Quantcast
Channel: Newsmada
Viewing all articles
Browse latest Browse all 70582

Antsirabe : tafatsangana ny tsangambaton’ny 3 mey

$
0
0

 Sambany ! Misy izao ny tsangambaton’ny fahalalahan’ny asan-gazety ao Antsirabe. Niantsorohan’ny Vondron’ny mpanao gazety ao Antsirabe (VMA) sy ireo mpiara-miombon’antoka aminy ny nananganana izany, ho fanamarihana ny andron’ny 3 mey, andro eran-tany ho an’ny fahalalahan’ny asan-gazety, izay notokanana ny alatsinainy 4 mey lasa teo.

Nomarihin’ny filohan’ny VMA, Andrianjafisolo Mamy fa taratry ny firaisankina sy fisiana mandrakizay io tsangambato io. Ho an’ireo solontenam-panjakana nandaha-teny, mpiara-miombon’antoka amin’izy ireo ny mpanao gazety, araka ny lahateny nifandimbiasan’ireo solontenam-panjakana.

Nanazava ilay fifaninanana momba ny fahaleovantena sy ny fiandrianam-pirenena ho an’ny mpanao gazety, nandritra io fotoana io ny filoha lefitry ny holafitry ny mpanao gazety, Didi Ratsimbazafy.

Zo. Ra.


Viewing all articles
Browse latest Browse all 70582

Trending Articles