Quantcast
Channel: Newsmada
Viewing all articles
Browse latest Browse all 70386

Halatra volamena sy vola : polisy telo notanana am-ponja

$
0
0

 Polisy telo lahy voarohirohy tamin’ny halatra volamena sy vola no nidoboka eny amin’ny fonjan’Antanimora hatramin’ny asabotsy lasa teo izay.

 Ny Inspection générale de la police (IGP) no nandray an-tanana ny famotorana ka taorian’izany no nandefasana azy ireo teny amin’ny fampanoavana ary izao nampidirina amponja vonjimaika izao.

 “Agents”  sy “Brigadiers” am-perinasa eo anivon’ny polisim-pirenena izy ireo. Voatendry hanao famotorana mikasika ny fahaverezana vola sy volamena tao amin’ny tokan-trano iray eny Alasora izy ireo andro vitsivitsy lasa izay. Niroso nanao ny asa avy hatrany ireto polisy telo lahy ka ilay mpiasa an-trano no nosamborina natao fanadihadiana tamin’izany. Rehefa voatery anefa io vehivavy io dia niaiky fa izy tokoa no nanao ny halatra. Natoron’ity mpanampy an-trano ity ireo polisy ny toerana nanafenany ireo zavatra very ireo.

Nanao ny fisavana ny polisy ka hita tokoa ny vola sy ny volamena maromaro. Nanita-kevitra anefa ireto polisy nanao fikarohana ka nogiazan’izy ireo indray ny ampahany tamin’ireo vola sy ny volamena ireo. Tsy nanaiky izany anefa ny tompon-trano ka nametraka fitoriana teny amin’ny IGP. Natao ny fanadihadihana ka niaiky ihany ireo polisy fa izy ireo tokoa no naka ny ampahana vola sy volamena.

Araka ny fanazavan’ny lehiben’ny IGP dia polisy miisa 6 amin’izao fotoana izao no efa nanaovan’ny IGP fanadihadiana ary efa voamarina fa nanao heloka izy ireo dia nampidirina am-ponja vonjimaika aloha miandry ny fotoam-pitsarana azy.

Tiavina


Viewing all articles
Browse latest Browse all 70386

Trending Articles