Nanapaka avy hatrany ny fitsarana eny Anosy omaly, momba ny raharaha vato safira notrandrahin’olona tany Andilamena, fa alefa any amin’ny fitsarana ady heloka madio ny raharaha. Afaka, noho izany, ireo Srilankey sy ilay vehivavy teratany malagasy voatazona teny amin’ny borigadin’ny harena an-kibon’ny tany Ampandrinomby sy ny zandary Betongolo, mandra-piandry ny fiverenan’ny raharaha eny amin’ny fitsarana indray.
Tsy nisy resaka, araka izany, ny momba ilay vato safira antsoina hoe masopiso milanja 30,6 grama. Tsy niverina tany amin’ireo mpitrandraka, noho izany, ilay vato, izay nandiso fanantenana ireo sivy lahy mpitrandraka. Tsy nisy resaka momba izany, ary tsy fantatra izay misy ilay vato hatramin’izao. Ny fitsarana rahateo, tsy nanome didy ny hamerenana izany any amin’ireo mpitrandraka nahita izany. Miandry ny fotoana iakaran’ny raharaha eny amin’ny fitsarana ady madio izany ny rehetra. Ireo mpitrandraka izay milaza fa tsy hanaiky izao raharaha izao.
Yves S.