy ireo peta-drindrina kosa ny lisitr’ireo kandidà azo noraisina.

Zo. Ra.


Viewing all articles
Browse latest Browse all 70793

Latest Images