Quantcast
Channel: Newsmada
Viewing all articles
Browse latest Browse all 70309

Ambatofotsy : naratra avokoa ireo mpandeha

$
0
0

  Omaly vao maraina, fiara avy any Ambatofotsy handeha hihazo an’Antananarivo no nitrongy vodihazo tao amin’ny kaominina Tsiafahy. Olona telo tao anaty fiara no naratra mafy ka voatery notsaboina etsy amin’ny HJRA. Anisan’ny naratra ihany koa ny mpamily. Vokatry ny fandehanana mafy raha araka ny fanazavan’ny olona iray niharam-boina no nahatonga ny loza. Ny lalana anefa malama ka raha hiditra ny fiolanana kely ao Tsiafahy ity fiara ity dia tsy voafehin’ny mpamily ny familiana ka nivoaka ny lalana mihitsy. Vokatr’izany, nifatratra tao amin’ny vodihazo ilay fiara. Mafy dia mafy ny fifandonana. “Soa ihany fa nidona tamin’ity hazo ity fa raha tsy izany dia namatana tany amin’ny tranon’olona eo amoron-dalana”, hoy ilay vavolombelona.  Mila mailo ny mpitondra fiara amin’iny lalam-pirenena faha-7 iny fa malama ny lalana amin’izao vanin’andron’ny orana izao. Ireo mpandeha tsy mana-tsiny hatrany mantsy no mibaby ny vokany.

Tiavina


Viewing all articles
Browse latest Browse all 70309

Trending Articles