Quantcast
Channel: Newsmada
Viewing all articles
Browse latest Browse all 70304

Makamaka fanahy : manomeza kely…

$
0
0

Niteraka resabe ny momba ilay tovolahikely izay nitondra fanomezana teny amin’ny Birao misahana ny loza voajanahary (BNGRC) ho an’ireo traboina. Tao ireo nanakiana ka nilaza fa filma efa nomanina iny mba hanairana sy hanetsehana ny hambom-pon’ny maro mba handrotsaka izay voatsirambin’ny tanany eny amin’ny BNGRC. Tao koa anefa ireo nidera ny fihetsik’ilay zaza. Tsy vitan’ny nitondra fanampiana mantsy izy fa mbola nandeha irery ihany koa. Na ahoana na ahoana anefa, na nomanina mialoha io, na fihetsika tsy namboamboarina, ny zava-dehibe dia ny fahafoizany. Na mety ho vola avy amin’ny ray aman-dreniny aza mantsy iny dia mendrika ny toetra nasehony. Mora tokoa ny manome tsiny. Ny manao ihany tokoa mantsy no tsy maintsy voakiana sy voaenjika eo amin’ny fiainana. Inona moa ny hanenjehana ny olona tsy manao na inona na inona? Angamba tsy misy, ankoatra izay tsy fanaovany na inona na inona izay. Betsaka ireo manana fahafahana hanome fa firy amin’ireny no mahafoy ho an’ireo tra-doza ? Maro ireo manontany ny ory, kanefa lalim-paosy. Marina fa ny vola toy ny volon-korona ka na kely na be ongotana, maharary foana. Nefa amin’ny toe-javatra toy izao no tokony hanehoana ny atao hoe voin-kava-mahatratra sy ny fihavanana malagasy. Ao anatin’ny sarotra, hono, no ahitana ny tena namana.


Viewing all articles
Browse latest Browse all 70304

Trending Articles