
Na dia mbola betsaka aza ireo fanontaniana tsy maintsy valiana manoloana ny fanomanana ny fifidianana ben’ny tanana, sy ireo olana kely mitranga sahady, dia nanambara ny avy eo amin’ny KMF/Cnoe fa efa manara-maso sahady ny fanomanana izany izy ireo.
Tsy an-kiandriandry. « Efa eo am-perinasa ny mpikamban’ny KMF/Cnoe manerana an’i Madagasikara amin’ny fanaraha-maso ny fizotran’ny dingana fanomanana ny fifidianana amin’izao », hoy ny filohan’ny KMF/Cnoe, Razafindraibe Ernest, teny Alarobia, omaly.
Anisan’izany fanaraha-maso izany ny fijerena ny lisitry ny mpifidy. Eo koa ny amin’ny fametrahana ny antontan-taratasy filatsahan-kofidin’ireo kandidà eny anivon’ny rafitra manamarina sy mandray izany (Ovec). Manampy izany ny fijerena ny fanarahan-dalàna etsy sy eroa. «Tanjona ny fifidianana madio sy malalaka. Fa eo koa ny tsy hifanoheran’ny voka-pifidianana isaky ny kaominina», hoy ihany izy.
Na izany aza, nambarany fa samy manana ny anjara sy ny andraikitra tandrify azy avy ny tsirairay amin’izany, indrindra ny KMF/Cnoe. «Mpanabe olom-pirenena sady mpanara-maso ny fifidianana izahay», hoy izy ireo.
Fandrahonan’ny HVM
Eo amin’ny fomba fiasa kosa, ampiakarina ara-potoana sy mitohy ny vokatry ny fanaraha-maso. «Tsy mbola misy azo lazaina aloha ny amin’ny fisian’ny olana na ireo lesoka tokony hohatsaraina ny amin’ny fanomanana sy fikarakarana ny fifidianana», hoy ny KMF/Cnoe. Midika izany fa tsy mbola hita na tsy voarain’izy ireo ny momba ny faneriterena sy fandrahonan’ny antoko HVM ireo kandidà sasany sy ny mpifidy any amin’ny faritra. Ohatra, ny any Ambatondrazaka na Toliara.
Eo koa ny momba ilay kandidàn’ny antokon’ny fitondrana eny Ankadikely Ilafy.
Synèse R.