
Ho potiky ny mpangalatra ny seha-pihariana lavanila any amin’ny faritra mpamokatra azy, hoy ireo mpandraharaha any Sava.
Tsy voafehin’ny mpitandro filaminana intsony ireo mpanao asa ratsy, mpangalatra lavanila maintso na lavanila manta, ankehitriny. Efa nisy ihany tsipaipaika nakan’ny tompon’andraiki-panjakana vola amana hetsiny tamin’ny mpandraharaha isanisany tany an-toerana, hanatsarana ny firovana io vokatra io, nefa tsy mbola misy fiantraikany hatramin’izao.
Voatery nandray andraikitra, hiaro ny tombontsoan’ny besinimaro ny solombavambahoaka voafidy tao amin’ny distrikan’i Sava, Mamangy Norbert, noho izany, amin’izao fotoana izao. Nentaniny ny fikambanana « Trano kasaka » tarihiny, hanenjika ny mpangalatra lavanila manta manerana ny distrika. Novatsiany finday tsirairay avy ny mpitarika isam-pokontany, noho izany, hahafahany mampita ny vaovao rehetra mikasika io asa ratsy io sy izay olona manao fihetsika mampiahiahy. Fanamby napetraky ny depioten’io solombavambahoaka any amin’ny faritra Sava io koa ny hanara-maso ny fampiharana lalàna amin’ireo mpangalatra voasambotra, hisorohana ny kolikoly.
Foto-karen’iny faritra avaratra atsinanan’ny nosy iny hatramin’izay ny famokarana lavanila. Hampitsontsorika ny fari-piainan’ny tantsaha mpamokatra ary hampiraviravy tànana azy ihany ny tsy fahampian’ny fiarovan’ny fanjakana azy toy izao sady hamparefo ny toekarem-pirenena.
Manou