
Hisy ny fisondrotan-karama ! Nambaran’i Maharante Jean de Dieu, nandritra ny fankalazan’ny teto an-drenivohitra ny fetin’ny mpiasa omaly teny amin’ny kianja mitafon’i Mahamasina ny hisondrotan’ny karama farany ambany 124.000 ariary eo amin’ny sehatra tsy miankina ho 133.000 ariary. « Ato anatin’ny tapa-bolana, raha ela indrindra no hivoahan’izany », hoy izy.
Hasiam-panamboarana tahaka izany ny karaman’ny mpiasam-panjakana, hoy ny minisitry ny asam-panjakana sy ny asa, ka hitovy sokajy avokoa ny mitovy maripahaizana raha mitovy fahaelana tamin’ny asa amin’ny toeram-piasana rehetra satria hampitoviana ny mari-karamany.
Tsy maintsy ho hatsaraina koa ny volan-jaza fandrain’ny mpiasa tsy miankina, hoy ihany ity minisitra ity omaly. Hasondrotra ho 7.000 ariary, araka ny fangatahan’ny sendika, ny volan-jaza izay 2.000 ariary hatramin’izay ka ato anatin’ny telo volana no tsy maintsy hahatanterahana izany, araka io fanambarana io. Nampahafantatra ny hanarenany ny lalàna ara-tsosialy momba ny vola fisotroan-dronono ny minisitra, tamin’io fihaonany tamin’ny mpiasa io, ho fitsimbinana ny zokiolona nahefa tamin’ny firenena.
Voatsindrin’ny fahantrana ny lalàna
Niaiky ny fisian’ny asa fanandevozana amin’ny endriny vaovao eto amintsika ny minisitra Maharante, omaly, ka hanokatra laharana antso maimaim-poana, hampitan’ny mpiasa mivatana ny fitarainany, hisian’ny fanaraha-maso hentitra. Voahelingelin’ny fahantrana ihany anefa, hoy izy, ny ezaka hiadiana amin’io fandikan-dalàna io satria ireo iharany ihany no misakana ny fampiharana lalàna, hiarovana ny fikatonan’ny orinasa.
Manou