Quantcast
Channel: Newsmada
Viewing all articles
Browse latest Browse all 70798

Arira arira hatrany…

$
0
0
indraim-bava

 Milamina kely ny etsy, mikorontana sy mikomy indray ny eroa. Lasa izany sisa no fiainantsika eto Madagasikara sy ny fiainan’ireo mpiasa sy mpianatra.

Mety ho inona àry, hoy ianao, ny mahatonga izany? Sady tsy anjarako no tsy anjaranao ary tsy anjarantsika rehetra angamba ny mamaly an’izany. Saingy, rehefa mivaha amin’ny ampahany ny zavatra takina dia milamina ho azy.

Hatreto anefa, tsy mbola hita soritra mazava ny tena hoe “fivoahana amin’ny krizy” eto Madagasikara. Saika sahirana avokoa, na ny mpitondra na ny vahoaka hoentina sy tantanana. Mbola lavitry ny fandresena isika Malagasy raha amin’izao vanim-potoana iainantsika izao.

Mihodina etsy, mihodina eroa, fa toa tsy ahitam-bokany ihany ary tsy mety mihiratra mihitsy ny fiainan-dRamalagasy. Ny fanatonana dokotera afa-kitsabo ity aretina mitady handringana ity angamba no mety hampivoatra ny farim-piainan’ny tsirairay… Asa, tsy haiko aloha, fa voalaza sy araka ny tsilian-tsofina, toa maro ireo milaza fa afaka mitsabo ny fiainan’ny Malagasy. Na izany aza, tsy dia ny vahoaka loatra anefa no mitady sy mila dokotera mpanasitrana fa ny fitondram-panjakana ankapobeny mihitsy mba ahafahana mivoaka amin’izao aretina mikiky izao.

Mbola tsy tody amin’izany isika aloha, hatreto, satria, mbola samy revo amin’izay maharevo azy ireo mpitondra isan-tokony. Ny etsy tampenam-bava, ny eroa manomboka amin’ny fomba fanaony. Noho izany, tsy misy fiainam-pirenena mandeha mihitsy amin’izao fotoana izao. Variana sy lany andro mamaha ireo olana etsy sy eroa ny fanjakana.

Mifandany andro sy manokikodin-dresaka ary variana mamono afo sy mandrehitra afo ny fitondrana, ankehitriny. Tsy mbola hita izay vahaolana maharitra hoentin’ity Repoblika fahefatra ity, hatreto. Arira arira hatrany ity fiainam-pirenena ity.

 Miary Narindra


Viewing all articles
Browse latest Browse all 70798

Latest Images