Hitsidika an’ i Toamasina ny filoham-pirenena. Terena ho tonga hanotrona ny mponina sy mpianatra ary mikoropaka ny tompon’ andraikitra rehetra any an-toerana. Nampiantso fivoriana maika ho an’ ny lehiben’ny fampianarana, sefo fokontany, lehiben’ny sampandraharaham-panjakana rehetra any Toamasina ny eo anivon’ny faritra sy
ny lehiben’ny disitrika.
Nivory avokoa izy rehetra ireo, omaly ary nanomana ny hahatongavan’ny filoha any an-toerana ny asabotsy izao.
Anisan’ny anton-diany ny hanolorana ny moto ho an’ ireo sefo Zap manerana ny Nosy ka ny eto Toamasina no hanaovana ny fanolorana ofisialy izany.
Hotokanana amin’io fotoana io koa sekoly iray etsy Analamboanio.
Manahy ny hiverenan’ny olana amin’ny tsy fahavorian’ny vahoaka tahaka niseho tamin’ny fandalovan’ny filoham-pirenena teto an-toerana ny 30 marsa teo ny tompon’
andraikitra rehetra eto an-toerana ka manao fanerena ny
sampandraharaha rehetra, indrindra ny mpianatra mba ho samy ho tonga
eo anoloan’ny Lapan’ny faritra Atsinanana sy ny araben’ny Fahaleovantena.
Raha tsiahivina, notezeran’ny filoham-pirenena ireo miseho
tsara kravaty sy andraikitra politika raha tonga nitsena azy tao
amin’ny seranam-piaramanidina Ambalamanasy tamin’io fotoana io. » Izao
ve isika HVM no hiatrika fifidianana, nefa tsy mahavory olona akory. Inona
ihany no ataonareo? », hoy izy tamin’izany.
Sajo