Tao anatin’izay roa andro nisian’ny rotsak’orana tsy ankijanona izay dia trano miisa 5 teto Antananarivo Renivohitra no nirodana. Maro ny zavatra simba.
Tsy vitan’izay fa mbola namoizana ain’olona ihany koa izany ny alatsinainy alina teo noho ny fianjeran’ny trano iray teny Manakambahiny. Voatsindrin’ny biriky sy ny hazo izy ka na natao aza ny famonjena rehetra dia tsy avotra intsony ny ainy. Fa ankoatra izay, omaly dia trano efatra be izao no nirodana toy ny teny Ambodimita, Betafo Ambohimanarina ary Besarety. Araka ny fanazavana, trano efa tranainy avokoa ny ankamaroan’ireo trano ireo.
Efa nisy ihany ny fitarainan’ny mpiray vodirindrina mikasika ny fahavoazan’izy ireo saingy rehefa natao ny fitsirihana dia mbola afaka nipetraka ihany ny tompon-trano. Noho ny ora-mikija anefa dia nitombo ny fahavoazan’ireto trano ireto ka izao izy nirodana izao ihany. Io omaly io aloha dia tsy nisy ny aina nafoy sy ny naratra fa ireo entana tao an-trano kosa no simba avokoa.
Manentana ny mponina, indrindra ny eny amin’ny faritra iva ny BNGRC sy ny mpamonjy voina mba hiala amin’ireny faritra ireny fa mety hiakatra tampoka ny rano ao anatin’ny 12 ora. Ao anatin’ny fotoanan’ny orana rahateo ihany koa isika izao ka tokony ho mailo ny rehetra. Ny foibe famantarana ny toe-trandro ihany koa etsy ankilany efa nampilaza fa mitondra orana sy rivotra ilay toe-trandro ratsy any lakan-dranon’ny Masombika ka anisan’ny nahazo fampilazana loza maitso ny eto Antananarivo.
Tiavina