Tsy miombon-kevitra amin’ny hanasana ny filoha teo aloha Ravalomanana Marc izay heverin’izy ireo fa meloka nahatonga ny asabotsy mena ny filohan’ny Av7 teo aloha Andriamahefarisoa Etienne.
“Tsy nampahafantarina ny momba io fanapahan-kevitra io izahay mpikambana sasany”, hoy ny tenany. Ary heveriny fa maro amin’ireo mpikambana no tsy mankatoa ihany koa io fanapahan-kevitra io.
Raha ny fantatra, tsy handray anjara amin’ny fanompoam-pivavahana ity ankolafina AV7 tarihin’ny filohany teo aloha ity fa kosa hanatanteraka ny fanaterana ny voninkazo eny Ambohitsorohitra. Raha ny feo mandeha dia mizara roa ihany koa ankehitriny ny AV7. Misy ny AV7 izay miara-dia amin’ny filohan’ny Tetezamita ary misy ireo miara-dia amin’ny fitondrana amin’izao fotoana. Ireto farany raha ny fanazavana no nanao ny fanambarana ny asabotsy teo. Ireo AV7 miaraka amin’Andriamahefarisoa Etienne no azo ambara fa ireo “tsy mivonona ny hamela fotsiny amin’izao ny filoha teo aloha Ravalomanana”.
Nitondra fanamarihana momba ny hetsiky ny AV7 ny asabotsy izao ihany koa ny avy ao amin’ny FFKM foibe. Raha ny fantatra dia tsy handray anjara amin’ny fitarihana ny fanompam-pivavahana izay ho tontosaina eny amin’ny lapan’ny kolontsaina sy ny fanatanjahantena eny Mahamasina ireo filoham-piangonana efatra mirahalahy.
“Raha nisy ny fangatahana ny FFKM hitarika ny fotoam-bavaka dia ny FFKM Antananarivo no miandraikitra izany”, hoy ny fanazavana avy amin’ny FFKM. Tsy dia mandray anjara firy amin’ny fitarihana fotoam-bavaka eto amin’ny firenena ny FFKM foibe raha tsy amin’ny 29 martsa irery ihany.
Na izany aza anefa dia nidera ny ezaky ny ataon’ny AV7 ny avy amin’ny FFKM raha ny fantatra. “Tsy nisy an-tery na toromarika avy amin’ny FFKM io fanapahan-kevitra io” raha ny fanazavana ihany.
Nadia