Quantcast
Channel: Newsmada
Viewing all articles
Browse latest Browse all 70773

Fanomanana ny fifidianana : mbola hitady vola 18 miliara Ar ny Cenit

$
0
0
Cenit

 Ny sarety indray no mandeha mialoha ny omby ? “ Vola 33 miliara Ar mahery no eo an-tanana na efa nahitana loharanom-bola amin’izao fotoana izao , hikarakarana ny fifidianana. Mbola mitady hatrany amin’ny 18 mliara Ar anefa isika mba hahatrarana ny 51 miliara Ar hampandehanana izany fifidianana izany”, hoy ny filohan’ny Cenit, Ralaiariliva Ndriana Mamy, omaly tamin’ny haino aman-jery.

Na izany aza, nampanantena ny tenany fa tsy hiova ny datin’ny fifidianana, hatao ny 31 jolay ho avy izao.

   Midika izany fa hafa ity fifidianana indray mandeha ity. Ny vola hanaovana azy tsy mbola hita, nefa efa mipetrakapetraka avokoa ireo tetiandro samihafa.

Tsy vitan’izany. Efa misokatra ny fametrahana ny antontan-taratasy filatsahan-kofidina nefa ny isan’ny mpanolotsaina aza tsy mbola fantatra, hatramin’ny omaly.

   Zary mitango lalitra sy miandry birao fotsiny ireo mpiasa eny anivon’ny Rafitra mpanamarina ny filatsahan-kofidina eny amin’ny distrika (Ovec) tato anatin’ny herinandro nisokafan’ny fandraisana izany. Mbola ireo mangataka fanazavana momba ireo taratasy ilaina aloha hatreto no tonga eny amin’ny biraon’ny Ovec.

Handeha amin’ny tandrametaka sy kitoatoa hatrany isaky ny fifidianana ?

Synèse R.


Viewing all articles
Browse latest Browse all 70773

Trending Articles